Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 18—Mpanavao Fivavahana Amerikana Mpamboly sady mpiompy iray, lehilahy marina, mahitsy fo izay efa voatarika hisalasala ny maha avy amin’ Andriamanitra ny Soratra Masina, nefa naniry tokoa ny hahalala ny fahamarinana, io no nofidin’ Andriamanitra manokana mba hitarika ny fitoriana ny fiavian’ i Kristy fanindroany. Tahaka ny mpanavao fivavahana maro, dia nitolona tamin’ ny fahantrana koa i William Miller tamin’ ny fiandohan’ ny fiainany ka tamin’ izany no nianarany lesona lehibe momba ny faherezana sy ny fandavan-tena. Ny fianakaviana izay niaviany dia niavaka indrindra tamin’ ny toe-tsaina tsy miankin-doha amin’ ny hafa, tia fahafahana, mahay miari-pery sy nanana fitiavantanindrazana miredareda toetra izay nivoitra indrindra koa teo amin’ ny toetra amam-panahiny. Kapiteny tao amin’ ny tafiky ny Tolom-piavotana rainy, ary ny fandavan-tena nasehony nandritra ny ady sy ny fahoriana nozakainy tamin’ io vanim-potoana feno hotakotaka io no azo anazavana ny fahasahiranana nahazo an’ i Miller teo amin’ ny voalohandohany. Salama vatana izy, ary na dia teo amin’ ny fahazazany aza dia hita mazava fa nanana hery ara-tsaina nihoatra noho ny fahita. Mainka nisoritra mazava kokoa izany rehefa nandroso ho lehibe izy. Nanana saina navitrika sy tsara fivelatra izy, ary nangetaheta fahalalana aoka izany. Na dia tsy nahazo tombon-tsoa tamin’ ny fanabeazan’ ny Sekoly ambony aza izy, dia -nahatonga azy ho lehilahy mahay mandanjalanja sy mahataka-javatra ny fitiavany fianarana sy ny fahazarana mandinika tsara ary ny jerikiana akaiky dia akaiky fanaony. Tsy nisy ho kianina ny fitondrantenany ary naha-te-hanana ny lazany ary nankasitrahana indrindra ny fahamarinan’ ny toetrany, ny fahaizany mitsitsy sy ny fahalalahan-tanany. Vetivety izy dia nahavita zavatra noho ny faherezany sy ny fikirizany, kanefa dia notazoniny ihany ny fahazarana nianatra. Nitana toerana samihafa teo amin’ ny fanjakana sy teo amin’ ny tafika izy ary nankasitrahana tamin’ izany. koa dia nidanadana teo anatrehany ny lalana ho amin’ ny harena sy ny voninahitra. Vehivavy nanana fitiavam-bavaka matotra reniny, ka fony fahazaza dia efa latsaka lalina tao am-pon’ i Miller ny momba ny fiva-vahana. Rehefa niakatra ho amin’ ny fahalehibeazana anefa izy dia tafaharo tamin’ ny deista* ; ary noho ry zareo olom-pirenena nahafatra-po ny ankamaroany sady antra namana no nalala-tanana dia mainka nandaitra mafy taminy ny fifaneraserana tamin’ izy ireo. Noho izy ireo nonina teo anivon’ ny toerana nisy sokajin-draharaha kristiana, dia azo lazaina fa voavolavolan’ ny manodidina azy ny toetra amam-panahiny. Ny fahambonian-toetra izay nahatonga azy ireo ho heni-kaja sady natokisana dia avy tamin’ ny Baiboly no nahazoany azy ; nanjary simba anefa ireo fanomezana tsara ireo ka voavily ho amin’ ny fanoherana ny tenin’ Andriamanitra. Voatarika hanana ny fomba fisainan’ izy ireo i Miller tamin’ ny fiarahany taminy. Nisy olana izay toa tsy hay vahana no fijeriny azy tamin’ ny fanazavana mahazatra ny Soratra Masina ; nefa koa ilay finoany vaovao izay nitsipaka ny Baiboly dia tsy nitondra na inona na inona tsaratsara kokoa ho solon’ izany, koa dia tsy mbola afa-po velively izy. Na izany aza, dia notanany ihany izany fomba fisaina deista izany nandritra ny roa ambinifolo taona. Fony 238

