Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

and Missionary Labours, p. 62) «ary hitsangana eo amin’ ny tendrombohitra Oliva Izy; ary ilay fanapahana izay napetraka fahiny tamin’ i Adama tamin’ ny famoronana, kanefa veriny (Genesisy 1: 26 ; 3 : 17, dia homena an’ i Jesosy. Hanjaka amin’ ny tany manontolo Izy. Hitsahatra ny fitolokoana sy ny fitarainan’ izao ary rehetra izao fa hiram-piderana sy fisaorana no ho re. . . Rehefa ho avy i Jesosy amin’ ny voninahitry ny Rainy, miaraka amin’ ny anjeliny masina. . . dia hitsangana aloha ireo mpino maty (ITesaloniana 4 : 16 ; 1 Korintiana 15 : 23. Io no ataontsika Kristiana hoe fitsanganana voalohany. Amin’ izay dia hovana toetra ny biby (Isaia 11 : 6-9) ka hofehezin’ i Jesosy. (Sal. 8). Hanjaka eran-tany ny fiadanana». Journal of the Rev. Joseph Wolff, p. 378, 379. Hibanjina ny tany indray ny Tompo ka hiteny hoe : «Indro tsara indrindra izany».Ibid, p. 294 Nino i Wolff fa akaiky ny fiavian’ ny Tompo; ny fanazavany ireo fe-potoana arapaminaniana momba ny hahatanterahan’ ilay famaranana lehibe ny zavatra rehetra dia taona vitsy monja no nahasamihafa azy tamin’ izay voatondron’. i Miller. Ireo izay nanantitrantitra araka ny voalazan’ ny Soratra Masina «fa ny amin’ ny andro sy ora dia tsy misy mahalala», mba hilazana fa tsy azo fantarina na oviana na oviana ny amin’ ny fahantomoran’ ny fiavian’ i Kristy, dia novalian’ i Wolff hoe : «Moa ve ny Tompo nilaza fa tsy ho fantatra mihitsy io andro sy ora io? Moa ve tsy nanome antsika famantarana momba ny fotoan’ andro mba hahazoantsika mahalala fara-fahakeliny ny fahakekezan’ ny fiaviany, tahaka ny ahafantarana ny fahantomoran’ ny lohataona rehefa «manaroka ny rantsan’ ny aviavy ka mandravina izy ?» Mat. 24 : 32. Tsy ho fantatsika mihitsy ve io fotoana io nefa Izy Tenany mihitsy no namporisika antsika, tsy ny hamaky ny bokin’ i Daniela mpaminany fotsiny, fa ny hahatakatra ny heviny koa ? Ary ao amin’ io bokin’ i Daniela io indrindra no voalaza fa nahorona ny teny hatramin’ ny andro farany (tsy andro farany tamin’ ny androny), nefa ambara koa fa «maro no hazoto mandinika» (teny hebreo izay milaza fandinihana sy famakafakana momba ny fotoan’ andro), ary «hitornbo ny fahalalana» (momba ny fotoan’ andro), Daniela 12:4. Ankoatr’ izany, dia tsy nokasain’ ny Tompo ny hilaza fa tsy ho fantatra ny fahantomoran’ ny fotoana, fa ny andro sy ny ora marina no tsy ho fantatry ny olona. «Ampy ireo famantarana ny fotoan’ andro hoy izy. mba ho famporisihana antsika niomana ho amin’ ny fiaviany, tahaka an’ i Noa nanomana ny sambo fiara».Wolff, Researches and Missionary Labours, p. 404, 405. Mikasika ireo fomba neken’ ny besinimaro ny amin’ ny famoahana ny hevitry ny Soratra Masina, na ny mety na ny tsy mety, dia izao no nosoratan’ i Wolff : «Ny ankabeazan’ ny fiangonana Kristiana dia nivily niala tamin’ ny hevitry ny Soratra Masina mazava, ka nitodika ho amin’ ny fomba fanazavan’ ny Bodista * izay mirona ho amin’ ny zavatra mialoalo toa avelo ka mino fa ny ho fahasambaran’ ny olombelona amin’ ny ho avy dia ny hanidintsidina eny amin’ ny rivotra, ary mihevitra fa rehefa mamaky hoe «Jiosy» izy dia «Jentilisa» no andraisany izany, ary rehefa mamaky hoe «Jerosalema», dia tsy maintsy «fiangonana» no andraisany izany; ary raha «tany» no voalaza, dia «lanitra» no dikany; ary momba ny fiavian’ ny «Tompo» dia fandrosoan’ ireo «fikambanana mandefa misionera» no 272

