Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
Na oviana na oviana misy toe-javatra toy izany dia avy ao amin’ ny fiangonana ihany ny antony. Ny niavian’ ny haizina ara-panahy izay manarona ny firenena, ny fiangonana sy ny isam-batan’ olona, dia tsy noho Andriamanitra manaisotra tsy an-drariny ny fanampiana avy amin’ ny fahasoavany tsy akory, fa noho ny tsirambina sy ny fandavan’ ny olona ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra. Misy ohatra manaitra mampisongadina io fahamarinana io aseho ao amin’ ny tantaran’ ny vahoaka jiosy tamin’ ny andron’ i Kristy. Ny fimatimatesany tamin’ izao tontolo izao sy ny fanadinoany an’ Andriamanitra sy ny teniny, no nahamaizina ny sainy, sy nahatonga ny fony hirona tamin’ ny nofo sy ny filana. Noho izany dia tsy fantany ny momba ny fiavian’ ny Mesia, ka ny avonavony sy ny tsy finoany no nahatonga azy handà ny Mpanavotra. Na dia tamin’ izany aza dia tsy nosakanan’ Andriamanitra ny firenena Jiosy tsy hahalaia na tsy handray anjara amin’ ny fitahian’ ny famonjena. Nefa kosa ireo izay nandà ny fahamarinana dia very tsy nanampaniriana intsony handray ny fanomezan’ ny lanitra. Nanao ny «maizina ho mazava izy ary ny mazava ho maizina», mandra-pahatongan’ ny mazava tao aminy ho haizina; ary nikitroka manao ahoana izany haizina izany! Mifanaraka amin’ ny tetik’ i Satana ny hitazonan’ ny olona ny endrika ivelan’ ny fivavahana raha tsy ao ny tena toe-panahy araka an’ Andriamanitra mitondra aina. Rehefa nolavin» ny Jiosy ny filazantsara dia notohizany tamin-kafanam-po ireo fombampivavahany fahiny, ary mainka nahasarotiny azy ny fiarovany ny toetra mampiavaka ny fireneny, nefa ny tenany aza tsy maintsy niaiky fa tsy niseho teo aminy intsony ny fanatrehan’ Andriamanitra. Nanondro tsy nisy diso mihitsy ny fotoana hiavian’ ny Mesia ny faminanian’ i Daniela ary nambarany tamin’ ny fomba mivantana ny fahafatesany, hany ka nataon’ izy ireo izay tsy handinihany io boky io, ary farany dia nanozona izay rehetra nanandrana manao adi-marika momba ny fotoan’ andro ny raby. Noho ny fahajambana sy ny fahamafisam-po dia tsy niraika tamin’ ny fanomezana maimaimpoana ny famonjena ny vahoaka Isiraely nandritra ny taonjato nifandimby, tsy niraharaha ny fitahiana avy amin’ ny filazantsara izay hafatra mampieritreritra sy mahatahotra mampitandrina ny amin’ ny loza ateraky ny fandavana ny fahazavana avy any an-danitra. Na oviana na oviana misy antony mitovy, dia mitovy koa ny vokatra miseho. Amin’ ny farany, izay minia mampangina ny fahatsapana adidy satria manakantsakana ny fironany izany dia tsy hanan-kery intsony hoenti-manavaka ny marina sy ny diso. Mihamaizina ny saina, mihadombo ny feon’ ny fieritreretana, mihamafy ny fo, ary tafasaraka amin’ Andriamanitra ny fanahy. Amin’ ny toerana izay anamavoana na anamaivanana ny hafatry ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, dia ho saron’ ny haizina ny fiangonana; hihamangatsiaka ny finoana sy ny fitiavana ka hiditra ny fihafahafana sy ny tsy fifanarahana. Ny mambran’ ny fiangonana dia mampifantoka ny fitiavany sy ny herim-pony eo amin’ ny fanarahana an’ izao tontolo izao ka hanamafy ny fony tsy hibebaka ny mpanota. Ny hafatry ny anjely voalohany ao amin’ ny Apokalypsy 14, izay manambara fa tonga ny andro fitsaran’ Andriamanitra ka miantso ny olona hatahotra Azy sy hiankohoka eo anatrehany dia nokendrena hampisaraka ny vahoaka misora-tena ho an’ Andriamanitra 286
