Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

marimarina fa ho an’ izay ta-hanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ ny feon’ ny fieritreretany dia tsy toerana azo nipetrahana intsony i Angletera». J. G. Palfrey,History of New England, toko 3, andininy 43. Nony farany dia nisy nanapa-kevitra fa hitady fialofana any Holandy. Zava-tsarotra, fatiantoka, ary fampidirana am-ponja no nosetrainy. Nisy namadika ny fikasany, ka natolotra teo ampelatanan’ ny fahavalony izy. Nefa tamin’ ny farany dia naharesy ny fikirizany tsy azo nohozongozonina, ka nahita fialofana tany amin’ ny tanin’ ny Repoblikan’ i Holandy izay nivoha handray azy izy. Noho ny fandosirany, dia nilaozan’ izy ireo ny tranony, ny fananany ary ny antompivelomany. Vahiny tao amin’ ny tany tsy nahazatra azy izy, teo anivon’ ny vahoaka hafa fiteny sy hafa fomba amam-panao. Voatery nitady asa vaovao tsy mbola nataony izy mba hivelomany. Nisy olona efa zokinjokiny izay nandany ny androny rehetra tamin’ ny asatany, no voatery nianatra asa mampiasa milina izao. Nekeny tamim-pifaliana izany toerana izany ka tsy nandany andro nidonanam-poana na nitarainana izy. Na dia matetika aza no voaterin’ ny fahantrana izy, dia nisaotra an’ Andriamanitra noho ny fitahiana mbola nomeny azy ary nahita fifaliana teo amin’ ny firaisana ara-panahy tsy voahelingelina. «Fantany fa vahiny ny tenany ka tsy nihevitra firy ireo zavatra ireo fa nanandratra ny masony ho amin’ ny lanitra, ilay toerana maminy indrindra, ary nampitony ny sainy». —Bancroft, fizarana 1, toko 12, andininy 15. Mainka nihamafy orina ny fitiavany sy ny finoany na dia sesi-tany aza izy sady voahodidin’ ny zava-tsarotra. Natoky ny teny fikasan’ ny Tompo izy ireo ary tsy nandao azy tamin’ ny fotoana nilany Azy. Teo anilany ny anjely ka nampahery sy nanohana azy. Koa rehefa toa nanondro ny tanan’ Andriamanitra nibaiko azy hiampita ny ranomasina, ho any amin’ ny tany izay mety hananganan’ izy ireo fanjakana ho an’ ny tenany, ka ahazoany mamela ho an’ ny zanany ny fahafahana ara-pivavahana ho lova sarobidy, dia niroso izy ireo ka tsy nihemotra ho amin’ ny lalana nosokafan’ Andriamanitra teo alohany. Navelan’ Andriamanitra hihatra amin’ ny vahoakany ny fisedrana mba hanomana azy ho amin’ ny fanatanterahana ny fikasany feno fahasoavana momba azy ireo. Nampietrena ny fiangonana mba ahazoana nanandratra azy. Efa hadiva hampiseho ny heriny eo aminy Andriamanitra, mba hanomezany porofo mazava iray indray fa tsy handao ireo izay mahatoky Azy Izy. Nifehy ny toe-javatra nitranga izy mba hahatonga ny fahatezeran’ i Satana sy ny tetiky ny olondratsy hampandroso ny voninahiny ka hitondra ny vahoakany eo amin’ ny toerana azo antoka. Nampidanadana ny lalana ho amin’ ny fahafahana ny fanenjehana sy ny fanaovana an-tsesi-tany. Fony voatery voalohany hisaraka tamin’ ny Fiangonana Anglikana ry zareo «Puritains» dia nifamatotra tamin’ ny fifanekena manetriketrika izy, fa amin’ ny maha-vahoakan’ ny Tompo sady afaka azy, dia «hiara-mandeha eo amin’ ny lalana rehetra nampahafantarina na mbola hampahafantarina azy izy». J. Broron,The Pilgrim Fathers, p. 74. Io no tena fotokevitra iorenan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tena Protestanta. Noho io antony io no nialan’ ireo Mpivahiny tany Holandy ka nahitany fonenana vaovao tany Amerika. Izao no 218

