Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

nandà ny hihaino ny hafatra fampitandremana; ary ny sasany kosa, na dia resy lahatry ny fahamarinana aza,dia tsy sahy niaiky izany, «fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga». Nasehon’ ny hafatra izay nalefan’ Andriamanitra hisedrana sy hanadiovana ny fiangonana mazava loatra tamin’ ny rehetra fa betsaka tokoa ny isan’ ireo izay nametraka ny fitiavany teto amin’ ity izao tontolo izao ity toy izay teo amin’ i Kristy. Mafy noho izay nanintona azy hiakatra ho any an-danitra ny fatorana nitana azy teto an-tany. Naleony nihaino ny feon’ ny fahendren’ izao tontolo izao ka dia nihodina niala tamin’ ny hafatry ny fahamarinana izay mamantatra ny fo. Tamin’ ny nandavan’ izy ireo ny hafatra fampitandreman’ ny anjely voalohany, no nitsipahany ny fomba efa nomanin’ ny lanitra hanavaozana azy ireo indray. Nohamavoiny ilay mpitondra hafatra feno fahasoavana izay ho nanitsy ny ratsy nampisaraka azy tamin’ Andriamanitra, ka niezaka bebe kokoa izy hitady ny fisakaizana tamin’ izao tontolo izao. Izany no nahatonga ny toetra nampanahy nananan’ ny fiangonana tamin’ ny 1844 teo amin’ ny fanarahana an’ izao tontolo izao, ny fihemorany sy ny fahafatesany ara-panahy. Ny anjely voalohany ao amin’ ny Apokalypsy 14 dia narahin’ ny faharoa izay nitory hoe:«Rava ! rava Babylona lehibe ! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany»3. Ny teny hoe «Babylona» dia avy amin’ ny hoe «Babela». ary fisavorovoroana no dikany. Ampiasaina ao amin’ ny Soratra Masina izany mba hilazana ireo endrika samihafa isehoan’ ny fivavahana diso na nihemotra. Ao amin’ ny Apokalypsy 17 Babylona dia aseho toy ny vehivavy ohatra ampiasaina ao amin’ ny Baiboly izany ho tandindon’ ny fiangonana, ny vehivavy tsara toetra dia mampiseho fiangonana madio, ary ny vehivavy ratsy toetra kosa dia fiangonana mihemotra. Ao amin’ ny Baiboly dia aseho amin’ ny alalan’ ny firaisan’ ny fanambadiana ny fifandraisana masina sady maharitra misy eo amin’ i Kristy sy ny fiangonana. Nainpiraisin’ ny Tompo taminy tamin’ ny alalan’ ny fanekena mavesa-danja ny vahoakany, ka Izy nampanantena fa ho Andriamaniny, ary iretsy kosa nanome toky fa ho Azy irery ihany. Hoy Izy : «Ary hofofoiko ho vadiko amin’ ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ ny fitiavana sy ny indrafo ianao» 4. Ary koa : «Izaho no vadinareo»5. Ampiasain’ i Paoly koa io fomba fitenenana io ao amin’ ny Testamenta Vaovao raha hoy izy hoe : «Fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy»6. Ny tsy fahatokisan’ ny fiangonana izay miseho amin’ ny nampialany tamin’ i Kristy ny fitokisany sy ny fitiavany,sy amin’ ny namelany ny fitiavana ny zavatra momba an’ izao tontolo izao hibahana ao amin’ ny fanahy, dia ampitahaina amin’ ny fanitsakitsahana ny voadim-panambadiana. Aseho amin’ io sary io ny fahotan’ Isiraely tamin’ ny nialany tamin’ i Jehovah; ary aseho amin’ ny fomba mampihetsi-po ny fitiavan’ Andriamanitra mahagaga izay nohamavoin’ izy ireo toy izany hoe : «Nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao». «Ary efa nihatsara tarehy dia tsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik’ andriana. Ary dia niely tany amin’ ny jentilisa ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, . . . kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka 288

