Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

ny andron’ i Kristy, dia maro no nandà tsy hiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, sady nisakana ireo izay hiditra ao. Hotakina amin’ izy ireo ny ran’ ireny fanahy ireny. Matetika dia ny ambany indrindra sy ny tia vavaka indrindra tao amin’ ny fiangonana no voalohany nandray ny hafatra. Ireo izay nandinika ny Baiboly ho an’ ny tenany dia tsy afaka ny tsy hahita fa tsy araka ny Soratra Masina ny fomba fijerin’ ny besinimaro ny faminaniana; koa na taiza na taiza ny vahoaka no tsy voafehin’ ny hery miasa mangina avy amin’ ny mpitondra fivavahana, na taiza na taiza no nandinika ny tenin’ Andriamanitra ho an’ ny tenany izy, dia ampy ny nampitahana fotsiny tamin’ ny Soratra Masina ny fampianarana momba ny fiavian’ i Kristy mba hampijoro ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy. Betsaka no nenjehin’ ireo rahalahy tsy nino. Mba hahazoany mitana ny toerany tao amin’ ny fiangonana, dia nisy nanaiky ny hangina mikasika ny fanantenany; ny hafa kosa anefa nahatsapa fa mandrara azy tsy hanafina toy izany ireo fahamarinana izay efa nankinin’ Andriamanitra taminy ny fijoroany ho mahatoky aminy. Tsy vitsy no naongan’ ny fiangonany ary tsy inona no an tony fa noho izy nanambara ny finoany ny fiavian’ i Kristy. Sarobidy loatra ho an’ ireo izay niaritra izany fitsapana izany ny tenin’ ny mpaminany hoe : «Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny anarako : hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa» 5. Liana dia liana tokoa ireo anjelin’ Andriamanitra niandry izay ho vokatry ny hafatra fampitandremana. Rehefa fandavana ankapobe ny hafatra no hita teo amin’ ny fiangonana, dia niverina tamin’ alahelo ny anjely. Maro anefa no tsy mbola voasedra momba ny fahamarinana mikasika ny fiavian’ i Kristy. Betsaka no voatanky ny lahy na ny vavy, na ny ray aman-dreny, na ny zanany ho amin’ ny lalan-diso ka nino fa fahotana na dia ny mihaino fotsiny ny «herezia» araka izay nampianarin’ ireo Advantista aza. Voabaiko ny anjely hiambina tsara ireo fanahy ireo, satria mbola hisy fahazavana hafa hamirapiratra eo aminy avy eo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Tamim-paniriana niredareda tokoa no niandrasan’ ireo izay nandray ny hafatra ny fiavian’ ny Mpamonjy. Efa akaiky ilay fotoana nantenainy hihaonana Aminy. Tamim-pahatoniana feno fanajana no nanatonany an’ io ora io. Nitoetra teo amin’ ny firaisana mamy tamin’ Andriamanitra izy, santatry ny fiadanana ho azy izany amin’ ny ho avy mamirapiratra. Tsy nisy izay nanandrana izany fanantenana sy toky izany ho afaka hanadino ireo ora sarobidy niandrasany. Nandritra ny herinandro vitsivitsy talohan’ ny fotoana, dia najanony ny ankabeazan’ ny asa aman-draharaha momba an’ izao fiainana izao. Ireo mpino marina dia nandinika akaiky ny eritreriny sy ny fihetseham-pony rehetra toy ny olona efa ambavahaona ary ora vitsy sisa tsy hikimpian’ ny masony tsy hahita intsony ny eto an-tany. Tsy nisy fanaovana «akanjo ho enti-miakatra» (Jereo Fanampiny) ; fa tsapan’ ny rehetra kosa ny nilany porofo anaty fa vonona ny hihaona amin’ ny Mpamonjy izy; ny fahadiovan’ ny fanahy, toetra amam-panahy voasasan’ ny fanavotan’ i Kristy, no fitafiany fotsy. Enga anie ka mbola hisy eo amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra io fandinihana lalina ny fo io, io finoana mafana sy vonombonona io. Raha notohizany toy izany ny fanetreny tena teo anatrehan’ ny Tompo ary nasesiny hatrany ny 282

