Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

any amin’ ny làlan’ ny jentilisa ary aza miakatra amin’ izay làlan’ ny Samaritana, fa aleo mankany amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ Isiraely».21 «Ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa hatramin’ ny antsasaky ny herinandro izy». Tamin’ ny taona AD 31, telo taona sy tapany taty aorian’ ny batisany, dia nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana ny Tompontsika. Nifarana tamin’ ilay fanatitra lehibe tao Kalvary ny fombam-pivavahana nisy fanatitra izay nanondro mialoha ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra nandritra ny efatra arivo taona. Nihaona ny tandindona sy ny tena izy, ary nitsahatra hatramin’ io ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa rehetra tao, araka ny rafitry ny fanompoam-pivavahana tandindona tamin’ izay. Ny fitopolo herinandro, na ny 490 taona nomena manokana ho an’ ny Jiosy, dia nifarana tamin’ ny AD 34 araka ny efa hitantsika. Tamin’ io fotoana io, noho ny fanapahan-kevitra nataon’ ny Synedriona Jiosy, dia nanisy tombo-kase ny fandavany ny filazantsara tamin’ ny namonoany an’ i Stefana ho maritiora sy tamin’ ny nanenjehany ny mpanaraka an’ i Kristy ny firenena jiosy. Nanomboka hatreo dia tsy noferana ho an’ ilay vahoaka voafidy intsony ny hafatry ny famonjena fa nomena ho an’ izao tontolo izao. Voatery nandositra niala an’ i Jerosalema ny mpianatra «ka nandeha nitory teny tontolo eny». «Ary Filipo nidina tany antanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao». Notarihin’ Andriamanitra i Petera, ka namelabelatra ny filazantsara tamin’ ilay kapiteny tao Kaisaria, dia i Kornelio izay natahotra an’ Andria-manitra; ary Paoly ilay nafana fo, izay azo ho amin’ ny finoana an’ i Kristy, dia nirahina hitondra ny vaovao mahafaly «handeha lavitra any amin’ ny jentilisa».22 Hita tamin’ izany fa tanteraka tamin’ ny fomba mahatalanjona ny antsipiriany rehetra ao amin’ ny faminaniana, ka tsy misy iadiankevitra intsony fa fiantombohan’ ny fitopolo herinandro ny 457 BC, ary fiafarany ny AD 34. Hatreo amin’ io taona io dia tsy misy manahirana ny fahitana ny fiafaran’ ny 2300 andro. Raha alàna amin’ ny 2300 taona ny fitopolo herinandro — 490 andro izany — dia 1810 andro no sisa. Tamin’ ny fiafaran’ ny 490 andro, dia mbola nisy 1810 andro hotanterahina. Raha raisina amin’ ny AD 34 ny 1810 taona dia mipaka amin’ ny 1844. Noho izany dia miafara amin’ ny 1844 ny 2300 andron’ ny Daniela 8 : 14. Amin’ ny fahataperan’ io fe-potoana voalazan’ io fotoam-paminaniana lehibe io, araka ny tenin’ ny anjelin’ Andriamanitra, «dia hodiovina ny fitoerana masina». Toy izany no nanondroana mazava ny fotoana fanadiovana ny fitoerana masina izay saiky ninoan’ ny rehetra fa hatao amin’ ny fotoana fiavian’ i Jesosy fanindroany. Ninoan’ i Miller sy ireo niaraka taminy tamin’ ny voalohany fa hiafara amin’ ny fararanon’ ny 1844 ny 2300 andro, kanefa manondro ny fararanon’ io taona io ny faminaniana. Diso ny fandraisany an’ io ka nahatonga fahadisoam-panantenana sy fahaverezan-kevitra tamin’ ireo izay efa nametra ilay vanin’ andro voalohany ho fotoana hahatongavan’ ny Tompo izany. Izany anefa tsy mampihena na dia kely aza ny lanjan’ ny fonjan-kevitra fa miafara amin’ ny taona 1844 ny 2300 andro, ary tsy maintsy tanteraka ilay toe-javatra lehibe asehon’ ny fanadiovana ny fitoerana masina. 248