nijangajanga noho ny lazanao». «Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ ny lahy, dia toy izany koa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah». «Ny vadin’ olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon’ ny vadiny ! » 7 Ao amin’ ny Testamenta Vaovao dia misy teny mitovy amin’ izany atao amin’ izay milaza ny tenany ho Kristiana nefa mitady fisakaizana amin’ izao tontolo izao fa tsy mba ny fankasitrahan’ Andriamanitra. Hoy ny apostoly Jakoba : «Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao dia fahavalon’ Andriamanitra izy» 8. Ilay vehivavy (Babylona) ao amin’ ny Apokalypsy 17 dia lazainy fa «nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vatosoa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny antanany, feno zava-betaveta, ary nisy anarana voasoratra teo amin’ ny handriny nanao hoe : «Zava-miafina, Babylona lehibe, Renin’ ny mpijangajanga». Hoy ny mpaminany : «Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon’ ny ran’ ny olona masina sy ny ran’ ny maritioran’ i Jesosy». Lazaina etsy ambany fa «tanàna lehibe, izay manjaka amin’ ny mpanjakan’ ny tany i Babylona»9. Ny fahefana izay nanapaka tamin’ ny fomba tsy refesimandidy nandritra ny taonjato maro tamin’ ireo mpanjaka kristiana dia i Roma. Ny loko volomparasy sy jaky, ny volamena sy ny vatosoa sy ny perila, dia fampisehoana velona ny rentirenty sy ny fisehoana manoatra noho ny an’ ny mpanjaka hita ao Roma feno rehareha. Ary tsy misy fahefana hafa azo lazaina marina fa «Ieon’ ny ran’ ny olona masina» noho io fiangonana io izay nanenjika ny mpanaraka an’ i Kristy tamin’ ny fahasiahana tsy nanam-paharoa. Ampangaina koa i Babylona noho ny fahotany tamin’ ny nifandraisany tsy ara-dalàna tamin’ ireo «mpanjakan’ ny tany». Ny fisarahan’ ny fiangonana jiosy tamin’ i Jehovah, ny fikambanany tamin’ ny jentilisa no nahatonga ny fiangonana jiosy ho mpijangajanga, ary meloka koa i Roma, noho ny nandotoany ny tenany toy izany tamin’ ny nitadiavany ny fanohanan’ ireo fahefana araka izao tontolo izao. Lazaina fa «Renin’ ny mpijangajanga» i Babylona. Ny zananivavy izany dia ampoizina fa mampiseho ara-tandindona ireo fiangonana izay mifikitra amin’ ny fampianarany sy ny lovan-tsofiny, ka manaraka ny ohatra nomeny tamin’ ny fanaovana sorona ny faha-marinana sy ny fankasitrahan’ Andriamanitra, mba hanaovany fikambanana tsy ara-dalàna amin’ izao tontolo izao. Ny hafatra ao amin’ ny Apokalypsy 14, izay manambara ny fahalavoan’ i Babylona dia ampiharina amin’ ireo fivavahana izay nadio teo aloha nefa tonga maloto ankehitriny. Koa satria manaraka ny fampitandremana momba ny fitsarana ity hafatra ity, dia tsy maintsy torina amin’ ny andro farany, noho izany dia tsy azo hampiharina amin’ ny Eglizin’ i Roma irery izy. satria efa an-jato taonany maro no efa teo am-pahalavoana io fiangonana io. Ankoatr’ izany, ao amin’ ny toko fahavalo ambin’ ny folo ao amin’ ny Apokalypsy, dia antsoina ny vahoakan’ Andria-manitra hivoaka avy ao Babylona. Araka io teny io, dia betsaka ny olon’ Andriamanitra no mbola ao Babylona. Ary fivavahana inona no ahitana ny ankabeazan’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ankehitriny? Tsy isalasalana, fa eo amin’ ireo fiangonana samihafa izay milaza ny tenany ho nandray ny finoana protestanta. Tamin’ ny fotoana izay nitsanganany, ireny fiangonana ireny dia nijoro tamin’ ny fomba 289

nijangajanga noho ny lazanao». «Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ ny lahy,

dia toy izany koa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah». «Ny

vadin’ olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon’ ny vadiny ! » 7

