Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

fotsiny io (rationalisme) izay nanerana an’ i Eoropa manontolo nandritra ny tapany faran’ ny taonjato fahavalo ambin’ ny folo sy ny fiantombohan’ ny taonjato fahasivy ambin’ ny folo ; ary raha niditra ho mpitandrina izy, dia tsy vitan’ ny hoe tsy nahalala ny tena finoana marina ihany, fa nirona koa ho amin’ ny fisalasalana momba ny finoana. Teo amin’ ny fahatanorany, dia efa nahaliana azy ny fandinihana ny faminaniana. Rehefa avy namaky ny «Tantaran’ ny Fahiny» nosoratan’ i Rollin izy, dia voasarika ho amin’ ny Daniela toko faharoa ny sainy, ary nanaitra azy mafy ny nahita fa ny faminaniana dia tanteraka marina tsy nisy nilao, araka ny hita ao amin’ ny soratra nataon’ ny mpanao tantara. Vavolombelon’ ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Soratra Masina izany, izay toy ny vatofantsika ho azy teo anivon’ ny loza namely tamin’ ireo taona taty aoriana. Tsy nety afa-po tamin’ ny fampianarana tsy niankina afa-tsy tamin’ ny sain’ olombelona izy, ka noho ny fianarany ny Baiboly, sy ny fikatsahany fahazavana mahiratra kokoa dia voatarika teo amin’ ny finoana marina izy, nony afaka fotoana fohy. Raha nanohy ny fanadihadiana nataony momba ny faminaniana izy dia tonga tamin’ ny finoana fa efa akaiky ny fiavian’ ny Tompo. Latsaka lalina tao am-pony ny maha-zavamiezinezina sy mahamavesa-danja io fahamarinana lehibe io, ka niriny ny hitondra izany eo anatrehan’ ny vahoaka; kanefa tena vato nisakana teo amin’ ny diany ny finoan’ ny vahoaka fa zava-miafina tsy takatry ny saina ireo faminanian’ i Daniela. Nony farany dia tapa-kevitra izy — tahaka ny efa nataon’ i Farel talohany tamin’ ny nitoriny ny filazantsara tao Genève — fa hanomboka amin’ ny ankizy izy izay nantenainy fa hahazoany misarika ny ray amandreny. «Tiako raha mazava tsara», hoy izy taty aoriana, raha nilaza ny amin’ izay nokendreny tamin’ io ezaka io izy, «tsy noho ny mahazava-bitika io hafatra io akory, fa noho izy sarobidy indrindra, no naniriako ny haneho izany amin’ ny endrika mahazatra, sy nanambarako azy tamin’ ny ankizy. Niriko ny hihainoana ahy ary natahotra aho fandrao tsy misy mpihaino ahy raha tàhiny ka ny olon-dehibe aloha no nohatoniko voalohany». «Noho izany dia nanapa-kevitra hanatona ny zandriny indrindra aho. Nanangona ankizy aho, raha nitombo isa izy ireo, raha hita fa mihaino izy, raha finaritra sy liana izy, raha azony sy hainy hazavaina izany, dia azo antoka fa vetivety dia hisy andian’ olona faharoa indray hihaino, ary ho anjaran’ ny lehibe ny mahita fa mety koa ny hipetrahany sy hianarany. Rehefa tanteraka izany, dia azo ny fandresena». — L. Gaussen, Daniel le prophète, vol. II, Avertissement, p.XI, XII. Nahomby ny ezaka nataony. Raha niteny tamin’ ny ankizy izy dia tonga nihaino ny olon-dehibe. Feno mpihaino nanongilan-tsofina ny rihan’ ny fiangonana. Anisan’ ireny dia nisy olona ambony sy manam-pahaizana, nisy vahiny sy olona hafa firenena tonga nitsidika an’ i Genève ka dia toy izany no nampielezana ny hafajra ho amin’ ny faritra hafa. Nahazoan’ i Gaussen fampaherezana ny fahombiazany, ka nataony printy ny lesony ary nanantena izy fa hampandroso ny fandinihana ireo boky momba ny faminaniana ao amin’ ny fiangonana miteny frantsay izany. «Ny mamoaka fampianarana natao ho an’ ny ankizy», 276