amin’ ny hery manimba miasa mangina avy amin’ izao tontolo izao sy hampifoha azy hijery ny tena toetrany marina izay fatra-mpitia an’ izao tontolo izao sy ny fihemorana mahazo azy. Fampitandremana no nalefan’ Andriamanitra ho an’ ny fiangonana ao amin’ io hafatra io izay, raha noraisina, dia ho nanitsy ny ratsy izay nampisaraka azy ireo taminy. Raha nekeny ny hafatra avy any an-danitra, ka naetriny teo anatrehan’ i Jehovah ny fony ary nitady marina ny hiomana hijoro eo anatrehany izy, dia ho niseho teo aminy ny Fanahy sy ny herin’ Andriamanitra. Ho tody indray teo amin’ ny fahasambarany noho ny firaisana, ny finoana sy ny fitiavana izay nisy tamin’ ny andron’ ny apostoly ny fiangonana, fony ny mpino «niray fo sy fanahy» ka «nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana», fony «ny olom-bonjena nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isany» 1. Raha raisin’ ny vahoaka milaza fa an’ Andriamanitra ny faha-zavana rehefa miposaka aminy avy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra, dia ho tratrany ny firaisana izay nangatahan’ i Kristy tamin’ ny fivavahany, ilay soritan’ ny apostoly hoe : «firaisana avy amin’ ny Fanahy amin’ ny fehim-pihavanana». «Iray ny tena», hoy izy. «ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ ny fanan-tenana iray momba ny fiantsoana anareo; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa» 2. Izany no vokatra feno fitahiana niainan’ ireo izay nanaiky ny hafatra momba ny fiavian’ i Kristy. Avy tamin’ ny antokompinoana samihafa izy ireo, ary nirodana tamin’ ny tany ireo fefy teo amin’ ny antokoni-pivavahana nisy azy; notorotoroina ny fampianaram-pinoana nifanolanana; nialana ny fanantenana tsy araka ny Soratra Masina momba ny arivo taona eto an-tany, namboarina ny fomba fijery diso momba ny fiavian’ i Kristy fanindroany, nailika ny avonavona sy ny fanarahana an’ izao tontolo izao; nahitsy ny meloka; ny fo nampiraisina teo amin’ ny fiaraha-miaina mamy indrindra, ary nanjaka tanteraka ny fitiavana sy ny fifaliana. Raha izany no vokatr’ io fanipianarana io tamin’ ireo olom-bitsy nandray azy, dia ho izany koa no ho vokatra naterany, raha ny rehetra no nandray azy. Nefa tsy nanaiky ny hafatra fampitandremana ny ankabeazan’ ny fiangonana. Ireo mpitandrina, izay notendrena ho «mpitily ho an’ ny zanak’ Isiraely» no tokony ho voalohany nahatsikaritra ireo fanam-barana ny fiavian’ i Jesosy, nefa tsy nahalala ny fahamarinana ireo na izay avy amin’ ny teny vavolombelona nomen’ ny mpaminany na izay avy amin’ ny famantarana ny fotoan’ andro. Noho ny fanantenany sy ny hambom-pony araka izao tontolo izao nameno ny fony, dia nihamangatsiaka ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny finoana ny teniny; ary rehefa naseho ny fanipianarana momba ny fiavian’ i Kristy dia tsy niteraka afa-tsy fanoherana sy tsy finoana izany. Satria olon-tsotra no nitory ny hafatra, teo amin’ ny ankapobeny, dia noraisina ho antony mavesa-danja hoentimanohitra azy izany. Toy ny fahiny, dia nasetry ny fanambaran’ ny tenin’ Andriamanitra ny fanontaniana hoe : «Moa nisy Mpanapaka na fariseo mba nino va?» Ary rehefa hita ny mahasarotra ny fanoherana ireo fonjan-kevitra nosintonina avy tamin’ ny fotoan’ andro ao amin’ ny faminaniana, dia maro ireo izay nanakivy tsy handinihana ny faminaniana, ary nampianatra fa voaisy tombo-kase ny boky mikasika ny faminaniana ka tsy mety ho tratry ny saina. Marobe ny olona, izay natoky an-jamba ireo mpitandrina azy ka 287