Raha nanomboka nandinika ny Soratra Masina araka ny nanaovany izany i Miller, mba hanaporofoany fa fanambarana avy amin’ Andriamanitra izany, dia tsy nihevitra kely akory izy tany amboalohany fa ho tonga amin’ ny fehin-kevitra ankehitriny. Na dia ny tenany aza dia zara raha nino ny vokatry ny fanadihadiana nataony. Nefa nazava sy nafonja loatra ny porofo avy amin’ ny Soratra Masina ka tsy azo navela fotsiny tamin’ izao. Nandritra ny roa taona ngarangidina no efa nandinihany ny Baiboly raha latsaka tao ampony tamin’ ny 1818 ny finoana nampieritreritra fa rehefa afaka sahabo ho dimy amby telopolo taona dia hiseho i Kristy hanavotra ny vahoakany. «Tsy ilaina ny milaza, hoy i Miller, fa diboky ny fifaliana ny foko mitazana izany toe-javatra maharavo izany, ary niredaredam-paniriana tokoa ny fanahiko handray anjara amin’ ny fifalian’ ny voavotra. Boky vaovao ho ahy izao ny Baiboly. Tena hanim-py ho an’ ny saina; izay rehetra tsy nazava, saro-pantarina, na maizimaizina tamiko ny amin’ ny fampianarany, dia efa nisava tao an-tsaiko teo anatrehan’ ny faha-zavana madio izay niposaka tamin’ izay tao amin’ ireo takila masina; ary tamin’ ny famirapiratana sy ny voninahitra no nisehoan’ ny fahamarinana ! Lasa daholo ny fifanoherana sy ny tsy firindrana hitako teo aloha tao amin’ ny teny; ary na dia nisy faritra maro aza izay tsy mbola nahafapo ahy ny fahazoako azy mazava, dia efa betsaka ny fahazavana nitosaka avy tao amin’ ny Soratra Masina nampahiratra ny saiko izay maizina teo aloha, hany ka fifaliana izay tsy nampoiziko teo aloha, fa mety horaisina avy amin’ ny fampia-narany no tsapako teo amin’ ny fandinihana ny Soratra Masina» — Bliss, p. 76, 77 «Niaraka tamin’ ny finoako mahavelona eritreritra fa ho tante-raka ao anatin’ ny fotoana fohy ireo toe-javatra miezinezina voalazan’ ny Soratra Masina ireo, dia namelovelo mafy tao an-tsaiko ny fanontaniana ny amin’ ny adidiko amin’ izao tontolo izao, eo anatrehan’ ny zavatra tsy azo lavina izay efa nameno ny saiko». Ibid, p. 81. Tsy afaka tao aminy ny fahatsapana fa adidiny ny mizara amin’ ny hafa izay efa noraisiny. Nampoizinyrahateo fa hanohitra azy ny tsy mino saingy natoky kosa izy fa hifaly ny Kristiana rehetra amin’ ny fanantenana fa hihaona amin’ Ilay Mpamonjy izay lazainy fa tiany. Ny hany mampanahy azy dia sao lehibe loatra ny fifaliana amin’ ny fibanjinana ilay fahafahana be voninahitra izay kely sisa dia ho tanteraka, ka betsaka no handray ny fampianarana nefa tsy handinika tsara ny Soratra Masina ho fanehoana mazava ny fahamarinany. Noho izany dia nisalasala ny hampiseho izany izy, fandrao diso izy ka ho zary fitaovana hitarihana ny hafa amin’ ny lalan-diso. Koa dia voatarika izy hamerina hijery ireo porofo izay manohana ny fehinkevitra izay nosintoniny, ka handinika tsara ny zava-tsarotra rehetra izay tonga tao antsainy. Hitany fa nisinda teo anatrehan’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra tahaka ny zavona eo amin’ ny tanamasoandro ireo hevitra nentina nandà izany. Nandany dimy taona izy hanaovany izany nefa dia mbola niaiky tanteraka ny mahamarina ny hevitra nijoroany ihany. Koa dia nanosika azy tamin’ ny hery vaovao indray ny adidy hampahafantatra amin’ ny hafa izay ninoany fa hampianarin’ ny Soratra Masina tamin’ ny fomba mazava tokoa. « Rehefa eo am-panaovana ny asa aman-draharahako aho», hoy izy, dia naneno tsy an- 249

Raha nanomboka nandinika ny Soratra Masina araka ny nanaovany izany i Miller, mba

hanaporofoany fa fanambarana avy amin’ Andriamanitra izany, dia tsy nihevitra kely akory

izy tany amboalohany fa ho tonga amin’ ny fehin-kevitra ankehitriny. Na dia ny tenany aza

dia zara raha nino ny vokatry ny fanadihadiana nataony. Nefa nazava sy nafonja loatra ny

porofo avy amin’ ny Soratra Masina ka tsy azo navela fotsiny tamin’ izao.