Ao amin’ ny Testamenta Vaovao dia misy teny mitovy amin’ izany atao amin’ izay

milaza ny tenany ho Kristiana nefa mitady fisakaizana amin’ izao tontolo izao fa tsy mba ny

fankasitrahan’ Andriamanitra. Hoy ny apostoly Jakoba : «Ry mpisintaka mijangajanga, tsy

fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa

na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao dia fahavalon’ Andriamanitra izy» 8. Ilay

vehivavy (Babylona) ao amin’ ny Apokalypsy 17 dia lazainy fa «nitafy lamba volomparasy

sy jaky ary niravaka volamena sy vatosoa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny antanany,

feno zava-betaveta, ary nisy anarana voasoratra teo amin’ ny handriny nanao hoe :

«Zava-miafina, Babylona lehibe, Renin’ ny mpijangajanga». Hoy ny mpaminany : «Ary

hitako fa, indro, ravehivavy dia leon’ ny ran’ ny olona masina sy ny ran’ ny maritioran’ i

Jesosy». Lazaina etsy ambany fa «tanàna lehibe, izay manjaka amin’ ny mpanjakan’ ny tany

i Babylona»9. Ny fahefana izay nanapaka tamin’ ny fomba tsy refesimandidy nandritra ny

taonjato maro tamin’ ireo mpanjaka kristiana dia i Roma. Ny loko volomparasy sy jaky, ny

volamena sy ny vatosoa sy ny perila, dia fampisehoana velona ny rentirenty sy ny fisehoana

manoatra noho ny an’ ny mpanjaka hita ao Roma feno rehareha. Ary tsy misy fahefana hafa

azo lazaina marina fa «Ieon’ ny ran’ ny olona masina» noho io fiangonana io izay nanenjika

ny mpanaraka an’ i Kristy tamin’ ny fahasiahana tsy nanam-paharoa. Ampangaina koa i

Babylona noho ny fahotany tamin’ ny nifandraisany tsy ara-dalàna tamin’ ireo «mpanjakan’

ny tany». Ny fisarahan’ ny fiangonana jiosy tamin’ i Jehovah, ny fikambanany tamin’ ny

jentilisa no nahatonga ny fiangonana jiosy ho mpijangajanga, ary meloka koa i Roma, noho

ny nandotoany ny tenany toy izany tamin’ ny nitadiavany ny fanohanan’ ireo fahefana araka

izao tontolo izao.

Lazaina fa «Renin’ ny mpijangajanga» i Babylona. Ny zananivavy izany dia ampoizina

fa mampiseho ara-tandindona ireo fiangonana izay mifikitra amin’ ny fampianarany sy ny

lovan-tsofiny, ka manaraka ny ohatra nomeny tamin’ ny fanaovana sorona ny faha-marinana

sy ny fankasitrahan’ Andriamanitra, mba hanaovany fikambanana tsy ara-dalàna amin’ izao

tontolo izao. Ny hafatra ao amin’ ny Apokalypsy 14, izay manambara ny fahalavoan’ i

Babylona dia ampiharina amin’ ireo fivavahana izay nadio teo aloha nefa tonga maloto

ankehitriny. Koa satria manaraka ny fampitandremana momba ny fitsarana ity hafatra ity,

dia tsy maintsy torina amin’ ny andro farany, noho izany dia tsy azo hampiharina amin’ ny

Eglizin’ i Roma irery izy. satria efa an-jato taonany maro no efa teo am-pahalavoana io

fiangonana io. Ankoatr’ izany, ao amin’ ny toko fahavalo ambin’ ny folo ao amin’ ny

Apokalypsy, dia antsoina ny vahoakan’ Andria-manitra hivoaka avy ao Babylona. Araka io

teny io, dia betsaka ny olon’ Andriamanitra no mbola ao Babylona. Ary fivavahana inona no

ahitana ny ankabeazan’ ireo mpanaraka an’ i Kristy ankehitriny? Tsy isalasalana, fa eo

amin’ ireo fiangonana samihafa izay milaza ny tenany ho nandray ny finoana protestanta.

Tamin’ ny fotoana izay nitsanganany, ireny fiangonana ireny dia nijoro tamin’ ny fomba

289

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!