Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

azy izany ary tsy misy afa-tsy ny fanandramana toy izay nataony no afaka hampianatra fa mampidi-doza ny fanekena ny hevitr’ olombelona sy ny fanazavana omeny, fa tsy ny Baiboly ihany no ekena hanazava ny tenany. Ho an’ ireo zanaky ny finoana dia nanao ny asany ny fitebitebena sy ny alahelo vokatry ny hevi-diso nataon’ ny tenany ka nitondra ny fanitsiana nilaina. Voatarika handinika akaiky kokoa ny teny faminaniana izy. Nianatra ny handinika lalindalina kokoa ny fanorenan’ ny finoany izy, sy handà izay rehetra tsy mifototra amin’ ny fahamarinan’ ny Soratra Masina, na dia ekena hatraiza hatraiza eo amin’ ireo Kristiana aza. Ho an’ ireo mpino ireo, tahaka ny tamin’ ireo mpianatra voalohany, dia nanjary nazava taty aoriana izay toa maizina tamin’ ny sainy tamin’ ny ora fisedrana. Rehefa hitany «ny faran’ ny nataon’ ny Tompo tarniny» dia fantany fa, na dia teo aza ny fisedrana avy tamin’ ny fahadisoan-kevitra nahavoa azy, dia tanteraka marina taminy ny fikasan’ Andriamanitra feno fitiavana. Nianarany tamin’ ny fanandramana nitondra fitahiana ho azy fa «mamindra fo sy miantra Izy»; fa ny lalan’ i Jehovah rehetra dia «famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony». 268

Toko 20—Fifohazana Lehibe Ara- pivavahana Voalaza mialoha ao amin’ ny faminaniana entin’ ny hafatry ny anjely voalohany ao amin’ ny Apokalypsy 14 fa hisy fifohazana lehibe ara-pivavahana rehefa torina ny fiavian’ i Kristy tsy ho ela. Nisy anjely tazana nanidina «teo afovoan’ ny lanitra, nanana ny filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina ambonin’ ny tany, sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra». Nitory ny hafatra «tamin’ ny feo mahery» hoe : «Matahora an’ Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy fa tonga ny andro fitsarany : ary miankohofa eo anoloan’ Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano!» Andininy 6, 7. Misy dikany lalina ny ilazana fa anjely no mitory io fananarana io. Ny fahadiovana, ny voninahitra sy ny herin’ ilay mpitondra hafatry ny lanitra no tian’ ny fahendren’ Andriamanitra hoenti-maneho ny toetra ambony eo amin’ ny asa hotanterahin’ ny hafatra sy ny hery amam-boninahitra miaraka amin’ izany. «Nanidina teo afovoan’ ny lanitra» ilay anjely, «feo mahery» no nilazany ny hafatra fananarana, ary toriny amin’ izay rehetra «monina ambonin’ ny tany» izany, — «ho an’ ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena, sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra» — fomba enti-mampibaribary ny fahafainganany sy ny fivelarany manerana ny tany manontolo. Ny hafatra koa dia manazava antsika ny amin’ ny fotoana hisian’ io fihetsiketsehana io. Voalaza fa anisan’ ny «filazantsara mandrakizay» izany; ary manambara ny fiantombohan’ ny fitsarana. Efa notorina tamin’ ny andro rehetra nifandimby ny hafatry ny famonjena ; nefa ity hafatra ity dia fizarana amin’ ny filazantsara izay tsy azo torina raha tsy amin’ ny andro farany, satria ámin’ izay vao marina ny hoe «tonga» ny andro fitsarana. Mampiseho toe-javatra mifampitohitohy ireo faminaniana izay mitarika ho eo amin’ ny fisokafan’ ny fitsarana. Marina indrindra izany raha ny momba ny bokin’ i Daniela. Nefa nomena baiko i Daniela hanorona sy hanisy tombo-kase io ampahan’ ny faminaniany mikasika ny andro farany io «mandra-piavin’ ny farany». Raha tsy tonga eo amin’ io fotoana io isika dia tsy hisy hafatra mikasika ny fitsarana hotorina, izay nifototra tamin’ ny fahatanterahan’ ireo faminaniana ireo. Nefa amin’ ny andro farany, hoy ny mpaminany, «maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana» Daniela 12:4. Nanafatra ny fiangonana ny apostoly Paoly tsy hiandry ny fiavian’ i Kristy ho amin’ ny androny. «Tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, hoy izy, ka hiseho ilay lehilahin’ ota» 1. Raha tsy aty aorian’ ilay fihemorana lehibe, sy rehefa mifarana ny fotoana lavabe hanjakan’ «ilay lehilahin’ ota», dia tsy afaka manantena ny fiavian’ ny Tompontsika isika. Ilay dehilahin’ ota» izay lazaina koa fa «zava-miafin’ ny tsy fankatoavan-dalàna», «zanaky ny fahaverezana», sy «ilay tena mpandika lalàna» dia mampiseho ny fahefana papaly, izay, araka ny voalaza mialoha ao amin’ ny faminaniana, dia hitana ny fahefany fara-tampony mandritra ny 1260 taona. Nifarana tamin’ ny 1798 io fe-potoana io. Tsy nety ho tonga talohan’ io fotoana io ny fiavian’ i Kristy. Voafaokan’ io fampitandremana nataon’ 269

azy izany ary tsy misy afa-tsy ny fanandramana toy izay nataony no afaka hampianatra fa

mampidi-doza ny fanekena ny hevitr’ olombelona sy ny fanazavana omeny, fa tsy ny

Baiboly ihany no ekena hanazava ny tenany. Ho an’ ireo zanaky ny finoana dia nanao ny

asany ny fitebitebena sy ny alahelo vokatry ny hevi-diso nataon’ ny tenany ka nitondra ny

fanitsiana nilaina. Voatarika handinika akaiky kokoa ny teny faminaniana izy. Nianatra ny

handinika lalindalina kokoa ny fanorenan’ ny finoany izy, sy handà izay rehetra tsy

mifototra amin’ ny fahamarinan’ ny Soratra Masina, na dia ekena hatraiza hatraiza eo amin’

ireo Kristiana aza.

Ho an’ ireo mpino ireo, tahaka ny tamin’ ireo mpianatra voalohany, dia nanjary nazava

taty aoriana izay toa maizina tamin’ ny sainy tamin’ ny ora fisedrana. Rehefa hitany «ny

faran’ ny nataon’ ny Tompo tarniny» dia fantany fa, na dia teo aza ny fisedrana avy tamin’

ny fahadisoan-kevitra nahavoa azy, dia tanteraka marina taminy ny fikasan’ Andriamanitra

feno fitiavana. Nianarany tamin’ ny fanandramana nitondra fitahiana ho azy fa «mamindra

fo sy miantra Izy»; fa ny lalan’ i Jehovah rehetra dia «famindram-po sy fahamarinana amin’

izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony».

268

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!