- Page 243 and 244: Tamin’ ny fotoana niavian’ i Kr
- Page 245 and 246: tamin’ ireo mpitarika ny vahoaka
- Page 247 and 248: izy efatra ambinitelopolo taona ane
- Page 249 and 250: Noraisiny ny fomba nahatanterahan
- Page 251 and 252: Koa noho izany rehefa nandinika ny
- Page 253 and 254: i Jerosalema ny fitopolo herinandro
- Page 255 and 256: 27 T.K. = Ny Batisan'i Jesosy Krist
- Page 257 and 258: Raha nanomboka nandinika ny Soratra
- Page 259 and 260: Saika isan-tanàna dia nisy olona a
- Page 261 and 262: Countryman», Portland Evening Adve
- Page 263 and 264: tamin’ ny toetra tsizarizary ho s
- Page 265 and 266: nampiakarina niala taminareo ho any
- Page 267 and 268: haizina ny hanafenana amin’ ny ol
- Page 269 and 270: Na dia tsy nomena ny mpaminany aza
- Page 271 and 272: ny fanjakam-pahasoavana sy ny fanja
- Page 273 and 274: toky azo antoka, ny finoana tsy voa
- Page 275 and 276: Ireo izay nitory io hafatra fampita
- Page 277 and 278: Toko 20—Fifohazana Lehibe Ara- pi
- Page 279 and 280: Kristy no Zanak’ Andriamanitra».
- Page 281 and 282: dikany; ary ny hoe miakatra ho eo a
- Page 283 and 284: Tany Alemaina, dia efa tamin’ ny
- Page 285 and 286: hoy izy, «dia toy ny milaza amin
- Page 287 and 288: samihafa ny hafatra dia namohafoha
- Page 289 and 290: aza, afa-tsy ny Ray ihany» 3. Nisy
- Page 291 and 292: fangatahany teo amin’ ny rako-pan
- Page 293: ary niara-dalana tamin’ izany dia
- Page 297 and 298: nijangajanga noho ny lazanao». «K
- Page 299 and 300: ny tsy finoana mahameloka, izay mbo
- Page 301 and 302: ny amin’ ny tena fiainany, sady m
- Page 303 and 304: arapanahy ny fiangonana tamin’ iz
- Page 305 and 306: Nisy koa fizarana tamin’ ny famin
- Page 307 and 308: mpanota no voaova fo, ary nisy olon
- Page 309 and 310: mpamitaka tao amin’ ny fiangonana
- Page 311 and 312: 27 T.K. = Ny Batisan'i Jesosy Krist
- Page 313 and 314: Ao amin’ ny fanoharana ao amin’
- Page 315 and 316: lehibe sy tsy hay ambara. Nampalefa
- Page 317 and 318: Andriamanitra izany. Tsy sailin’
- Page 319 and 320: famantarana manambara fa akaiky ny
- Page 321 and 322: Raha araka ny fanisana, dia nazava
- Page 323 and 324: Aseho eto ny fitoerana masin’ ny
- Page 325 and 326: hipetraka sy hanapaka ny eo amin’
- Page 327 and 328: Ireo fanompoam-pivavahana roa ireo
- Page 329 and 330: faran’ ny taona, dia toy izany ko
- Page 331 and 332: tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ar
- Page 333 and 334: voatondro dia tonga ny Mpampakatra,
- Page 335 and 336: kosa ny manaraka. Mbola nisy varava
- Page 337 and 338: Toko 25—Ny Lalàn’ Andriamanitr
- Page 339 and 340: ny fizarana famaranana ny asa famon
- Page 341 and 342: ampiasaina dia ilaina mba ahazoana
- Page 343 and 344: fahafahana, amin’ ny fiaikena maz
amin’ ny hery manimba miasa mangina avy amin’ izao tontolo izao sy hampifoha azy hijery

