Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Tompony hiakatra teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia nahita Azy nosamborina toy ny olon-dratsy Izy, nokapohina, noesoina sy nomelohina ary nasandratra teo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary. Famoizam-po sy tebiteby manao ahoana no nandrotika ny fon’ ireo mpianatra nandritra ny andro nandrian’ ny Tompony tao am-pasana! Tonga tamin’ ny fotoana marina sy tamin’ ny fomba nolazain’ ny faminaniana mialoha Izy. Tanteraka tamin’ ny antsipiriany rehetra teo amin’ ny asany ny fanambaran’ ny Soratra Masina. Efa nitory ny hafatry ny famonjena Izy ary «nanan-kery ny teniny». Efa tsapan’ ny fon’ ny mpihaino Azy fa avy any an-danitra Izy. Ny teny sy ny Fanahin’ Andriamanitra dia nanamarina fa Zanak’ Andriamanitra nirahiny Izy. Mbola nifikitra tami: fitiavana tsy mety maty tamin’ ilay Tompo tiany ny mpianany. Nefa na izany aza dia voasaron’ ny tsy finoana sy ny fisalasalana ny sainy. Noho ny fahoriam-panahiny dia tsy tsaroany ny tenin’ i Kristy izay nanondro mialoha ny fahoriana hiaretany sy ny fahafatesany. Raha Jesosy avy any Nazareta ve no tena Mesia, dia ho tafalentika lalina toy izao ao amin’ ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenana izy ireo? Io no fanontaniana nampangirifiry ny fanahiny raha nandry tao amin’ ny fasany ny Mpamonjy nandritra ireo ora tsy nisian’ ny fanantenana nangirana tamin’ ilay Sabata teo anelanelan’ ny nahafatesany sy ny nitsanganany. Na dia nanarona ireo mpanaraka an’ i Jesosy aza iny alimpahoriana iny, dia tsy nafoy akory izy ireo. Hoy ny mpaminany : «Raha mitoetra ao amin’ ny maizina aho, dia Jehovah no fahazavana ho ahy. . . Hamoaka ahy ho amin’ ny mazava Izy, ka ho faly aho mahita ny fahamarinany». «Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, ka sahala ny mazava sy ny maizina». Efa niteny Andriamanitra hoe : «Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; mamindra fo sy miantra ny marina ireny». «Hitarika ny jamba amin’ izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako» 4. Ny fanambarana izay efa nataon’ ny mpianatra tamin’ ny anaran’ ny Tompo dia marina tanteraka ary ireo toe-javatra izay notondroiny dia teo an-dalam-pahatanterahana tamin’ izay. «Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra» izany no hafatra nentiny. Tamin’ ilay fahataperan’ ilay fetr’ andro — ny sivy amby enimpolo herinandro ao amin’ ny Daniela 9, izay mahatratra ny Mesia, «Ilay Voahosotra» — dia nandray ny fanosorana Azy Kristy rehefa nataon’ i Jaona batisa tao Jordana. Ary ny fanjakan’ Andriamanitra izay efa nambaran’ ny mpianatra fa efa akaiky dia naorina tamin’ ny nahafatesan’ i Kristy. Tsy fanjakana araka izao tontolo izao tsy akory izy io, araka ny efa nampianarina azy ireo hinoany. — Ary koa tsy ilay fanjakana maharitra mandrakizay izay hatsangana rehefa homena ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibeazan’ ny fanjakana eny ambanin’ ny lanitra rehetra ; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy» 5. Araka ny fampiasa ao amin’ ny Baiboly, ny teny hoe «fanjakan’ Andriamanitra» dia entina manondro 262