dikany; ary ny hoe miakatra ho eo amin’ ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia midika ho «fivoriamben’ ny Methodista». Journal of the Rev.Joseph Wolff, p. 96 Nandritra ny efatra ambiniroapolo taona, hatramin’ ny 1821 ka hatramin’ ny 1845, dia nitety tany betsaka i Wolff: tany Afrika dia nitsidika an’ i Egypta sy Etiopia izy; tany Azia dia nitety an’ i Palestina, Syria, Persia, Bokhara sy India. Nitsidika an’ i Etazonia koa izy, ary nandritra ny diany nankany dia nitory tao amin’ ny Nosy «Sainte-Hélène». Tonga tany New-York izy tamin’ ny volana Aogositra, 1837; ary rehefa avy nandaha-teny tao amin’ io tanàna io, dia lasa koa nitory tany Philadelphia sy Baltimore, ary farany dia niroso nankany Washington. «Tao» hoy izy, «noho ny hevitra noroson’ ilay Filoha teo aloha, John Quincy Adams, tao amin’ ny vaomiera iray nisy teo amin’ ny Antenimieram-pirenena, dia lanin’ ny besinimaro fa azoko ampiasaina ny efitra malalaky ny Antenimiera mba hanaovako famelabelarana izay nataoko tamin’ ny Asabotsy indray mandeha ary natrehin’ ny mambra rehetra tao amin’ ny Antenimiera sy ny Evekan’ i Virginia, ary ireo mpitondra fivavahana sy mponina tao Washington. Ireo mambran’ ny fitondram-panjakana tany New Jersey sy tany Pennsylvanie koa dia nanome ahy izany voninahitra izany, ary teo anatrehan’ izy ireo no nanaovako famelabelarana mikasika ireo fikarohana nataoko tany Azia, sy ny amin’ ny fanjakan’ i Jesosy Kristy hita maso, Ibid, p. 398, 399. Nitety tany izay tena mbola dia i Dr Wolff, tsy nanana ny fiarovan’ ny manampahefana avy tany Eoropa izy tamin’ izany ary niaritra zava-tsarotra be dia be sy nohodidinin-doza maro tsy tambo isaina. Nokapohina izy sy tsy nomen-kanina, namidy ho andevo, ary intelo no voaheloka ho faty. Norobain’ ny mpangalatra izy ary indraindray dia efa saiky matinketaheta. Indray mandeha dia nombotana teny aminy avokoa izay rehetra nananany ka navela handeha tsy mikiraro tamin’ ny lalana kilaometatra anjatony nitety tendrombohitra izy, ny ranomandry amin’ izay nifafy eny amin’ ny endriny ary ny tongony nihanjaka ngoly noho ny tany voritondranomandry. Rehefa nampitandremana izy tsy handeha tsy mitondra fiadiana any amin’ ireo foko mbola dia sady fahavalo, dia nilaza fa «efa nitao fiadiana» dia «ny fivavahana, ny hafanampo ho an’ i Kristy, sy ny fahatokiana ny fanampiany». «Ato am-poko koa ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namana, ary ety an-tanako ny Baiboly». — W H. D. Adams, In Perils Oft, p. 198. Nentiny niaraka taminy na taiza na taiza nalehany ny Baiboly tamin’ ny teny Hebreo sy tamin’ ny teny Anglisy. Tamin’ ny dia nataony tatý aoriana dia hoy izy hoe : «Navelako hisokatra teo an-tanako ny Baiboly. Tsapako fa tao amin’ io Boky io ny heriko, ka afaka hanohana ahy izany». —Ibid, p. 201 Toy izany no nanohizany ny asany mandra-pahatonga ny hafatra momba ny fitsarana hanerana ny ankabeazan’ ny faritra misy ny olona eto an-tany. Tamin’ ny Jiosy, ny Tiorka, ny Parsi, ny Hindo, sy firenena aman-karazana maro samihafa no nizarany ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny teny samihafa ary hatraiza hatraiza dia notoriny ny fahantomoran’ ny fanjakan’ ny Mesia. 273

