Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

nailiky ny Filan-kevim-pirenena mazava ny didin’ Andriamanitra. Ary nandritra ny fanjakan’ ny Horohoro izay nanaraka izany, dia hitan’ ny rehetra ny fisian’ ny lalàna milaza fa tsy maintsy misy vokany ny atao. Rehefa nandà an’ Andriamanitra ampahibemaso sy nitsipaka ny Baiboly i Frantsa, dia nibitaka ny fanahy ratsy sy ireo fanahin’ ny maizina noho ny nahatratrarany ny zavatra niriny efa ela — dia fanjakana afaka amin’ ny fameperan’ ny lalàn’ Andriamanitra — «Saingy tsy tanterahana vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovandratsy».14 Ny fandikana ny lalàna araka ny hitsiny sy ny rariny dia mitondra fahoriana sy fahafatesana ho vokatra tsy azo ialana. Na dia tsy mihatra avy hatrany aza ny fitsarana, dia miasa amin’ ny fomba azo antoka hahatanteraka ny anjara ratsin’ ny olona ny haratsiampanahiny. Efa nanangona fahatezerana ho amin’ ny andro famaliana ireo taonjato nisian’ ny fihemorana sy ny heloka bevava; ary rehefa feno ny fatran’ ny helony, dia efa diso aoriana loatra ny nianaran’ ireo mpanamavo an’ Andriamanitra fa zava-mahatahotra ny mandritra ny faharipon’ Andriamanitra. Azo lazaina fa niala ny Fanahin’ Andriamanitra mamefy izay misakana ny hery lozaben’ i Satana, ka nomena alalana hanatanteraka ny sitrapony ilay tsy mifaly afa-tsy amin’ ny fahorian’ ny olombelona. Ireo izay nifidy ny hanompo ny fikomiana dia navela hijinja ny vokatr’ izany mandra-pahatongan’ ny tany ho heniky ny heloka bevava mahatsiravina loatra ka tsy azon’ ny penina soritana. Re avy tamin’ ireo faritany nanjary lao sy avy tamin’ ireo tanàn-dehibe rava ny feo mampivarahontsana dia feo mitory tebiteby mahatsiravina. Tahaka ny horohoron-tany ny hery nanozongozona an’ i Frantsa. Ny fivavahana, ny lalàna, ny rafitry ny fiarahamonina, ny fianakaviana, ny fanjakana sy ny fiangonana izany rehetra izany dia samy nopotehin’ ny tanana tsy masina izay nisandratra hanohitra ny lalàn’ Andriamanitra avokoa. Marina ny tenin’ ny olon-kendry hoe: «Ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany». «Eny fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany. Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy» 15. «Satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah», «dia hihinana ny vokatry ny alehany izy ka ho voky ny fihendreny» 16. Ireo vavolombelona mahatokin’ Andriamanitra, izay matin’ ilay fahefana miteny ratsy an’ Andriamanitra izay niakatra avy tamin’ ny lavaka tsy hita noanoa, «dia tsy nangina ela tsy akory». «Ary rehefa afaka ny hateloan’ andro sy tapany, dia nisy fanahin’ aina avy tamin’ Andriamanitra niditra tao anatin’ ireo, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy».17 Tamin’ ny taona 1793 no nandalo tao amin’ ny Antenimieram-pirenena Frantsay ireo izay nandrava ny fivavahana Kristiana. Telo taona sy tapany tatý aoriana dia nisy fanapahankevitra nanafoana ireo lalàna ireo, sy nanome fahalalana mikasika ny Soratra Masina izay neken’ io Antenimiera io ihany. Nampitolagaga an’ izao tontolo izao ny halehiben’ ny heloka vokatry ny fandavana ny Teny Masin’ Andriamanitra ka neken’ ny olona ny ilàna ny finoana an’ Andriamanitra sy ny teniny ho fototry ny fitondrantena. Hoy ny Tompo: «Fa iza no nohaikenao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny 214

feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely» 18 «Koa, indro, hampahafantariko azy amin’ izao indray mandeha izao. Eny, hampahafantariko azy ny tànako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako». 19 Izao indray no lazain’ ny mpaminany mikasika ireo vavolom-belona roa: «Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atý. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony». 20 Hatramin’ ny niadian’ i Frantsa tamin’ ireo vavolombelon’ Andria-manitra roa ireo, dia tsy mbola nomem-boninahitra toy izany izy. Tamin’ ny taona 1804 dia naorina ny Fikambanana mampiely Baiboly Anglisy sy Vahiny*. Nisy Fikambanana mitovy tamin’ izany koa nanaraka io izay nisy sampany maro tany Eoropa. Tamin’ ny taona 1816 dia naorina ny Fikambanana mampiely Baiboly Amerikana. Fony naorina ny Fikambanana Anglisy dia efa natonta sy naely tamin’ ny fiteny dimam-polo ny Baiboly. Hatramin’ izay dia nadika tamin’ ny fitenim-paritra an-jatony maro izany. (Jereo Fanampiny) Nandritra ny dimam-polo taona nialoha ny 1792, dia tsy nisy fiheverana firy ny asa tany ampitan-dranomasina. Tsy nisy fikambanana vaovao niforona, ary tsy nisy afa-tsy fiangonana vitsy no nanao ezaka hampielezana ny fivavahana Kristiana tany amin’ ny tanin’ ny jentilisa. Nefa teo amin’ ny faramparan’ ny taonjato fahavalo ambinifolo dia nisy fiovana lehibe niseho. Tsy afa-po tamin’ ny vokatry ny «rasionalisma» (foto-kevitra mitarika tsy hino afa-tsy izay tratry ny saina) ny olona ka nahatonga ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy ny fivavahana iainana. Hatramin’ io fotoana io dia nandroso tsy toy ny teo aloha ny asa tany amin’ ny misiona ampitan-dranomasina. Nampitombo ny asa fampielezana Baiboly ny fandrosoan’ ny fanontam-printy. Nampidanadana ny lalana idiran’ ny tenin’ Andriamanitra ny fifandraisana nihamora hatrany nisy tamin’ ireo tany samihafa, ny firodanan’ ireo fefy teo aloha natsangan’ ny fiheverana diso nibahana tao an-tsaina sy ny fitokatokanan’ ny firenena, ary ny nahavery ny fahefana ara-politika teo am-pelatanan’ ny papa tao Roma. Nandritra ny taona vitsivitsy dia namidy tsy nisy fisakantsankanana teny amin’ ny araben’ i Roma ny Baiboly, ary ankehitriny dia efa niely amin’ ny faritra rehetra misy olona eto amin’ izao tontolo izao. Nirehareha fatratra i Voltaire, mpanoratra frantsay tamin’ ny taonjato fahavalo ambinifolo, lehilahy tsy nino an’ Andriamanitra, raha niteny indray andro nanao hoe: «Mahavalalanina ahy ny mandre fa olona roa ambinifolo no nanangana ny Fivavahana Kristiana. Hoporofoiko fa olona iray dia ampy handrodana an’ izany». Nisy taranaka nifandimby hatramin’ ny nahafatesany, an-tapitrisany ny olona nanampy hiady tamin’ ny Baiboly. Nefa sanatria azy ny ho levona, fa tamin’ ny toerana izay nisian’ ny Baiboly zato tamin’ ny andron’ i Voltaire, ankehitriny dia misy bokin’ Andriamanitra iray alina, eny iray hetsy aza. Araka ny tenin’ ny Mpanavao fivavahana anankiray anisan’ ny voalohany, mikasika ny fiangonana Kristiana, dia «riandriana izay nanamongomongo tantanana maro ny Baiboly». Hoy ny Tompo: «Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina ary ny lela rehetra izay miady aminao, dia horesena lahatra».21 215

feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin’ ny

Isiraely» 18 «Koa, indro, hampahafantariko azy amin’ izao indray mandeha izao. Eny,

hampahafantariko azy ny tànako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako». 19