ny fanjakam-pahasoavana sy ny fanjakam-boninahitra. Ny fanjakampahasoavana dia asehon’ i Paoly ao amin’ ny epistily ho an’ ny Hebreo. Rehefa avy nanondro an’ i Kristy izy, ilay Mpanelanelana mangora-po izay «mahalala ny fahalementsika», dia hoy ny Apostoly: «Aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo» 6. Ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana dia mampiseho ny fanjakam-pahasoavana; satria ny fisian’ ny seza fiandrianana dia midika ho fisian’ ny fanjakana, Kristy dia mampiasa ny fiteny hoe «fanjakan’ ny lanitra» ao amin’ ny fanoharana maro mba hilazany ny asan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ao amin’ ny fon’ ny olona. Toy izany koa ny seza fiandrianan’ ny voninahitra dia mampiseho ny fanjakan’ ny voninahitra; ary io no fanjakana ambara amin’ ny tenin’ ny Mpamonjy hoe: «Ary raha tonga ny zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy, ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany» 7. Mbola ho avy io fanjakana io. Tsy haorina io, raha tsy amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany. Naorina avy hatrany taorian’ ny nahalavoan’ ny olona ny fanjakam-pahasoavana fony namolavola drafitra hoenti-manavotra ny taranak’ olombelona meloka Andriamanitra. Efa nisy izy tamin’ izany, voafono tao amin’ ny planan’ Andriamanitra sy tamin’ ny alalan’ ny teny fikasany, ary azon’ ny olona natao ny ho tonga ho anisan’ izany fanjakana izany tamin’ ny alalan’ ny finoana. Nefa tsy mbola tena tafaorina marina izany raha tsy tamin’ ny nahafatesan’ i Kristy. Satria na dia efa nirotsaka hanao ny asa nanirahana Azy teto an-tany aza ny Mpamonjy, rehefa reraky ny hamafin’ ny fon’ ny olona sy ny tsy fahaizany mankasitraka Izy, dia nety ho niala ka tsy nanatanteraka ny sorona tao Kalvary. Nipararetra teo an-tanany ilay kapoaka feno ozona tao Getsemane. Azony natao na dia tamin’ izay aza ny namafa ny handriny tsembo-dra ka namela ny taranaka meloka ho faty ao amin’ ny fahadisoany. Raha nanao izany Izy, dia tsy ho nisy fanavotana ho an’ ny olombelona lavo. Nefa rehefa nanolotra ny ainy ny Mpamonjy, ka niantso hoe «Vita» raha niala ny fofon’ ainy, dia azo antoka ny fahatanterahan’ ny drafitry ny fanavotana. Nohamafisina ilay teny fikasana nilaza famonjena tamin’ izy mivady mpanota tao Edena. Tafaorina tamin’ izay ilay fanjakam-pahasoavana izay efa nisy teo aloha tamin’ ny alalan’ ny teny fikasan’ Andriamanitra. Tamin’ izay ary, ny fahafatesan’ i Kristy, ilay zava-nitranga indrindra izay noheverin’ ny mpianatra ho fandevonana farany ny fanantenany — dia io indrindra no nahatonga an’ izany ho azo antoka mandrakizay. — Na dia nitondra fahadisoampanantenana faran’ izay mafy taminy aza izany, dia izany no fara-tampony fa marina izay ninoany. — Ny zava-nitranga izay nameno azy ireo alahelo sy famoizam-po, no nanokatra kosa ny varavaram-panantenana ho an’ ny zanak’ i Adama rehetra sy tonga fototry ny fiainana ho avy sy ny fahasambarana mandrakizay ho an’ ny olon’ Andriamanitra nahatoky tamin’ ny fotoana rehetra. Ireo fikasana avy amin’ ny famindrampo tsy hita fetra dia nahatratra ny fahatanterahany, eny, fa na dia tamin’ ny alalan’ ny fahadisoam-panantenana nahazo ny mpianatra aza. Babon’ ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fampianaran’ ny Tompo, dia Ilay azo 263

Tompony hiakatra teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia nahita Azy nosamborina toy

ny olon-dratsy Izy, nokapohina, noesoina sy nomelohina ary nasandratra teo amin’ ny hazo

fijalian’ i Kalvary. Famoizam-po sy tebiteby manao ahoana no nandrotika ny fon’ ireo

mpianatra nandritra ny andro nandrian’ ny Tompony tao am-pasana!

