Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 22—Ireo Faminaniana Tanteraka Rehefa lasa ny fotoana izay nanantenana voalohany ny hiavian’ ny Tompo tamin’ ny lohataonan’ ny 1844, dia latsaka nandritra ny fotoana voafetra tao amin’ ny fisalasalana sy ny ahiahy ireo izay efa nibanjina tamim-pinoana ny fisehoany. Nihevitra azy ireo ho resy tanteraka izao tontolo izao sy voaporofo mazava fa nifikitra tamin’ ny hevi-diso, nefa dia mbola ny tenin’ Andriamanitra ihany no loharano nahitany fampiononana. Betsaka no nanohy namakafaka ny Soratra Masina, niverina nanadihady ireo porofon’ ny finoany sady nianatra fatratra ireo faminaniana mba hahazoany fahazavana fanampiny. Toa mazava tsy azo iadian-kevitra ny fanambaran’ ny Baiboly manohana ny hevitra notanany. Nisy famantarana tsy nety ho nahadiso hevitra nanondro ny fiavian’ i Kristy ho akaiky. Noporofoin’ ny fitahiana manokana avy amin’ ny Tompo, tamin’ ny fiovampon’ ny mpanota ary koa tamin’ ny fifohazana ara-panahy teo anivon’ ny kristiana, fa avy amin’ ny lanitra ny hafatra. Ary na dia tsy hain’ ireo mpino aza ny manazava ny fahadisoampanantenany, dia tsapany marina fa Andriamanitra no efa nitarika azy teo amin’ ny fanandramany teo aloha. Nifamahofaho tamin’ ireo faminaniana izay noheveriny fa azo hampiharina amin’ ny fotoana hiavian’ i Kristy fanindroany dia nisy toromarika nifanaraka indrindra tamin’ ny fisalasalana sy ny fihambahambana nahazo azy ka nampahery azy hiandry amimpaharetana ny finoana fa izay maizina tamin’ ny sainy ankehitriny dia mbola hazava aminy amin’ ny fotoana mety. Anisan’ ireo faminaniana ireo ilay ao amin’ ny Habakoka 2: 1-4. «Hitsangana eo ambonin’ ny fitazanako aho ary hijoro eo ambonin’ ny manda. hiandry hahitako izay holazainy amiko sy izay havaliko amin’ ny fitarainako. Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe : Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ ny fàfana, mba hihazakazahan’ izay mamaky azy. Fa ny fahitana dia mbola amin’ ny fotoan’ andro, ary nikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona. Indro, feno avonavona ny fanahin’ ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, fa ny marina ho velon’ ny finoany». Tamin’ ny fiantombohan’ ny taona 1842 sahady, ny toromarika manao hoe «Soraty ny fahitana ka ataovy velona tsara eo amin’ ny fàfana mba hihazakazaka izay mamaky azy» dia nanolo-kevitra an’ i Charles Fitch hanomana sary mampiseho ny faminaniana hoentimanazava ny fahitana ao amin’ i Daniela sy ny Apokalypsy. Ny namoahana io sary io dia noraisina ho fanatanterahana ny baiko nomen’ i Habakoka. Tsy nisy na dia iray aza anefa tamin’ izay nanamarika fa mbola hitaredretra ny fahatanterahan’ ny fahitana mbola hisy fotoana fiandrasana haseho ao amin’ io faminaniana io ihany. Taorian’ ny fahadisoampanantenana, dia hita fa nisy lanjany tokoa io teny io : «Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ ny fotoan’ andro; ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona. . . ny marina ho velon’ ny finoany». 296

Nisy koa fizarana tamin’ ny faminanian’ i Ezekiela izay loharano nampahery sy nampionona ny mpino : «Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe : Ry zanak’ olona, ahoana moa izao fitenenana ataonareo ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izao hoe : Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra? Koa lazao aminy hoe : Izao no lazain’ i Jehovah Tompo. . . Akaiky ny andro sy ny tenin’ ny fahitana rehetra. . . hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa». «Ry zanak’ olona, indro, ny taranak’ Isiraely manao hoe : Mbola ho ela izany fahitana izany, ary ny amin’ ny fotoana mbola lavitra no vinaniny. Koa lazao aminy hoe : Izao no lazain’ i Jehovah Tompo : Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia ho tanterahiko»1. Faly ireo niandry noho ny finoany fa Ilay nahalala ny farany hatrany amin’ ny voalohany no efa nitazana ny andro sy ny taona nifandimby ary nahatsinjo ny fahadisoampanantenany, ka nanome azy ireo teny fampaherezana sy fanantenana. Raha tsy ireo tenin’ ny Soratra Masina ireo, izay namporisika azy hiandry tamim-paharetana sy hamikitra amin’ ny fahatokiany ny tenin’ Andriamanitra, dia ho resy ny finoany tamin’ io ora fitsapana io. Ny fanoharana ny amin’ ny virijina folo ao amin’ ny Matio 25 dia manazava ny fanandramana nataon’ ny vahoaka advantista. Ao amin’ ny Matio 24, ho valin’ ny fanontaniana nataon’ ireo mpianatra mikasika ny famantarana ny fiaviany sy ny faran’ izao tontolo izao, Kristy dia nanondro ireo sasantsasany amin’ ny toe-javatra lehibe indrindra hiseho amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao sy ny fiangonana hatramin’ ny fiaviany voalohany ka mandra-piveriny indray dia ireto: ny fandravana an’ i Jerosalema, ny fahoriana lehibe hiaretan’ ny fiangonana mandritra ny fanenjehana hataon’ ny jentilisa sy ny fahefana papaly, ny fanamaizinana ny masoandro sy ny volana, ary ny firarahan’ ny kintana. Rehefa izany, dia nilaza ny amin’ ny fiaviany amin’ ny fanjakany Izy, ka nanao ilay fanoharana manambara ny amin’ ireo antoko anankiroa amin’ ny mpanompo izay niandry ny fisehoany. Ireto teny ireto no nanombohana ny toko faha 25 : «Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo». Aseho ao ny amin’ ny fiangonana velona amin’ ny andro farany, dia ny andro voatondro amin’ ny fiafaran’ ny toko 24. Ao amin’ io fanoharana io dia hazavaina amin’ ny alalan’ ny toe-javatra hita eo amin’ ny fampakarambady tatsinanana ny fanandramana niainany. «Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; fa ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe : «Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena azy». Ny fiavian’ i Kristy, araka ny nambaran’ ny hafatry ny anjely voalohany, dia noraisina ho mampiseho ny fiavian’ ny mpampakatra. Ny fielezan’ ny fanavaozana tamin’ ny fotoana nitoriana ny fiaviany tsy ho ela, dia mampiseho ny fivoahan’ ny virijina hitsena ny mpampakatra. Ao amin’ io fanoharana io, tahaka ny ao amin’ ny Matio 24, dia misy 297

