Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Ireo izay mibanjina ireo famantarana mpialoha lalana ny amin’ ny fiaviany dia mahalala fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. «Koa miambena ianareo» 49 hoy ny teny fananarany. Ireo izay mitandrina ny hafatrafatra dia tsy havela ao amin’ ny haizina, ka ho tonga aminy tampoka izany andro izany. Fa ho an’ ireo izay tsy miambina kosa, «dia ho avy tahaka ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo» 50. Tsy vonona hino ny hafatra amin’ izao fotoana izao tahaka ny Jiosy tsy vonona handray ny fananarana mikasika an’ i Jerosalama izao tontolo izao. Na rahoviana na rahoviana no ahatongavan’ ny andron’ Andriamanitra dia tsy ho vonona ny ratsy fanahy. Rehefa mitohy misosa amin’ ny fizotrany andavanandro ny fiainana; rehefa variana amin’ ny fahafinaretana amin’ ny asa aman-draharaha, amin’ ny varotra, amin’ ny fitadiavam-bola; rehefa manandratra ny fandrosoana ataon’ izao tontolo izao sy ny fahazavana eo aminy ireo mpitondra fivavahana, ary voarotsirotsin’ ny antoka sandoka ny olona, amin’ izay, tahaka ny mpangalatra amin’ ny misasak’ alina tonga hangalatra amin’ ny trano tsy voambina, dia ho tampoka toy izany koa no hiavian’ ny fandravana amin’ ireo izay manao an-tsirambina sy amin’ ny ratsy fanahy, «ka tsy ho afa-mandositra izy»51. 20

Toko 2—Ny Afon' ny Fanenjehana Fony Jesosy nanambara tamin’ ny mpianany izay hanjo an’ i Jerosalema sy ireo toejavatra hiseho amin’ ny fiaviany fanindroany, dia nolazainy mialoha koa ny fanandramana hataon’ ny vahoakany, hatramin’ ny fotoana hanalana Azy tsy ho eo amin’ izy ireo, ka hatramin’ ny fiverenany amin-kery sy voninahitra hanafàka azy. Ary teo amin’ ny tendrombohitra Oliva ny Mpamonjy no nitazana ireo tafiotra efa hianjady amin’ ny fiangonana apostolika ; ary raha niditra lalindalina kokoa any amin’ ny ho avy ny masony, dia hitany ireo rivo-doza masiaka sy manimba izay hamely ny mpanaraka Azy amin’ ireo andro ho avy feno haizina sy fanenjehana. Teny fohy misy dikany mampahatahotra no nilazany ny anjara izay haroson’ ireo mpitondra an’ izao tontolo izao ho an’ ny fiangonan’ Andriamanitra.1 Tsy maintsy handeha amin’ ilay lalana feno fanetren-tena, faninitsiniana sy fahoriana izay nandehanan’ ny Tompo koa ireo mpianany. Ny fandrafiana izay niharihary fa namelezana ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao, dia haseho indray hamelezana izay rehetra hino ny anarany. Vavolombelon’ ny fahatanterahan’ ny tenin’ ny Mpamonjy ny tantaran’ ny fiangonana voalohany. Niray hina ireo herin’ ny tany sy ny helo mba hanohitra an’ i Kristy ao amin’ ny tenan’ ireo mpanaraka Azy. Tazan’ ny fivavahana jentilisa mialoha fa raha mandresy ny filazantsara, dia ho voarodana ny tempoliny sy ny alitarany ; noho izany dia navondrony ny heriny mba handevonana ny finoana kristiana. Nirehitra ny afon’ ny fanenjehana. . . Nendahina tamin’ ny kristiana ny fananany, ary noroahina tsy ho ao an-tokantranony izy. Niaritra «ny ady mafy tamin’ ny fahoriana»2 izy. «Niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa»3 izy. Betsaka no nanamafy ny vavolombelona nataony tamin’ ny ra. Na andriana na andevo, na» manankarena na mahantra, na nahita fianarana na tsy nianatra, dia samy novonoina tsy nisy indrafo avokoa. Ireo fanenjehana ireo, izay nanomboka tamin’ ny nanjakan’ i Néron, tokony ho tamin’ ny fotoana naha-maritiora an’ i Paoly, dia nitohy, nihamafy na nihanalefaka, nandritra ny taonjato maro. Noendrikendrehina ho nanao ny heloka bevava mahatsiravina indrindra ny kristiana, ary nolazaina fa nahatonga ny antambo lehibe, dia ny mosary, ny aretimandringana sy ny horohorontany. Rehefa nankahalain’ ny vahoaka sy nahiahiany izy ireo, dia nitsangana ny mpiampanga hamadika ny tsy manan-tsiny noho ny fitiavam-bola. Nohelohina ho mpikomy amin’ ny fanjakana izy ireo, ho fahavalon’ ny fivavahana, ary ho poizina ho an’ ny tany ama-monina. Betsaka no natsipy hohanin’ ny bibidia na nodorana velona tao amin’ ny toerana filanonana. Nisy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana; ny sasany nofonosina tamin’ ny hoditry ny bibidia, dia natsipy tao amin’ ny kianja filalaovana hoviravirain’ ny aiika. Matetika no natao anton-javatra hiantsoana ny vahoaka ny famaizana azy ireo. Nivory ny vahoaka marobe hifaly amin’ ny lanonana jereny ary hihomehy sy hitehaka, rehefa miala aina ka niady mafy izy ireo. Na taiza na taiza nahitany fialofana, dia nohazaina tahaka ny biby ny mpanaraka an’ i Kristy. Voatery nitady fiafenana tany amin’ ny toerana foana sy mangina izy. «Efa lao, ory, 21

Ireo izay mibanjina ireo famantarana mpialoha lalana ny amin’ ny fiaviany dia mahalala

fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. «Koa miambena ianareo» 49 hoy ny teny

fananarany. Ireo izay mitandrina ny hafatrafatra dia tsy havela ao amin’ ny haizina, ka ho

tonga aminy tampoka izany andro izany. Fa ho an’ ireo izay tsy miambina kosa, «dia ho avy

tahaka ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo» 50.

Tsy vonona hino ny hafatra amin’ izao fotoana izao tahaka ny Jiosy tsy vonona handray

ny fananarana mikasika an’ i Jerosalama izao tontolo izao. Na rahoviana na rahoviana no

ahatongavan’ ny andron’ Andriamanitra dia tsy ho vonona ny ratsy fanahy. Rehefa mitohy

misosa amin’ ny fizotrany andavanandro ny fiainana; rehefa variana amin’ ny fahafinaretana

amin’ ny asa aman-draharaha, amin’ ny varotra, amin’ ny fitadiavam-bola; rehefa

manandratra ny fandrosoana ataon’ izao tontolo izao sy ny fahazavana eo aminy ireo

mpitondra fivavahana, ary voarotsirotsin’ ny antoka sandoka ny olona, amin’ izay, tahaka

ny mpangalatra amin’ ny misasak’ alina tonga hangalatra amin’ ny trano tsy voambina, dia

ho tampoka toy izany koa no hiavian’ ny fandravana amin’ ireo izay manao an-tsirambina

sy amin’ ny ratsy fanahy, «ka tsy ho afa-mandositra izy»51.

20

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!