hoy izy, «dia toy ny milaza amin’ ny olon-dehibe izay matetika tsy miraharaha ny boky toy ireny noho ny fiheverana diso fa maizina hono ireny», dia toy ny milaza aminy hoe : Ahoana ary ny maha-maizina azy, raha azon’ ny zanakareo». «Manana faniriana lehibe aho», hoy indray izy, «dia ny hahatonga ny fahalalana ny faminaniana hankafizin’ ny maro eo amin’ ireo andian’ ondrintsika, raha azo atao». «Tsy misy, araka ny hevitro fianarana hafa izay hifanentana kokoa amin’ izay ilain’ ny androntsika noho io». «lo no hanampy antsika hiomana ho amin’ ny fahoriana lehibe izay efa manakaiky, sy hahatonga antsika hiambina sy hiandry an’ i Jesosy Kristy». Na dia anisan’ ny nalaza sy nankasitrahana indrindra tamin’ ireo mpitory tamin’ ny teny frantsay aza i Gaussen, dia nesorina tamin’ ny fitandremana izy rehefa afaka fotoana kely, ny antony lehibe indrindra niampangana azy dia satria tsy nampiasa ny fotopianaran’ ny fiangonana, izay boky maivamaivana sady nankinina tamin’ izay tratry ny sain’ ny olona ihany, saiky tsy nahitana ventin-javatra ara-pinoana izy, raha nampianatra ny tanora, fa ny Baiboly no nampiasany. Taty aoriana dia tonga mpampianatra tao amin’ ny sekoly fianarana teolojia izy, ary rehefa Alahady dia notohizany rhany ny asany naha-mpampianatra fotopianarana azy, ka dia niteny tamin’ ny zaza sy nampianatra azy ny Soratra Masina izy. Nahaliana fatratra koa izay nosoratany momba ny faminaniana. Tamin’ ny naha-profesora azy, tamin’ ny alalan’ ny gazety sy tamin’ ilay asa tiany indrindra, dia ny mampianatra ny ankizy no nanohizany nandritra ny taona maro tamin’ ny fomba mangina ny asany izay nitatra hatrany ary nahatonga azy ho fiasana manintona ny sain’ ny maro ho amin’ ny fandinihana ny faminaniana izay naneho fa akaiky ny fiavian’ ny Tompo. Tany Scandinavia koa dia notorina ny hafatra momba ny fiavian’i Kristy ary nitatra hatraiza hatraiza ny fahalianana momba izany. Betsaka no nifoha avy tamin’ ny toky foana nianteheramy ka niaiky ny fahotany sy niala taminy ary nitady famelan-keloka tamin’ ny anaran’ i Kristy. Nanohitra izany fihetsehana izany anefa ireo mpitondra fivavahana tao amin’ ny fiangonam-panjakana, ka noho ny nataon’ izy ireo dia nisy naiditra am-ponja ny sasany tamin’ ireo nitory ny hafatra. Tamin’ ny toerana maro izay nampanginana an’ ireo mpitory ny fiavian’ ny Tompo tsy ho ela, dia sitrak’ Andriamanitra ny nandefa ny hafatra tamin’ ny fomba mahagaga, tamin’ ny alalan’ ny ankizy madinika. Satria mbola tsy ampy taona izy ireo, dia tsy nanan-kery hisakana azy ny lalàm-panjakana, ka dia navela hiteny tsy voasakantsakana izy ireo. Tao amin’ ny antokon’ olona ambanimbany no tena nisy io fihetsehana io, ary ny trano tsotsotran’ ny mpiasa no nivorian’ ny olona hihaino ny hafatra fampitandremana. Ireo zaza mpitoriteny koa dia tantsaha mahantra ny ankabeazany. Nisy tamin’ izy ireny tsy nihoatra ny enin-taona na valo taona; ny fiainany dia vavolombelona fa tia ny Mpamonjy izy, sady niezaka hivelona tamin’ ny fankatoavana ny fitakiana masina avy amin’ Andriamanitra, ary fahendrena sy fahaizana fahita eo amin’ ny zaza mitovy taona aminy no nasehony teo amin’ ny andavanandro. Fa rehefa teo anatrehan’ ny vahoaka kosa izy, dia nibaribary fa hery ambonin’ ny talenta nananany no nanetsika azy. Niova ny feony sy ny fihetsiny ary taminkery mahalasa eritreritra no nanomezany ny hafatra fampitandremana momba ny fitsarana, 277

hoy izy, «dia toy ny milaza amin’ ny olon-dehibe izay matetika tsy miraharaha ny boky toy

ireny noho ny fiheverana diso fa maizina hono ireny», dia toy ny milaza aminy hoe :