Nandritra ny roa taona ngarangidina no efa nandinihany ny Baiboly raha latsaka tao ampony

tamin’ ny 1818 ny finoana nampieritreritra fa rehefa afaka sahabo ho dimy amby

telopolo taona dia hiseho i Kristy hanavotra ny vahoakany. «Tsy ilaina ny milaza, hoy i

Miller, fa diboky ny fifaliana ny foko mitazana izany toe-javatra maharavo izany, ary

niredaredam-paniriana tokoa ny fanahiko handray anjara amin’ ny fifalian’ ny voavotra.

Boky vaovao ho ahy izao ny Baiboly. Tena hanim-py ho an’ ny saina; izay rehetra tsy

nazava, saro-pantarina, na maizimaizina tamiko ny amin’ ny fampianarany, dia efa nisava

tao an-tsaiko teo anatrehan’ ny faha-zavana madio izay niposaka tamin’ izay tao amin’ ireo

takila masina; ary tamin’ ny famirapiratana sy ny voninahitra no nisehoan’ ny fahamarinana

! Lasa daholo ny fifanoherana sy ny tsy firindrana hitako teo aloha tao amin’ ny teny; ary na

dia nisy faritra maro aza izay tsy mbola nahafapo ahy ny fahazoako azy mazava, dia efa

betsaka ny fahazavana nitosaka avy tao amin’ ny Soratra Masina nampahiratra ny saiko izay

maizina teo aloha, hany ka fifaliana izay tsy nampoiziko teo aloha, fa mety horaisina avy

amin’ ny fampia-narany no tsapako teo amin’ ny fandinihana ny Soratra Masina» — Bliss,

p. 76, 77

«Niaraka tamin’ ny finoako mahavelona eritreritra fa ho tante-raka ao anatin’ ny fotoana

fohy ireo toe-javatra miezinezina voalazan’ ny Soratra Masina ireo, dia namelovelo mafy

tao an-tsaiko ny fanontaniana ny amin’ ny adidiko amin’ izao tontolo izao, eo anatrehan’ ny

zavatra tsy azo lavina izay efa nameno ny saiko». Ibid, p. 81. Tsy afaka tao aminy ny

fahatsapana fa adidiny ny mizara amin’ ny hafa izay efa noraisiny. Nampoizinyrahateo fa

hanohitra azy ny tsy mino saingy natoky kosa izy fa hifaly ny Kristiana rehetra amin’ ny

fanantenana fa hihaona amin’ Ilay Mpamonjy izay lazainy fa tiany. Ny hany mampanahy

azy dia sao lehibe loatra ny fifaliana amin’ ny fibanjinana ilay fahafahana be voninahitra

izay kely sisa dia ho tanteraka, ka betsaka no handray ny fampianarana nefa tsy handinika

tsara ny Soratra Masina ho fanehoana mazava ny fahamarinany. Noho izany dia nisalasala

ny hampiseho izany izy, fandrao diso izy ka ho zary fitaovana hitarihana ny hafa amin’ ny

lalan-diso. Koa dia voatarika izy hamerina hijery ireo porofo izay manohana ny fehinkevitra

izay nosintoniny, ka handinika tsara ny zava-tsarotra rehetra izay tonga tao antsainy.

Hitany fa nisinda teo anatrehan’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra tahaka ny

zavona eo amin’ ny tanamasoandro ireo hevitra nentina nandà izany. Nandany dimy taona

izy hanaovany izany nefa dia mbola niaiky tanteraka ny mahamarina ny hevitra nijoroany

ihany.

Koa dia nanosika azy tamin’ ny hery vaovao indray ny adidy hampahafantatra amin’ ny

hafa izay ninoany fa hampianarin’ ny Soratra Masina tamin’ ny fomba mazava tokoa. «

Rehefa eo am-panaovana ny asa aman-draharahako aho», hoy izy, dia naneno tsy an-

249

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!