Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
ny andron’ i Kristy, dia maro no nandà tsy hiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, sady nisakana ireo izay hiditra ao. Hotakina amin’ izy ireo ny ran’ ireny fanahy ireny. Matetika dia ny ambany indrindra sy ny tia vavaka indrindra tao amin’ ny fiangonana no voalohany nandray ny hafatra. Ireo izay nandinika ny Baiboly ho an’ ny tenany dia tsy afaka ny tsy hahita fa tsy araka ny Soratra Masina ny fomba fijerin’ ny besinimaro ny faminaniana; koa na taiza na taiza ny vahoaka no tsy voafehin’ ny hery miasa mangina avy amin’ ny mpitondra fivavahana, na taiza na taiza no nandinika ny tenin’ Andriamanitra ho an’ ny tenany izy, dia ampy ny nampitahana fotsiny tamin’ ny Soratra Masina ny fampianarana momba ny fiavian’ i Kristy mba hampijoro ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy. Betsaka no nenjehin’ ireo rahalahy tsy nino. Mba hahazoany mitana ny toerany tao amin’ ny fiangonana, dia nisy nanaiky ny hangina mikasika ny fanantenany; ny hafa kosa anefa nahatsapa fa mandrara azy tsy hanafina toy izany ireo fahamarinana izay efa nankinin’ Andriamanitra taminy ny fijoroany ho mahatoky aminy. Tsy vitsy no naongan’ ny fiangonany ary tsy inona no an tony fa noho izy nanambara ny finoany ny fiavian’ i Kristy. Sarobidy loatra ho an’ ireo izay niaritra izany fitsapana izany ny tenin’ ny mpaminany hoe : «Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny anarako : hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa» 5. Liana dia liana tokoa ireo anjelin’ Andriamanitra niandry izay ho vokatry ny hafatra fampitandremana. Rehefa fandavana ankapobe ny hafatra no hita teo amin’ ny fiangonana, dia niverina tamin’ alahelo ny anjely. Maro anefa no tsy mbola voasedra momba ny fahamarinana mikasika ny fiavian’ i Kristy. Betsaka no voatanky ny lahy na ny vavy, na ny ray aman-dreny, na ny zanany ho amin’ ny lalan-diso ka nino fa fahotana na dia ny mihaino fotsiny ny «herezia» araka izay nampianarin’ ireo Advantista aza. Voabaiko ny anjely hiambina tsara ireo fanahy ireo, satria mbola hisy fahazavana hafa hamirapiratra eo aminy avy eo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Tamim-paniriana niredareda tokoa no niandrasan’ ireo izay nandray ny hafatra ny fiavian’ ny Mpamonjy. Efa akaiky ilay fotoana nantenainy hihaonana Aminy. Tamim-pahatoniana feno fanajana no nanatonany an’ io ora io. Nitoetra teo amin’ ny firaisana mamy tamin’ Andriamanitra izy, santatry ny fiadanana ho azy izany amin’ ny ho avy mamirapiratra. Tsy nisy izay nanandrana izany fanantenana sy toky izany ho afaka hanadino ireo ora sarobidy niandrasany. Nandritra ny herinandro vitsivitsy talohan’ ny fotoana, dia najanony ny ankabeazan’ ny asa aman-draharaha momba an’ izao fiainana izao. Ireo mpino marina dia nandinika akaiky ny eritreriny sy ny fihetseham-pony rehetra toy ny olona efa ambavahaona ary ora vitsy sisa tsy hikimpian’ ny masony tsy hahita intsony ny eto an-tany. Tsy nisy fanaovana «akanjo ho enti-miakatra» (Jereo Fanampiny) ; fa tsapan’ ny rehetra kosa ny nilany porofo anaty fa vonona ny hihaona amin’ ny Mpamonjy izy; ny fahadiovan’ ny fanahy, toetra amam-panahy voasasan’ ny fanavotan’ i Kristy, no fitafiany fotsy. Enga anie ka mbola hisy eo amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra io fandinihana lalina ny fo io, io finoana mafana sy vonombonona io. Raha notohizany toy izany ny fanetreny tena teo anatrehan’ ny Tompo ary nasesiny hatrany ny 282
fangatahany teo amin’ ny rako-panavotana, dia ho nanana fanan-dramana sarobidy lavitra noho izay ananany ankehitriny izy. Kely loatra ny fivavahana atao, kely loatra ny tena fahatsapana ny mahampanota ary ny tsy fisian’ ny finoana velona dia hahatonga ny maro tsy hanana ny fahasoavana be dia be izay azon’ Ilay Mpanavotra omen a. Nikasa hisedra ny vahoakany Andriamanitra. Nosaronan’ ny tanany ny fahadisoana mikasika ny fe-potoana ao amin’ ny faminaniana. Tsy hitan’ ireo Advantista ilay hadisoana, ary tsy hitan’ ireo manam-pahaizana indrindra tamin’ ny mpanohitra azy koa. Izao no nolazain-drizareo : «Marina ny fanazavanareo ireo fe-potoana