fangatahany teo amin’ ny rako-panavotana, dia ho nanana fanan-dramana sarobidy lavitra noho izay ananany ankehitriny izy. Kely loatra ny fivavahana atao, kely loatra ny tena fahatsapana ny mahampanota ary ny tsy fisian’ ny finoana velona dia hahatonga ny maro tsy hanana ny fahasoavana be dia be izay azon’ Ilay Mpanavotra omen a. Nikasa hisedra ny vahoakany Andriamanitra. Nosaronan’ ny tanany ny fahadisoana mikasika ny fe-potoana ao amin’ ny faminaniana. Tsy hitan’ ireo Advantista ilay hadisoana, ary tsy hitan’ ireo manam-pahaizana indrindra tamin’ ny mpanohitra azy koa. Izao no nolazain-drizareo : «Marina ny fanazavanareo ireo fe-potoana ao amin’ ny faminaniana. Misy zava-dehibe madiva hitranga: fa tsy izay ambaran’ i Miller mialoha tsy akory: ny fiovampon’ izao tontolo izao izany, fa tsy ny fiavian’ i Kristy fanindroany» (Jereo Fanampiny). Lasa ny fotoana niandrasana, nefa tsy niseho i Kristy hanafaka ny vahoakany. Tratrý ny fahadisoam-panantenana mangidy ireo izay niandry ny Mpamonjiny tamim-pinoana marina sy tamimpitiavana. Nefa tanteraka izay nokasain’ Andriamanitra; nisedra ny fon’ ireo izay nilaza ny tenany fa niandry ny fisehoany izy. Maro tamin’ ireo no tsy nentanin-javatra hafa afa-tsy ny tahotra ihany. Tsy nandaitra na tamin’ ny fony na tamin’ ny fiainany ny fanekeny ny finoana. Rehefa tsy tonga ny toe-javatra nandrasany, dia nilaza ireo olona ireo fa tsy diso fanantenana izy tsy akory ; tsy nino mihitsy izy fa ho avy i Kristy. Anisan’ ny voalohany nanaraby ny alahelon’ ireo mpino marina izy ireo. Fa i Jesosy kosa sy ireo tafiky ny lanitra manontolo dia nijery tamim-pitiavana sy fangorahana ireo nosedraina sy nijanona ho mahatoky nefa diso fanantenana. Raha nakipaka ny efitra lamba mampisaraka izao tontolo izao hita maso sy ny tsy hita maso, dia ho hita ireo anjely nanatona akaiky ireo fanahy nijoro ka niaro azy tsy ho tratry ny zana-tsipikan’ i Satana. 283

fangatahany teo amin’ ny rako-panavotana, dia ho nanana fanan-dramana sarobidy lavitra

noho izay ananany ankehitriny izy. Kely loatra ny fivavahana atao, kely loatra ny tena

fahatsapana ny mahampanota ary ny tsy fisian’ ny finoana velona dia hahatonga ny maro tsy

hanana ny fahasoavana be dia be izay azon’ Ilay Mpanavotra omen a.

Nikasa hisedra ny vahoakany Andriamanitra. Nosaronan’ ny tanany ny fahadisoana

mikasika ny fe-potoana ao amin’ ny faminaniana. Tsy hitan’ ireo Advantista ilay hadisoana,

ary tsy hitan’ ireo manam-pahaizana indrindra tamin’ ny mpanohitra azy koa. Izao no

nolazain-drizareo : «Marina ny fanazavanareo ireo fe-potoana ao amin’ ny faminaniana.

Misy zava-dehibe madiva hitranga: fa tsy izay ambaran’ i Miller mialoha tsy akory: ny

fiovampon’ izao tontolo izao izany, fa tsy ny fiavian’ i Kristy fanindroany» (Jereo

Fanampiny).

Lasa ny fotoana niandrasana, nefa tsy niseho i Kristy hanafaka ny vahoakany. Tratrý ny

fahadisoam-panantenana mangidy ireo izay niandry ny Mpamonjiny tamim-pinoana marina

sy tamimpitiavana. Nefa tanteraka izay nokasain’ Andriamanitra; nisedra ny fon’ ireo izay

nilaza ny tenany fa niandry ny fisehoany izy. Maro tamin’ ireo no tsy nentanin-javatra hafa

afa-tsy ny tahotra ihany. Tsy nandaitra na tamin’ ny fony na tamin’ ny fiainany ny fanekeny

ny finoana. Rehefa tsy tonga ny toe-javatra nandrasany, dia nilaza ireo olona ireo fa tsy diso

fanantenana izy tsy akory ; tsy nino mihitsy izy fa ho avy i Kristy. Anisan’ ny voalohany

nanaraby ny alahelon’ ireo mpino marina izy ireo.

Fa i Jesosy kosa sy ireo tafiky ny lanitra manontolo dia nijery tamim-pitiavana sy

fangorahana ireo nosedraina sy nijanona ho mahatoky nefa diso fanantenana. Raha nakipaka

ny efitra lamba mampisaraka izao tontolo izao hita maso sy ny tsy hita maso, dia ho hita ireo

anjely nanatona akaiky ireo fanahy nijoro ka niaro azy tsy ho tratry ny zana-tsipikan’ i

Satana.

283

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!