Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

fahamarinana vaovao sy namotsipotsitra fahadisoan-kevitra nankamamiana hatramin’ ny ela, ny ankabeazany kosa, tahaka ireo Jiosy tamin’ ny andron’ i Kristy na tahaka ireo papista tamin’ ny andron’ i Lotera, dia afa-po tamin’ ny finoana izay efa ninoan’ ireo razambeny sy nivelona araka izay nivelomany koa. Noho izany dia nitotongana ho fombafomba fotsiny indray ny fivavahana; ary tafatoetra sy nankamamiana ireo hevi-diso sy finoanoam-poana izay tokony ho nafoy raha nitohy nandeha teo amin’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra ny fiangonana. Tamin’ izany fomba izany no nahafaty miandalandalana ny toe-tsaina nampiefitana ny Fanavaozana ara-pivavahana, mandrapahatongan’ ny fotoana nilàna fanavaozana tao amin’ ny Fiangonana Protestanta tahaka ny nilana izany tao amin’ ny Fiangonana Katolika tamin’ ny andron’ i Lotera. Nisy tao koa ilay fitiavana an’ izao tontolo izao sy ilay fahadontoarta ara-panahy, ilay fanajana ny hevitr’ olombelona, sy fanoloana ny fampianaran’ ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny hevitr’ olombelona. Ny fielezan’ ny Baiboly be dia be tamin’ ny tapany voalohan’ ny taonjato fahasivy ambin’ ny folo, sy ny fahazavana lehibe naparasaka toy izany teo amin’ izao tontolo izao, dia tsy narahin’ ny fandrosoana mifanaraka amin’ izany teo amin’ ny fahalalana sy ny fahamarinana nambara, na teo amin’ ny fivavahana iainana. Tsy azon’ i Satana natao, tahaka ny teo aloha, ny nisakana ny tenin’ Andriamanitra tsy ho eo an-tanan’ ny vahoaka; voatolotra ho azon’ ny rehetra izany; nefa mba hanatanterahany ny zava-kendreny, dia notarihiny ny olona maro tsy hanome lanja firy izany. Nataon’ ny olona an-tsirambina ny fandinihana ny Soratra Masina, ary noho izany dia mbola nandray famoaboasana diso izy sy nankamamy fampianarana izay tsy nisy fototra teo amin’ ny Baiboly. Rehefa hitan’ i Satana fa tsy nahomby ny fiezahany hanapotika ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny fanenjehana, dia nampiasainy indray ny drafitry ny marimaritra iraisana izay nitarika fihemorana sy nahatonga ny fiforonan’ ny Fiangonan’ i Roma. Notaominy ankafetsena ny Kristiana hiray hina, tsy tamin’ ny mpivavaka amin’ ny sampy intsony amin’ ity indray mitoraka ity, fa tamin’ ireo izay nampiseho fankafizana ny zavatra eto amin’ izao tontolo izao izay nahatonga azy ho mpanompo sampy tahaka ireo mivavaka amin’ ny sary voasokitra ihany. Ary ny vokatr’ izany firaisana izany, dia nampidi-doza tsy latsaka noho ny teo aloha; nokolokoloina ny fireharehana sy ny fandaniambe nosaronana kapaotm’ ny fivavahana. Nitoby tamin’ ny fanodinana ny fampianaran’ ny Baiboly i Satana ka latsa-paka lalina ireo lovan-tsofina izay nanapotika olona antapitrisany. Nanohana sy niaro ireo lovantsofina ny fiangonana fa tsy niady ho an’ ny finoana izay natolotra indray mandeha ho an’ ny olona masina. Toy izany no nampitotongana ny foto-kevitra izay niezahan’ ireo Mpanavao fivavahana hajoro sy niaretany fampijaliana mafy tokoa. 224

Toko 17—Mpitondra Hafatry ny Maraina Ny anankiray amin’ ny hafatra miezinezina sy be voninahitra indrindra ambara ao amin’ ny Baiboly dia ilay momba ny fiverenan’ i Kristy fanindroany mba hameno ny asa lehiben’ ny fanavotana. Ho an’ ny zanak’ Andriamanitra izay navela hitoetra ela tokoa teto amin’ ity «lohasaha aloky ny fahafatesana» ity, dia misy fanantenana sarobidy miteraka fifaliana entin’ ny teny fikasana momba ny fisehoan’ Ilay «fananganana ny maty sy fiainana», izay hampody ilay noroahiny. Ny foto-pinoana momba ny fiverenan’ i Jesosy fanindroany no fanalahidin’ ny hevitry ny Soratra Masina rehetra. Hatramin’ ny andro izay nandiavan’ ireo mpivady voalohany ilay lalam-pahoriana niala an’ i Edena, dia efa niandry ny fiavian’ Ilay Nampanantenaina hanamontsana ny herin’ ny mpandringana sy hamerina azy ireo indray ho amin’ ilay Paradisa efa very ireo zanaky ny finoana. Nobanjinin’ ny olona masina fahiny ny fiavian’ ny Mesia amim-boninahitra, izay fanatanterahana ny fanantenany. I Enoka, izay vao taranaka fahafito monja avy tamin’ ireo nonina tao Edena, sy niara-nandeha telonjato taona tamin’ Andriamanitra tety an-tany, dia navela hitazana ny fiavian’ Ilay Mpanafaka. «Indro, hoy izy, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra».1 Raha tao anatin’ ny alim-pahoriana nahazo azy i Joba patriarka dia niteny tamin-toky tsy azo nohozongozonina hoe: «Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any amparany eo ambonin’ ny vovoka Izy. . . Sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra; eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa» ,2 Ny fiavian’ i Kristy izay hampiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny fahamarinana no aingampanahy nanesika ny mpanoratra masina hanao ireo fanambarana kanto sy manetsi-po indrindra. Ireo mpanao tononkalo sy ireo mpaminany ao amin’ ny Baiboly tamin’ ny alalan’ ny teny tomarataratry ny afon’ ny lanitra dia namisavisa an’ izany. Nanao an-kira ny hery sy ny voninahitry ny Mpanjakan’ Isiraely ny mpanao Salamo hoe: «Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy no amirapiratan’ Andriamanitra. Avy Andriamanitsika ka tsy hangina. . . Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsarany ny olony».3 «Aoka ho faly ny lanitra, ary ho ravoravo ny tany. . . Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, — eny, avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ ny fahamarinany».4 Hoy ny mpaminany Isaia: «Mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany dia hiteraka ny maty». «Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo no hamafa ny ranomaso amin’ ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny. Ary holazaina amin’ izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, Izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny isika»5 Ravoravo i Habakoka raha nibanjina ny fisehoany tao amin’ ny fahitana masina: «Tamy avy any Temana Andriamanitra, dia ny Iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana. Manarona ny lanitra ny voninahiny, ary manenika ny tany ny fiderana Azy. Misy 225