ao amin’ ny faminaniana. Misy zava-dehibe madiva hitranga: fa tsy izay ambaran’ i Miller mialoha tsy akory: ny fiovampon’ izao tontolo izao izany, fa tsy ny fiavian’ i Kristy fanindroany» (Jereo Fanampiny). Lasa ny fotoana niandrasana, nefa tsy niseho i Kristy hanafaka ny vahoakany. Tratrý ny fahadisoam-panantenana mangidy ireo izay niandry ny Mpamonjiny tamim-pinoana marina sy tamimpitiavana. Nefa tanteraka izay nokasain’ Andriamanitra; nisedra ny fon’ ireo izay nilaza ny tenany fa niandry ny fisehoany izy. Maro tamin’ ireo no tsy nentanin-javatra hafa afa-tsy ny tahotra ihany. Tsy nandaitra na tamin’ ny fony na tamin’ ny fiainany ny fanekeny ny finoana. Rehefa tsy tonga ny toe-javatra nandrasany, dia nilaza ireo olona ireo fa tsy diso fanantenana izy tsy akory ; tsy nino mihitsy izy fa ho avy i Kristy. Anisan’ ny voalohany nanaraby ny alahelon’ ireo mpino marina izy ireo. Fa i Jesosy kosa sy ireo tafiky ny lanitra manontolo dia nijery tamim-pitiavana sy fangorahana ireo nosedraina sy nijanona ho mahatoky nefa diso fanantenana. Raha nakipaka ny efitra lamba mampisaraka izao tontolo izao hita maso sy ny tsy hita maso, dia ho hita ireo anjely nanatona akaiky ireo fanahy nijoro ka niaro azy tsy ho tratry ny zana-tsipikan’ i Satana. 283
- Page 239 and 240: fahamaizinana izao. Nivory hivavaka
- Page 241 and 242: Nilaina ny namohazana ny olona haha
- Page 243 and 244: Tamin’ ny fotoana niavian’ i Kr
- Page 245 and 246: tamin’ ireo mpitarika ny vahoaka
- Page 247 and 248: izy efatra ambinitelopolo taona ane
- Page 249 and 250: Noraisiny ny fomba nahatanterahan
- Page 251 and 252: Koa noho izany rehefa nandinika ny
- Page 253 and 254: i Jerosalema ny fitopolo herinandro
- Page 255 and 256: 27 T.K. = Ny Batisan'i Jesosy Krist
- Page 257 and 258: Raha nanomboka nandinika ny Soratra
- Page 259 and 260: Saika isan-tanàna dia nisy olona a
- Page 261 and 262: Countryman», Portland Evening Adve
- Page 263 and 264: tamin’ ny toetra tsizarizary ho s
- Page 265 and 266: nampiakarina niala taminareo ho any
- Page 267 and 268: haizina ny hanafenana amin’ ny ol
- Page 269 and 270: Na dia tsy nomena ny mpaminany aza
- Page 271 and 272: ny fanjakam-pahasoavana sy ny fanja
- Page 273 and 274: toky azo antoka, ny finoana tsy voa
- Page 275 and 276: Ireo izay nitory io hafatra fampita
- Page 277 and 278: Toko 20—Fifohazana Lehibe Ara- pi
- Page 279 and 280: Kristy no Zanak’ Andriamanitra».
- Page 281 and 282: dikany; ary ny hoe miakatra ho eo a
- Page 283 and 284: Tany Alemaina, dia efa tamin’ ny
- Page 285 and 286: hoy izy, «dia toy ny milaza amin
- Page 287 and 288: samihafa ny hafatra dia namohafoha
- Page 289: aza, afa-tsy ny Ray ihany» 3. Nisy
- Page 293 and 294: ary niara-dalana tamin’ izany dia
- Page 295 and 296: amin’ ny hery manimba miasa mangi
- Page 297 and 298: nijangajanga noho ny lazanao». «K
- Page 299 and 300: ny tsy finoana mahameloka, izay mbo
- Page 301 and 302: ny amin’ ny tena fiainany, sady m
- Page 303 and 304: arapanahy ny fiangonana tamin’ iz
- Page 305 and 306: Nisy koa fizarana tamin’ ny famin
- Page 307 and 308: mpanota no voaova fo, ary nisy olon
- Page 309 and 310: mpamitaka tao amin’ ny fiangonana
- Page 311 and 312: 27 T.K. = Ny Batisan'i Jesosy Krist
- Page 313 and 314: Ao amin’ ny fanoharana ao amin’
- Page 315 and 316: lehibe sy tsy hay ambara. Nampalefa
- Page 317 and 318: Andriamanitra izany. Tsy sailin’
- Page 319 and 320: famantarana manambara fa akaiky ny
- Page 321 and 322: Raha araka ny fanisana, dia nazava
- Page 323 and 324: Aseho eto ny fitoerana masin’ ny
- Page 325 and 326: hipetraka sy hanapaka ny eo amin’
- Page 327 and 328: Ireo fanompoam-pivavahana roa ireo
- Page 329 and 330: faran’ ny taona, dia toy izany ko
- Page 331 and 332: tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ar
- Page 333 and 334: voatondro dia tonga ny Mpampakatra,
- Page 335 and 336: kosa ny manaraka. Mbola nisy varava
- Page 337 and 338: Toko 25—Ny Lalàn’ Andriamanitr
- Page 339 and 340: ny fizarana famaranana ny asa famon
ny andron’ i Kristy, dia maro no nandà tsy hiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, sady