Izao indray no lazain’ ny mpaminany mikasika ireo vavolom-belona roa: «Ary nahare

feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atý. Dia niakatra ho any

an-danitra tao anatin’ ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony». 20 Hatramin’ ny

niadian’ i Frantsa tamin’ ireo vavolombelon’ Andria-manitra roa ireo, dia tsy mbola

nomem-boninahitra toy izany izy. Tamin’ ny taona 1804 dia naorina ny Fikambanana

mampiely Baiboly Anglisy sy Vahiny*. Nisy Fikambanana mitovy tamin’ izany koa

nanaraka io izay nisy sampany maro tany Eoropa. Tamin’ ny taona 1816 dia naorina ny

Fikambanana mampiely Baiboly Amerikana. Fony naorina ny Fikambanana Anglisy dia efa

natonta sy naely tamin’ ny fiteny dimam-polo ny Baiboly. Hatramin’ izay dia nadika tamin’

ny fitenim-paritra an-jatony maro izany. (Jereo Fanampiny)

Nandritra ny dimam-polo taona nialoha ny 1792, dia tsy nisy fiheverana firy ny asa tany

ampitan-dranomasina. Tsy nisy fikambanana vaovao niforona, ary tsy nisy afa-tsy

fiangonana vitsy no nanao ezaka hampielezana ny fivavahana Kristiana tany amin’ ny tanin’

ny jentilisa. Nefa teo amin’ ny faramparan’ ny taonjato fahavalo ambinifolo dia nisy fiovana

lehibe niseho. Tsy afa-po tamin’ ny vokatry ny «rasionalisma» (foto-kevitra mitarika tsy

hino afa-tsy izay tratry ny saina) ny olona ka nahatonga ny fanambarana avy amin’

Andriamanitra sy ny fivavahana iainana. Hatramin’ io fotoana io dia nandroso tsy toy ny teo

aloha ny asa tany amin’ ny misiona ampitan-dranomasina.

Nampitombo ny asa fampielezana Baiboly ny fandrosoan’ ny fanontam-printy.

Nampidanadana ny lalana idiran’ ny tenin’ Andriamanitra ny fifandraisana nihamora

hatrany nisy tamin’ ireo tany samihafa, ny firodanan’ ireo fefy teo aloha natsangan’ ny

fiheverana diso nibahana tao an-tsaina sy ny fitokatokanan’ ny firenena, ary ny nahavery ny

fahefana ara-politika teo am-pelatanan’ ny papa tao Roma. Nandritra ny taona vitsivitsy dia

namidy tsy nisy fisakantsankanana teny amin’ ny araben’ i Roma ny Baiboly, ary

ankehitriny dia efa niely amin’ ny faritra rehetra misy olona eto amin’ izao tontolo izao.

Nirehareha fatratra i Voltaire, mpanoratra frantsay tamin’ ny taonjato fahavalo

ambinifolo, lehilahy tsy nino an’ Andriamanitra, raha niteny indray andro nanao hoe:

«Mahavalalanina ahy ny mandre fa olona roa ambinifolo no nanangana ny Fivavahana

Kristiana. Hoporofoiko fa olona iray dia ampy handrodana an’ izany». Nisy taranaka

nifandimby hatramin’ ny nahafatesany, an-tapitrisany ny olona nanampy hiady tamin’ ny

Baiboly. Nefa sanatria azy ny ho levona, fa tamin’ ny toerana izay nisian’ ny Baiboly zato

tamin’ ny andron’ i Voltaire, ankehitriny dia misy bokin’ Andriamanitra iray alina, eny iray

hetsy aza. Araka ny tenin’ ny Mpanavao fivavahana anankiray anisan’ ny voalohany,

mikasika ny fiangonana Kristiana, dia «riandriana izay nanamongomongo tantanana maro

ny Baiboly». Hoy ny Tompo: «Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy

hisy hambinina ary ny lela rehetra izay miady aminao, dia horesena lahatra».21

215

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!