teny nataon’ ny John Robinson, mpitandrina azy ireo, izay tsy afaka niaraka taminy noho ny fitondran’ Andriamanitra, raha nanao veloma ireto mpitsoa-ponenana izy: «Vetivety sisa ry rahalahy, dia hisaraka isika, ary ny Tompo no mahalala raha mbola velona aho hahita ny tavanareo indray. Nefa na izany na tsy izany no nokasain’ ny Tompo, dia mananatra anareo mafy aho eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny anjeliny masina tsy hanaraka ahy afa-tsy amin’ izay hanarahako an’ i Kristy ihany. Raha misy ambaran’ Andriamanitra aminareo amin’ ny alalan’ ny fiasana hafa eo am-pelatanany, dia aoka ho vonona ianareo handray izany tahaka ny naha-vonona anareo nandray izay fahamarinana tamin’ ny naha-mpitandrina ahy; satria matoky marimarina aho fa mbola manana fahamarinana sy fahazavana hafa aseho avy ao amin’ ny teniny masina ny Tompo». — Martyn, boky 5, p. 70. «Raha ny amiko, dia mafy loatra ny alaheloko eo am-pahitana ny toetry ny fiangonana nohavaozina, izay tonga eo amin’ ny tanjona iray raha ny momba ny ara-pivavahana, nefa ankehitriny dia tsy mety handroso lavidavitra kokoa noho ireo fiasana nitondra ny fanavaozana taminy. Tsy azo tarihina hihoatra izay hitan’ i Lotera ny Loterana;... ary hitanareo ny mpiandany amin’ i Calvin, fa mihizingizina eo amin’ izay namelan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra malaza azy, izay tsy mbola nahita ny zavatra rehetra akory. Zavamampalahelo sy mampahonena tokoa izany; satria na dia fahazavana nirehitra sy namirapiratra aza ireo tamin’ ny androny dia tsy mbola nahatakatra ny hevitr’ Andriamanitra rehetra izy, kanefa raha velona amin’ izao fotoana izao izy, dia ho vonona ny handray fahazavana bebe kokoa noho izay noraisiny tamin’ ny voalohany». — D. Neal, History of the Puritains,boky 1, p. 269. «Tsarovy ny voady nataonareo teo anatrehan’ ny fiangonana, izay nanekenareo handeha amin’ ny lalana rehetra hampahafantariny. Tsarovy ny fampanantenana sy ny fanekena nifanaovareo tamin’ Andriamanitra sy nifampanaovanareo avy, dia ny handray izay fahazavana sy fahamarinana rehetra hampahafantarina anareo avy amin’ ny Tenin’ Andriamanitra voasoratra; nefa koa, mitandrema, tany tsy mbola nisy mponina firy i Amerika tamin’ izany fotoana izany, fa vao hitan’ ny Eoropeana vao taonjato iray mahery kely foana. Miangavy anareo aho, ny amin’ izay raisinareo ho fahama-rinana, mba hampitahao sy lanjalanjao izany amin’ ny andininy hafa momba io fahamarinana io alohan’ ny hanekenareo azy; vao haingana loatra mantsy, avy tao amin’ ny haizina mikitroky ny fanoherana no naha-tafavoaka ny fivavahana kristiana avy amin’ izao tontolo izao ka tsy nety hisy izany hoe indray miseho avy hatrany ny fahafenoana tanteraky ny fahalalana».Martyn, boky 5, p. 70, 71. Ny faniriana hanana fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretany no nanainga ireo Mpivahiny hisetra ny loza mety hitranga amin’ ny lalan-davitra hiampitana ranomasina, hiaritra ny zavatsarotra sy ny loza amin’ ny famakivakiana tany foana, ary hametraka noho ny fitahian’ Andriamanitra ny fanorenan’ ny firenena mahery anankiray teny amin’ ny morontsirak’ i Amerika. Nefa na dia tso-po sy natahotra an’ Andriamanitra aza ireo 219

marimarina fa ho an’ izay ta-hanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ ny feon’ ny

fieritreretany dia tsy toerana azo nipetrahana intsony i Angletera». J. G. Palfrey,History of

New England, toko 3, andininy 43. Nony farany dia nisy nanapa-kevitra fa hitady fialofana

any Holandy. Zava-tsarotra, fatiantoka, ary fampidirana am-ponja no nosetrainy. Nisy

namadika ny fikasany, ka natolotra teo ampelatanan’ ny fahavalony izy. Nefa tamin’ ny

farany dia naharesy ny fikirizany tsy azo nohozongozonina, ka nahita fialofana tany amin’

ny tanin’ ny Repoblikan’ i Holandy izay nivoha handray azy izy.