Nisy koa fizarana tamin’ ny faminanian’ i Ezekiela izay loharano nampahery sy

nampionona ny mpino : «Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe : Ry zanak’

olona, ahoana moa izao fitenenana ataonareo ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izao hoe :

Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra? Koa lazao aminy hoe : Izao

no lazain’ i Jehovah Tompo. . . Akaiky ny andro sy ny tenin’ ny fahitana rehetra. . . hiteny

Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa». «Ry zanak’ olona, indro, ny taranak’ Isiraely

manao hoe : Mbola ho ela izany fahitana izany, ary ny amin’ ny fotoana mbola lavitra no

vinaniny. Koa lazao aminy hoe : Izao no lazain’ i Jehovah Tompo : Tsy hisy hajanona ela

intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia ho tanterahiko»1.

Faly ireo niandry noho ny finoany fa Ilay nahalala ny farany hatrany amin’ ny voalohany

no efa nitazana ny andro sy ny taona nifandimby ary nahatsinjo ny fahadisoampanantenany,

ka nanome azy ireo teny fampaherezana sy fanantenana. Raha tsy ireo tenin’

ny Soratra Masina ireo, izay namporisika azy hiandry tamim-paharetana sy hamikitra amin’

ny fahatokiany ny tenin’ Andriamanitra, dia ho resy ny finoany tamin’ io ora fitsapana io.

Ny fanoharana ny amin’ ny virijina folo ao amin’ ny Matio 25 dia manazava ny

fanandramana nataon’ ny vahoaka advantista. Ao amin’ ny Matio 24, ho valin’ ny

fanontaniana nataon’ ireo mpianatra mikasika ny famantarana ny fiaviany sy ny faran’ izao

tontolo izao, Kristy dia nanondro ireo sasantsasany amin’ ny toe-javatra lehibe indrindra

hiseho amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao sy ny fiangonana hatramin’ ny fiaviany

voalohany ka mandra-piveriny indray dia ireto: ny fandravana an’ i Jerosalema, ny

fahoriana lehibe hiaretan’ ny fiangonana mandritra ny fanenjehana hataon’ ny jentilisa sy ny

fahefana papaly, ny fanamaizinana ny masoandro sy ny volana, ary ny firarahan’ ny kintana.

Rehefa izany, dia nilaza ny amin’ ny fiaviany amin’ ny fanjakany Izy, ka nanao ilay

fanoharana manambara ny amin’ ireo antoko anankiroa amin’ ny mpanompo izay niandry

ny fisehoany. Ireto teny ireto no nanombohana ny toko faha 25 : «Ary amin’ izany ny

fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo». Aseho ao ny amin’ ny fiangonana velona

amin’ ny andro farany, dia ny andro voatondro amin’ ny fiafaran’ ny toko 24. Ao amin’ io

fanoharana io dia hazavaina amin’ ny alalan’ ny toe-javatra hita eo amin’ ny fampakarambady

tatsinanana ny fanandramana niainany.

«Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny

fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy

kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; fa ny hendry

kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny

mpampakatra dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony mamatonalina,

dia nisy antso hoe : «Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena azy».

Ny fiavian’ i Kristy, araka ny nambaran’ ny hafatry ny anjely voalohany, dia noraisina

ho mampiseho ny fiavian’ ny mpampakatra. Ny fielezan’ ny fanavaozana tamin’ ny fotoana

nitoriana ny fiaviany tsy ho ela, dia mampiseho ny fivoahan’ ny virijina hitsena ny

mpampakatra. Ao amin’ io fanoharana io, tahaka ny ao amin’ ny Matio 24, dia misy

297

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!