izy efatra ambinitelopolo taona anefa dia voatsapany lalina tao am-pony noho ny asan’ ny Fanahy Masina ny maha-mpanota azy. Tsy nahita antoka tao amin’ ny finoany voalohany momba ny fahasambarana any an-koatry ny fasana izy. Maizina sady nanjombona ny ho avy. Izao no nolazainy taty aoriana mikasika ny fihetseham-pony tamin’ izany : «Nampangatsiaka sy nahangoly ny mieritreritra izany hoe fahafoanana tanteraka, ary izany fampamoahana farany izany dia fahafonganana azo antoka ho an’ ny rehetra. Tahaka ny varahina ny lanitra teo ambony lohako, ary ny tany dia tahaka ny vy teo ambany tongotro. Ny mandrakizay . . . inona izany ? Ary ny fahafatesana . . . nahoana no misy izany? Arakaraka ny namakafakako izany no nahalavitra ny fanazavana. Arakaraka ny nieritreretako no niparitahan’ ny fehin-kevitra. Niezaka ny tsy hieritreritra aho, nefa tsy voafehiko ny eritreritro. Tena olo-maliantra no fahatsapako ny tenako, nefa tsy fantatro izay antony. Nimonomonona sy nitariana aho anefa tsy fantatro izay nanaovako izany. Fantatro fa nisy zavatra diso, nefa tsy fantatro izay fomba na izay toerana ahitana ny marina. Nalahelo aho sady tsy nanana fanantenana». Nitohy ihany izany nandritra ny volana vitsivitsy. «Tsitapitapitr’ izay, hoy izy, dia voasoritra velona tao an-tsaiko ny toetra amampanahin’ ny Mpamonjy. Mby tao an-tsaiko fa misy Anankiray any izay tsara fanahy sady feno fangorahana indrindra ka Izy tenany mihitsy no hanao fanavotana noho ny fandikantsika ny lalàna ary amin’ izany no hamonjeny antsika ho afaka amin’ ny fahoriana sazin’ ny fahotana. Tsapako avy hatrany fa ho maha-teho-tia tokoa Izy izany, ary noheveriko fa ho azoko atao ny hiantoraka eo an-tsandriny, ka hitoky amin’ ny famindrampon’ ny olona toy izany. Nipetraka anefa ny fanontaniana : Ahoana no hanaporofoana fa misy tokoa lo Anankiray lo ? — Ivelan’ ny Baiboly, dia hitako fa tsy nety hisy famantarana mazava ny fisian’ ny Mpamonjy toy izany, na izay mbola ho fisian’ ny fiainana ho avy — . »Hitako fa mampiseho Mpamonjy araka izay nilaiko indrindra ny Baiboly ary nahavery hevitra ally ny hoe boky tsy avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra io, kanefa hamelabelatra foto-kevitra mifanaraka tanteraka amin’ izay ilain’ izao tontolo izao efa lavo. Voatery niaiky aho fa tsy maintsy fanambarana avy amin’ Andria-manitra ny Soratra Masina. Nanjary fahafinaretana ho ally izany ; ary nahita sakaiza tao amin’ i Jesosy aho. Ny Mpamonjy Ilay notsongaina tamin’ ny alinalina ho ahy dia tonga ; ary ny Soratra Masina izay maizina sy nifanohitra no fijeriko azy teo aloha dia nanjary fanilon’ ny tongotro sy fanazavana ny lalako ankehitriny. Tafatoetra sy afa-po ny saiko. Hitako fa Vatolampy eo anivon’ ny ranomasimben’ ny fiainana ny Tompo Andriamanitra. Ankehitriny dia ny Baiboly izao no nanjary anton’ ny fandinihako lehibe indrindra ary azoko lazaina marina, fa amim-pahafinaretana be no ianarako izany. Hitako fa be dia be no mbola tsy nambara tamiko na oviana na oviana. Nahagaga ahy ny tsy nahitako teo aloha ny hakantony sy ny voninahiny, ary nahazendana ahy ny nahafahako nitsipaka izany teo aloha. Hitako fa izay rehetra nety nirin’ ny foko dia voaseho tao avokoa, ary koa ny fanafody fanasitranana ny aretina rehetra mety hamely ny fanahy. Tsy nahita tsirony intsony tamin» ny vakiteny hafa 239