Tonga tamin’ ny fotoana marina sy tamin’ ny fomba nolazain’ ny faminaniana mialoha

Izy. Tanteraka tamin’ ny antsipiriany rehetra teo amin’ ny asany ny fanambaran’ ny Soratra

Masina. Efa nitory ny hafatry ny famonjena Izy ary «nanan-kery ny teniny». Efa tsapan’ ny

fon’ ny mpihaino Azy fa avy any an-danitra Izy. Ny teny sy ny Fanahin’ Andriamanitra dia

nanamarina fa Zanak’ Andriamanitra nirahiny Izy.

Mbola nifikitra tami: fitiavana tsy mety maty tamin’ ilay Tompo tiany ny mpianany.

Nefa na izany aza dia voasaron’ ny tsy finoana sy ny fisalasalana ny sainy. Noho ny

fahoriam-panahiny dia tsy tsaroany ny tenin’ i Kristy izay nanondro mialoha ny fahoriana

hiaretany sy ny fahafatesany. Raha Jesosy avy any Nazareta ve no tena Mesia, dia ho

tafalentika lalina toy izao ao amin’ ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenana izy ireo? Io no

fanontaniana nampangirifiry ny fanahiny raha nandry tao amin’ ny fasany ny Mpamonjy

nandritra ireo ora tsy nisian’ ny fanantenana nangirana tamin’ ilay Sabata teo anelanelan’ ny

nahafatesany sy ny nitsanganany.

Na dia nanarona ireo mpanaraka an’ i Jesosy aza iny alimpahoriana iny, dia tsy nafoy

akory izy ireo. Hoy ny mpaminany : «Raha mitoetra ao amin’ ny maizina aho, dia Jehovah

no fahazavana ho ahy. . . Hamoaka ahy ho amin’ ny mazava Izy, ka ho faly aho mahita ny

fahamarinany». «Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; fa ny alina dia mahazava

toy ny andro ihany, ka sahala ny mazava sy ny maizina». Efa niteny Andriamanitra hoe :

«Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; mamindra fo sy miantra

ny marina ireny». «Hitarika ny jamba amin’ izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ ny lalana

tsy fantany no hitondrako azy; ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny

mikitoantoana halamako tsara; izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako» 4.

Ny fanambarana izay efa nataon’ ny mpianatra tamin’ ny anaran’ ny Tompo dia marina

tanteraka ary ireo toe-javatra izay notondroiny dia teo an-dalam-pahatanterahana tamin’

izay. «Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra» izany no hafatra

nentiny. Tamin’ ilay fahataperan’ ilay fetr’ andro — ny sivy amby enimpolo herinandro ao

amin’ ny Daniela 9, izay mahatratra ny Mesia, «Ilay Voahosotra» — dia nandray ny

fanosorana Azy Kristy rehefa nataon’ i Jaona batisa tao Jordana. Ary ny fanjakan’

Andriamanitra izay efa nambaran’ ny mpianatra fa efa akaiky dia naorina tamin’ ny

nahafatesan’ i Kristy. Tsy fanjakana araka izao tontolo izao tsy akory izy io, araka ny efa

nampianarina azy ireo hinoany. — Ary koa tsy ilay fanjakana maharitra mandrakizay izay

hatsangana rehefa homena ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ny fanjakana sy ny fanapahana

ary ny fahalehibeazan’ ny fanjakana eny ambanin’ ny lanitra rehetra ; ny fanjakany dia

fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy» 5. Araka ny

fampiasa ao amin’ ny Baiboly, ny teny hoe «fanjakan’ Andriamanitra» dia entina manondro

262

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!