fahamarinana vaovao sy namotsipotsitra fahadisoan-kevitra nankamamiana hatramin’ ny

ela, ny ankabeazany kosa, tahaka ireo Jiosy tamin’ ny andron’ i Kristy na tahaka ireo papista

tamin’ ny andron’ i Lotera, dia afa-po tamin’ ny finoana izay efa ninoan’ ireo razambeny sy

nivelona araka izay nivelomany koa. Noho izany dia nitotongana ho fombafomba fotsiny

indray ny fivavahana; ary tafatoetra sy nankamamiana ireo hevi-diso sy finoanoam-poana

izay tokony ho nafoy raha nitohy nandeha teo amin’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra

ny fiangonana. Tamin’ izany fomba izany no nahafaty miandalandalana ny toe-tsaina

nampiefitana ny Fanavaozana ara-pivavahana, mandrapahatongan’ ny fotoana nilàna

fanavaozana tao amin’ ny Fiangonana Protestanta tahaka ny nilana izany tao amin’ ny

Fiangonana Katolika tamin’ ny andron’ i Lotera. Nisy tao koa ilay fitiavana an’ izao tontolo

izao sy ilay fahadontoarta ara-panahy, ilay fanajana ny hevitr’ olombelona, sy fanoloana ny

fampianaran’ ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny hevitr’ olombelona.

Ny fielezan’ ny Baiboly be dia be tamin’ ny tapany voalohan’ ny taonjato fahasivy

ambin’ ny folo, sy ny fahazavana lehibe naparasaka toy izany teo amin’ izao tontolo izao,

dia tsy narahin’ ny fandrosoana mifanaraka amin’ izany teo amin’ ny fahalalana sy ny

fahamarinana nambara, na teo amin’ ny fivavahana iainana. Tsy azon’ i Satana natao, tahaka

ny teo aloha, ny nisakana ny tenin’ Andriamanitra tsy ho eo an-tanan’ ny vahoaka;

voatolotra ho azon’ ny rehetra izany; nefa mba hanatanterahany ny zava-kendreny, dia

notarihiny ny olona maro tsy hanome lanja firy izany. Nataon’ ny olona an-tsirambina ny

fandinihana ny Soratra Masina, ary noho izany dia mbola nandray famoaboasana diso izy sy

nankamamy fampianarana izay tsy nisy fototra teo amin’ ny Baiboly.

Rehefa hitan’ i Satana fa tsy nahomby ny fiezahany hanapotika ny fahamarinana amin’

ny alalan’ ny fanenjehana, dia nampiasainy indray ny drafitry ny marimaritra iraisana izay

nitarika fihemorana sy nahatonga ny fiforonan’ ny Fiangonan’ i Roma. Notaominy

ankafetsena ny Kristiana hiray hina, tsy tamin’ ny mpivavaka amin’ ny sampy intsony amin’

ity indray mitoraka ity, fa tamin’ ireo izay nampiseho fankafizana ny zavatra eto amin’ izao

tontolo izao izay nahatonga azy ho mpanompo sampy tahaka ireo mivavaka amin’ ny sary

voasokitra ihany. Ary ny vokatr’ izany firaisana izany, dia nampidi-doza tsy latsaka noho ny

teo aloha; nokolokoloina ny fireharehana sy ny fandaniambe nosaronana kapaotm’ ny

fivavahana. Nitoby tamin’ ny fanodinana ny fampianaran’ ny Baiboly i Satana ka latsa-paka

lalina ireo lovan-tsofina izay nanapotika olona antapitrisany. Nanohana sy niaro ireo lovantsofina

ny fiangonana fa tsy niady ho an’ ny finoana izay natolotra indray mandeha ho an’

ny olona masina. Toy izany no nampitotongana ny foto-kevitra izay niezahan’ ireo

Mpanavao fivavahana hajoro sy niaretany fampijaliana mafy tokoa.

224

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!