Toko 18—Mpanavao Fivavahana Amerikana

Mpamboly sady mpiompy iray, lehilahy marina, mahitsy fo izay efa voatarika hisalasala

ny maha avy amin’ Andriamanitra ny Soratra Masina, nefa naniry tokoa ny hahalala ny

fahamarinana, io no nofidin’ Andriamanitra manokana mba hitarika ny fitoriana ny fiavian’

i Kristy fanindroany. Tahaka ny mpanavao fivavahana maro, dia nitolona tamin’ ny

fahantrana koa i William Miller tamin’ ny fiandohan’ ny fiainany ka tamin’ izany no

nianarany lesona lehibe momba ny faherezana sy ny fandavan-tena. Ny fianakaviana izay

niaviany dia niavaka indrindra tamin’ ny toe-tsaina tsy miankin-doha amin’ ny hafa, tia

fahafahana, mahay miari-pery sy nanana fitiavantanindrazana miredareda toetra izay

nivoitra indrindra koa teo amin’ ny toetra amam-panahiny. Kapiteny tao amin’ ny tafiky ny

Tolom-piavotana rainy, ary ny fandavan-tena nasehony nandritra ny ady sy ny fahoriana

nozakainy tamin’ io vanim-potoana feno hotakotaka io no azo anazavana ny fahasahiranana

nahazo an’ i Miller teo amin’ ny voalohandohany.

Salama vatana izy, ary na dia teo amin’ ny fahazazany aza dia hita mazava fa nanana

hery ara-tsaina nihoatra noho ny fahita. Mainka nisoritra mazava kokoa izany rehefa

nandroso ho lehibe izy. Nanana saina navitrika sy tsara fivelatra izy, ary nangetaheta

fahalalana aoka izany. Na dia tsy nahazo tombon-tsoa tamin’ ny fanabeazan’ ny Sekoly

ambony aza izy, dia -nahatonga azy ho lehilahy mahay mandanjalanja sy mahataka-javatra

ny fitiavany fianarana sy ny fahazarana mandinika tsara ary ny jerikiana akaiky dia akaiky

fanaony. Tsy nisy ho kianina ny fitondrantenany ary naha-te-hanana ny lazany ary

nankasitrahana indrindra ny fahamarinan’ ny toetrany, ny fahaizany mitsitsy sy ny

fahalalahan-tanany. Vetivety izy dia nahavita zavatra noho ny faherezany sy ny fikirizany,

kanefa dia notazoniny ihany ny fahazarana nianatra. Nitana toerana samihafa teo amin’ ny

fanjakana sy teo amin’ ny tafika izy ary nankasitrahana tamin’ izany. koa dia nidanadana teo

anatrehany ny lalana ho amin’ ny harena sy ny voninahitra.

Vehivavy nanana fitiavam-bavaka matotra reniny, ka fony fahazaza dia efa latsaka lalina

tao am-pon’ i Miller ny momba ny fiva-vahana. Rehefa niakatra ho amin’ ny

fahalehibeazana anefa izy dia tafaharo tamin’ ny deista* ; ary noho ry zareo olom-pirenena

nahafatra-po ny ankamaroany sady antra namana no nalala-tanana dia mainka nandaitra

mafy taminy ny fifaneraserana tamin’ izy ireo. Noho izy ireo nonina teo anivon’ ny toerana

nisy sokajin-draharaha kristiana, dia azo lazaina fa voavolavolan’ ny manodidina azy ny

toetra amam-panahiny. Ny fahambonian-toetra izay nahatonga azy ireo ho heni-kaja sady

natokisana dia avy tamin’ ny Baiboly no nahazoany azy ; nanjary simba anefa ireo

fanomezana tsara ireo ka voavily ho amin’ ny fanoherana ny tenin’ Andriamanitra.

Voatarika hanana ny fomba fisainan’ izy ireo i Miller tamin’ ny fiarahany taminy. Nisy

olana izay toa tsy hay vahana no fijeriny azy tamin’ ny fanazavana mahazatra ny Soratra

Masina ; nefa koa ilay finoany vaovao izay nitsipaka ny Baiboly dia tsy nitondra na inona na

inona tsaratsara kokoa ho solon’ izany, koa dia tsy mbola afa-po velively izy. Na izany aza,

dia notanany ihany izany fomba fisaina deista izany nandritra ny roa ambinifolo taona. Fony

238

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!