dikany; ary ny hoe miakatra ho eo amin’ ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia

midika ho «fivoriamben’ ny Methodista». Journal of the Rev.Joseph Wolff, p. 96

Nandritra ny efatra ambiniroapolo taona, hatramin’ ny 1821 ka hatramin’ ny 1845, dia

nitety tany betsaka i Wolff: tany Afrika dia nitsidika an’ i Egypta sy Etiopia izy; tany Azia

dia nitety an’ i Palestina, Syria, Persia, Bokhara sy India. Nitsidika an’ i Etazonia koa izy,

ary nandritra ny diany nankany dia nitory tao amin’ ny Nosy «Sainte-Hélène». Tonga tany

New-York izy tamin’ ny volana Aogositra, 1837; ary rehefa avy nandaha-teny tao amin’ io

tanàna io, dia lasa koa nitory tany Philadelphia sy Baltimore, ary farany dia niroso nankany

Washington. «Tao» hoy izy, «noho ny hevitra noroson’ ilay Filoha teo aloha, John Quincy

Adams, tao amin’ ny vaomiera iray nisy teo amin’ ny Antenimieram-pirenena, dia lanin’ ny

besinimaro fa azoko ampiasaina ny efitra malalaky ny Antenimiera mba hanaovako

famelabelarana izay nataoko tamin’ ny Asabotsy indray mandeha ary natrehin’ ny mambra

rehetra tao amin’ ny Antenimiera sy ny Evekan’ i Virginia, ary ireo mpitondra fivavahana

sy mponina tao Washington. Ireo mambran’ ny fitondram-panjakana tany New Jersey sy

tany Pennsylvanie koa dia nanome ahy izany voninahitra izany, ary teo anatrehan’ izy ireo

no nanaovako famelabelarana mikasika ireo fikarohana nataoko tany Azia, sy ny amin’ ny

fanjakan’ i Jesosy Kristy hita maso, Ibid, p. 398, 399.

Nitety tany izay tena mbola dia i Dr Wolff, tsy nanana ny fiarovan’ ny manampahefana

avy tany Eoropa izy tamin’ izany ary niaritra zava-tsarotra be dia be sy nohodidinin-doza

maro tsy tambo isaina. Nokapohina izy sy tsy nomen-kanina, namidy ho andevo, ary intelo

no voaheloka ho faty. Norobain’ ny mpangalatra izy ary indraindray dia efa saiky matinketaheta.

Indray mandeha dia nombotana teny aminy avokoa izay rehetra nananany ka

navela handeha tsy mikiraro tamin’ ny lalana kilaometatra anjatony nitety tendrombohitra

izy, ny ranomandry amin’ izay nifafy eny amin’ ny endriny ary ny tongony nihanjaka ngoly

noho ny tany voritondranomandry.

Rehefa nampitandremana izy tsy handeha tsy mitondra fiadiana any amin’ ireo foko

mbola dia sady fahavalo, dia nilaza fa «efa nitao fiadiana» dia «ny fivavahana, ny hafanampo

ho an’ i Kristy, sy ny fahatokiana ny fanampiany». «Ato am-poko koa ny fitiavana an’

Andriamanitra sy ny namana, ary ety an-tanako ny Baiboly». — W H. D. Adams, In Perils

Oft, p. 198. Nentiny niaraka taminy na taiza na taiza nalehany ny Baiboly tamin’ ny teny

Hebreo sy tamin’ ny teny Anglisy. Tamin’ ny dia nataony tatý aoriana dia hoy izy hoe :

«Navelako hisokatra teo an-tanako ny Baiboly. Tsapako fa tao amin’ io Boky io ny heriko,

ka afaka hanohana ahy izany». —Ibid, p. 201

Toy izany no nanohizany ny asany mandra-pahatonga ny hafatra momba ny fitsarana

hanerana ny ankabeazan’ ny faritra misy ny olona eto an-tany. Tamin’ ny Jiosy, ny Tiorka,

ny Parsi, ny Hindo, sy firenena aman-karazana maro samihafa no nizarany ny tenin’ Andriamanitra

tamin’ ny teny samihafa ary hatraiza hatraiza dia notoriny ny fahantomoran’ ny

fanjakan’ ny Mesia.

273

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!