nisakana ireo izay hiditra ao. Hotakina amin’ izy ireo ny ran’ ireny fanahy ireny.

Matetika dia ny ambany indrindra sy ny tia vavaka indrindra tao amin’ ny fiangonana no

voalohany nandray ny hafatra. Ireo izay nandinika ny Baiboly ho an’ ny tenany dia tsy afaka

ny tsy hahita fa tsy araka ny Soratra Masina ny fomba fijerin’ ny besinimaro ny

faminaniana; koa na taiza na taiza ny vahoaka no tsy voafehin’ ny hery miasa mangina avy

amin’ ny mpitondra fivavahana, na taiza na taiza no nandinika ny tenin’ Andriamanitra ho

an’ ny tenany izy, dia ampy ny nampitahana fotsiny tamin’ ny Soratra Masina ny fampianarana

momba ny fiavian’ i Kristy mba hampijoro ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy.

Betsaka no nenjehin’ ireo rahalahy tsy nino. Mba hahazoany mitana ny toerany tao

amin’ ny fiangonana, dia nisy nanaiky ny hangina mikasika ny fanantenany; ny hafa kosa

anefa nahatsapa fa mandrara azy tsy hanafina toy izany ireo fahamarinana izay efa nankinin’

Andriamanitra taminy ny fijoroany ho mahatoky aminy. Tsy vitsy no naongan’ ny

fiangonany ary tsy inona no an tony fa noho izy nanambara ny finoany ny fiavian’ i Kristy.

Sarobidy loatra ho an’ ireo izay niaritra izany fitsapana izany ny tenin’ ny mpaminany hoe :

«Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny

anarako : hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, mba ho faly mahita ny fifalianareo

izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa» 5.

Liana dia liana tokoa ireo anjelin’ Andriamanitra niandry izay ho vokatry ny hafatra

fampitandremana. Rehefa fandavana ankapobe ny hafatra no hita teo amin’ ny fiangonana,

dia niverina tamin’ alahelo ny anjely. Maro anefa no tsy mbola voasedra momba ny

fahamarinana mikasika ny fiavian’ i Kristy. Betsaka no voatanky ny lahy na ny vavy, na ny

ray aman-dreny, na ny zanany ho amin’ ny lalan-diso ka nino fa fahotana na dia ny mihaino

fotsiny ny «herezia» araka izay nampianarin’ ireo Advantista aza. Voabaiko ny anjely

hiambina tsara ireo fanahy ireo, satria mbola hisy fahazavana hafa hamirapiratra eo aminy

avy eo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Tamim-paniriana niredareda tokoa no

niandrasan’ ireo izay nandray ny hafatra ny fiavian’ ny Mpamonjy. Efa akaiky ilay fotoana

nantenainy hihaonana Aminy. Tamim-pahatoniana feno fanajana no nanatonany an’ io ora

io. Nitoetra teo amin’ ny firaisana mamy tamin’ Andriamanitra izy, santatry ny fiadanana ho

azy izany amin’ ny ho avy mamirapiratra. Tsy nisy izay nanandrana izany fanantenana sy

toky izany ho afaka hanadino ireo ora sarobidy niandrasany. Nandritra ny herinandro

vitsivitsy talohan’ ny fotoana, dia najanony ny ankabeazan’ ny asa aman-draharaha momba

an’ izao fiainana izao. Ireo mpino marina dia nandinika akaiky ny eritreriny sy ny

fihetseham-pony rehetra toy ny olona efa ambavahaona ary ora vitsy sisa tsy hikimpian’ ny

masony tsy hahita intsony ny eto an-tany. Tsy nisy fanaovana «akanjo ho enti-miakatra»

(Jereo Fanampiny) ; fa tsapan’ ny rehetra kosa ny nilany porofo anaty fa vonona ny hihaona

amin’ ny Mpamonjy izy; ny fahadiovan’ ny fanahy, toetra amam-panahy voasasan’ ny

fanavotan’ i Kristy, no fitafiany fotsy. Enga anie ka mbola hisy eo amin’ ny vahoakan’

Andriamanitra io fandinihana lalina ny fo io, io finoana mafana sy vonombonona io. Raha

notohizany toy izany ny fanetreny tena teo anatrehan’ ny Tompo ary nasesiny hatrany ny

282