Ahoana ary ny maha-maizina azy, raha azon’ ny zanakareo». «Manana faniriana lehibe

aho», hoy indray izy, «dia ny hahatonga ny fahalalana ny faminaniana hankafizin’ ny maro

eo amin’ ireo andian’ ondrintsika, raha azo atao». «Tsy misy, araka ny hevitro fianarana

hafa izay hifanentana kokoa amin’ izay ilain’ ny androntsika noho io». «lo no hanampy

antsika hiomana ho amin’ ny fahoriana lehibe izay efa manakaiky, sy hahatonga antsika

hiambina sy hiandry an’ i Jesosy Kristy».

Na dia anisan’ ny nalaza sy nankasitrahana indrindra tamin’ ireo mpitory tamin’ ny teny

frantsay aza i Gaussen, dia nesorina tamin’ ny fitandremana izy rehefa afaka fotoana kely,

ny antony lehibe indrindra niampangana azy dia satria tsy nampiasa ny fotopianaran’ ny

fiangonana, izay boky maivamaivana sady nankinina tamin’ izay tratry ny sain’ ny olona

ihany, saiky tsy nahitana ventin-javatra ara-pinoana izy, raha nampianatra ny tanora, fa ny

Baiboly no nampiasany. Taty aoriana dia tonga mpampianatra tao amin’ ny sekoly fianarana

teolojia izy, ary rehefa Alahady dia notohizany rhany ny asany naha-mpampianatra

fotopianarana azy, ka dia niteny tamin’ ny zaza sy nampianatra azy ny Soratra Masina izy.

Nahaliana fatratra koa izay nosoratany momba ny faminaniana. Tamin’ ny naha-profesora

azy, tamin’ ny alalan’ ny gazety sy tamin’ ilay asa tiany indrindra, dia ny mampianatra ny

ankizy no nanohizany nandritra ny taona maro tamin’ ny fomba mangina ny asany izay

nitatra hatrany ary nahatonga azy ho fiasana manintona ny sain’ ny maro ho amin’ ny

fandinihana ny faminaniana izay naneho fa akaiky ny fiavian’ ny Tompo.

Tany Scandinavia koa dia notorina ny hafatra momba ny fiavian’i Kristy ary nitatra

hatraiza hatraiza ny fahalianana momba izany. Betsaka no nifoha avy tamin’ ny toky foana

nianteheramy ka niaiky ny fahotany sy niala taminy ary nitady famelan-keloka tamin’ ny

anaran’ i Kristy. Nanohitra izany fihetsehana izany anefa ireo mpitondra fivavahana tao

amin’ ny fiangonam-panjakana, ka noho ny nataon’ izy ireo dia nisy naiditra am-ponja ny

sasany tamin’ ireo nitory ny hafatra. Tamin’ ny toerana maro izay nampanginana an’ ireo

mpitory ny fiavian’ ny Tompo tsy ho ela, dia sitrak’ Andriamanitra ny nandefa ny hafatra

tamin’ ny fomba mahagaga, tamin’ ny alalan’ ny ankizy madinika. Satria mbola tsy ampy

taona izy ireo, dia tsy nanan-kery hisakana azy ny lalàm-panjakana, ka dia navela hiteny tsy

voasakantsakana izy ireo.

Tao amin’ ny antokon’ olona ambanimbany no tena nisy io fihetsehana io, ary ny trano

tsotsotran’ ny mpiasa no nivorian’ ny olona hihaino ny hafatra fampitandremana. Ireo zaza

mpitoriteny koa dia tantsaha mahantra ny ankabeazany. Nisy tamin’ izy ireny tsy nihoatra

ny enin-taona na valo taona; ny fiainany dia vavolombelona fa tia ny Mpamonjy izy, sady

niezaka hivelona tamin’ ny fankatoavana ny fitakiana masina avy amin’ Andriamanitra, ary

fahendrena sy fahaizana fahita eo amin’ ny zaza mitovy taona aminy no nasehony teo amin’

ny andavanandro. Fa rehefa teo anatrehan’ ny vahoaka kosa izy, dia nibaribary fa hery

ambonin’ ny talenta nananany no nanetsika azy. Niova ny feony sy ny fihetsiny ary taminkery

mahalasa eritreritra no nanomezany ny hafatra fampitandremana momba ny fitsarana,

277

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!