ny tena toetrany marina izay fatra-mpitia an’ izao tontolo izao sy ny fihemorana mahazo

azy. Fampitandremana no nalefan’ Andriamanitra ho an’ ny fiangonana ao amin’ io hafatra

io izay, raha noraisina, dia ho nanitsy ny ratsy izay nampisaraka azy ireo taminy. Raha

nekeny ny hafatra avy any an-danitra, ka naetriny teo anatrehan’ i Jehovah ny fony ary

nitady marina ny hiomana hijoro eo anatrehany izy, dia ho niseho teo aminy ny Fanahy sy

ny herin’ Andriamanitra. Ho tody indray teo amin’ ny fahasambarany noho ny firaisana, ny

finoana sy ny fitiavana izay nisy tamin’ ny andron’ ny apostoly ny fiangonana, fony ny

mpino «niray fo sy fanahy» ka «nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana»,

fony «ny olom-bonjena nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isany» 1.

Raha raisin’ ny vahoaka milaza fa an’ Andriamanitra ny faha-zavana rehefa miposaka

aminy avy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra, dia ho tratrany ny firaisana izay nangatahan’ i

Kristy tamin’ ny fivavahany, ilay soritan’ ny apostoly hoe : «firaisana avy amin’ ny Fanahy

amin’ ny fehim-pihavanana». «Iray ny tena», hoy izy. «ary iray ny Fanahy, dia toy ny

niantsoana anareo ho amin’ ny fanan-tenana iray momba ny fiantsoana anareo; iray ny

Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa» 2.

Izany no vokatra feno fitahiana niainan’ ireo izay nanaiky ny hafatra momba ny fiavian’

i Kristy. Avy tamin’ ny antokompinoana samihafa izy ireo, ary nirodana tamin’ ny tany ireo

fefy teo amin’ ny antokoni-pivavahana nisy azy; notorotoroina ny fampianaram-pinoana

nifanolanana; nialana ny fanantenana tsy araka ny Soratra Masina momba ny arivo taona eto

an-tany, namboarina ny fomba fijery diso momba ny fiavian’ i Kristy fanindroany, nailika

ny avonavona sy ny fanarahana an’ izao tontolo izao; nahitsy ny meloka; ny fo nampiraisina

teo amin’ ny fiaraha-miaina mamy indrindra, ary nanjaka tanteraka ny fitiavana sy ny

fifaliana. Raha izany no vokatr’ io fanipianarana io tamin’ ireo olom-bitsy nandray azy, dia

ho izany koa no ho vokatra naterany, raha ny rehetra no nandray azy.

Nefa tsy nanaiky ny hafatra fampitandremana ny ankabeazan’ ny fiangonana. Ireo

mpitandrina, izay notendrena ho «mpitily ho an’ ny zanak’ Isiraely» no tokony ho

voalohany nahatsikaritra ireo fanam-barana ny fiavian’ i Jesosy, nefa tsy nahalala ny

fahamarinana ireo na izay avy amin’ ny teny vavolombelona nomen’ ny mpaminany na izay

avy amin’ ny famantarana ny fotoan’ andro. Noho ny fanantenany sy ny hambom-pony

araka izao tontolo izao nameno ny fony, dia nihamangatsiaka ny fitiavana an’

Andriamanitra sy ny finoana ny teniny; ary rehefa naseho ny fanipianarana momba ny

fiavian’ i Kristy dia tsy niteraka afa-tsy fanoherana sy tsy finoana izany. Satria olon-tsotra

no nitory ny hafatra, teo amin’ ny ankapobeny, dia noraisina ho antony mavesa-danja

hoentimanohitra azy izany. Toy ny fahiny, dia nasetry ny fanambaran’ ny tenin’

Andriamanitra ny fanontaniana hoe : «Moa nisy Mpanapaka na fariseo mba nino va?» Ary

rehefa hita ny mahasarotra ny fanoherana ireo fonjan-kevitra nosintonina avy tamin’ ny

fotoan’ andro ao amin’ ny faminaniana, dia maro ireo izay nanakivy tsy handinihana ny

faminaniana, ary nampianatra fa voaisy tombo-kase ny boky mikasika ny faminaniana ka

tsy mety ho tratry ny saina. Marobe ny olona, izay natoky an-jamba ireo mpitandrina azy ka

287