Noho ny fandosirany, dia nilaozan’ izy ireo ny tranony, ny fananany ary ny antompivelomany.

Vahiny tao amin’ ny tany tsy nahazatra azy izy, teo anivon’ ny vahoaka hafa

fiteny sy hafa fomba amam-panao. Voatery nitady asa vaovao tsy mbola nataony izy mba

hivelomany. Nisy olona efa zokinjokiny izay nandany ny androny rehetra tamin’ ny asatany,

no voatery nianatra asa mampiasa milina izao. Nekeny tamim-pifaliana izany toerana

izany ka tsy nandany andro nidonanam-poana na nitarainana izy. Na dia matetika aza no

voaterin’ ny fahantrana izy, dia nisaotra an’ Andriamanitra noho ny fitahiana mbola nomeny

azy ary nahita fifaliana teo amin’ ny firaisana ara-panahy tsy voahelingelina. «Fantany fa

vahiny ny tenany ka tsy nihevitra firy ireo zavatra ireo fa nanandratra ny masony ho amin’

ny lanitra, ilay toerana maminy indrindra, ary nampitony ny sainy». —Bancroft, fizarana 1,

toko 12, andininy 15.

Mainka nihamafy orina ny fitiavany sy ny finoany na dia sesi-tany aza izy sady

voahodidin’ ny zava-tsarotra. Natoky ny teny fikasan’ ny Tompo izy ireo ary tsy nandao azy

tamin’ ny fotoana nilany Azy. Teo anilany ny anjely ka nampahery sy nanohana azy. Koa

rehefa toa nanondro ny tanan’ Andriamanitra nibaiko azy hiampita ny ranomasina, ho any

amin’ ny tany izay mety hananganan’ izy ireo fanjakana ho an’ ny tenany, ka ahazoany

mamela ho an’ ny zanany ny fahafahana ara-pivavahana ho lova sarobidy, dia niroso izy

ireo ka tsy nihemotra ho amin’ ny lalana nosokafan’ Andriamanitra teo alohany.

Navelan’ Andriamanitra hihatra amin’ ny vahoakany ny fisedrana mba hanomana azy ho

amin’ ny fanatanterahana ny fikasany feno fahasoavana momba azy ireo. Nampietrena ny

fiangonana mba ahazoana nanandratra azy. Efa hadiva hampiseho ny heriny eo aminy

Andriamanitra, mba hanomezany porofo mazava iray indray fa tsy handao ireo izay

mahatoky Azy Izy. Nifehy ny toe-javatra nitranga izy mba hahatonga ny fahatezeran’ i

Satana sy ny tetiky ny olondratsy hampandroso ny voninahiny ka hitondra ny vahoakany eo

amin’ ny toerana azo antoka. Nampidanadana ny lalana ho amin’ ny fahafahana ny

fanenjehana sy ny fanaovana an-tsesi-tany.

Fony voatery voalohany hisaraka tamin’ ny Fiangonana Anglikana ry zareo «Puritains»

dia nifamatotra tamin’ ny fifanekena manetriketrika izy, fa amin’ ny maha-vahoakan’ ny

Tompo sady afaka azy, dia «hiara-mandeha eo amin’ ny lalana rehetra nampahafantarina na

mbola hampahafantarina azy izy». J. Broron,The Pilgrim Fathers, p. 74. Io no tena fotokevitra

iorenan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tena Protestanta. Noho io antony io no

nialan’ ireo Mpivahiny tany Holandy ka nahitany fonenana vaovao tany Amerika. Izao no

218

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!