Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

nirona tamin’ ny filan’ ny nofo. Ny antokon’ olona ambony ratsy fitondrantena sy lozabe, ny antokon’ olona ambany nihanahantra sady tsy nanam-pahalalana, ny fanjakana sahirana ara-bola ary ny vahoaka tofoka, koa dia tsy nilaina akory ny ho mpaminany mba hahita mialoha ny fikomiana mahatsiravina nananontanona. Nahazatra ny mpanjaka ny namaly ireo fampitandremana nataon’ ny mpanolotsaina azy toy izao: «Ataovy izay hampandeha ny zavatra rehetra raha mbola velona koa aho; rehefa maty aho dia izay alehany alehany». Tsy nisy vokany ny fanehoana fa tena nilaina ny fanavaozana. Hitany ny zavatra tsy nety, nefa samy tsy nananany na ny fahasahiana na ny herim-po hoenti-misetra izany. Ny loza mahatsiravina niandry an’ i Frantsa dia tena hita taratra tao amin’ ilay valinteniny feno tsy firaharahana sy tia tena hoe : «Rehefa maty aho tsy raharahako izay hitranga !» Nanararaotra ny fahasaro-piaron’ ireo mpanjaka sy ny an’ ireo sarangan’ olona mpifehy i Roma, mba hitaona azy tamin’ ny fomba mangina hangeja ny vahoaka ao amin’ ny fanandevozana, fantany tsara mantsy fa hahaosa ny fanjakana izany ka nokasainy tamin’ io fomba io ny hamatotra ny mpifehy sy ny vahoaka ao amin’ ny fanandevozany. Ny tetika lavitr’ ezaka nataony dia nahatsinjovany fa raha tiana ny hanandevo marina ny olona, dia tsy maintsy ny fanahiny no gadraina; tsapany fa ny fomba azo antoka indrindra hisakanana azy ireo tsy ho afaka amin’ ny fanandevozana dia ny fanamboarana azy tsy ho afaka mandray fahafahana. Fahoriana mahatsiravina arivo heny noho ny fahoriana ara-nofo no vokatry ny tetika nataony, dia ny fitotonganana ara-pitondrantena. Noho ny vahoaka tsy nanana ny Baiboly sady nafoy ho tratry ny fampianarana mitory fitiavambavaka diso lalana sy fitiavantena, dia voasaron’ ny tsy fahalalana sy ny finoanoampoana izy sady tafalentika tao amin’ ny fanaovandratsy, hany ka tsy vonona velively hifehy ny tenany mihitsy. Ny vokatr’ izany rehetra izany anefa dia tena samihafa lavitra tamin’ izay nokasain’ i Roma. Tsy nitana ny sarambabembahoaka hanaiky anjamba ny fampianarany izany. fa ny vokatry ny asany kosa dia nahatonga azy ireo tsy hino ny fisian’ Andriamanitra sy ho mpikomy. Nohamavoiny ny fivavahan’ i Roma fa hafetsen’ ny pretra, hoy izy. Noraisiny ho nandray anjara tamin’ ny fampahoriana azy ny mpitondra fivavahana. Ny hany andriamanitra fantatr’ ireo hoy izy dia ny andriamanitr’ i Roma; ny fampianaran’ i Roma no hany fivavahany. Noheveriny fa vokatra ara-dalàna avy amin’ ny Baiboly ny fitiavan-karena tafahoatra tao amin’ izy ireo sy ny halozany, koa dia tsy nila izany na kely akory aza izy. Diso ny fanehoan’ i Roma ny toetra amam-panahin’ Andria-manitra ary tamin’ ny endrika tsy mahatehotia no nampisehoany ny lalàny, ary izao kosa dia samy nolavin’ ny olona na ny Baiboly na Ilay nanoratra azy. Finoana jamba ny fampianarany no efa notakiny, izay nihamboany fa araka ny Soratra Masina. Ho valin’ izany kosa, dia notsipahin’ i Voltaire (mpanoratra frantsay tamin’ ny taonjato fahavalo ambinifolo) sy ireo namany ny tenin’ Andriamanitra manontolo ka naeliny hatraiza hatraiza ny poizin’ ny tsy finoana. Efa nohosihosen’ i Roma tamin’ ny tany teo ambanin’ ny ombalahitongony vy ny vahoaka; fa ankehitriny kosa nitsipaka ny fifehezana azy rehetra ireo vahoaka alikisa, izay efa nivarilavo sy nanjary lozabe, ho setrin’ ny fanjakazakana natao taminy. Romotra izy izao mahita ny fitaka manjelanjelatra nankalazainy elabe izay ka samy niaranolaviny avokoa na ny 210

fahamarinana na ny hevi-diso ; noheveriny ho fahafahana ny filibana, ka nampibitaka ireo andevon’ ny filan-dratsy ny fahafahana novolavolain’ ny sainy. Tamin’ ny fiandohan’ ny Tolom-piavotana, dia nilefitra ny mpanjaka ka nekeny ny hananan’ ny vahoaka solontena maro an’ isa noho ny an’ ny andriana sy ny mpitondra fivavahana nitambatra. Nitongilana tany aminy izany ny lanjan’ ny fahefana; nefa tsy voaomana hampiasa izany tamim-pahamendrehana sy araka ny onony izy. Nahamay azy ny hanarina ny tsy nety izay nampahory azy ka nanapa-kevitra ny hanorina indray ny fiarahamonina izy. Feno ny fahatsiarovana mangidy ny ratsy natao taminy, izay nokotrehiny hatry ny ela, ny sain’ io vahoaka notevatevaina io, ka vonona ny hanova tanteraka ny toepahoriana izay efa tsy zakany intsony izy ary hamaly faty amin’ ireo izay noheveriny ho tompon’ antoky ny fijaliany. Nampiarin’ ireo nampahoriana ny lesona efa nianarany tamin’ ny nanjakazakana taminy ka nivadika ny rasa ka izy indray no mpanjakazaka tamin’ ireo nanjakazaka taminy. Izay nafafìn’ i Frantsa dia nojinjainy tao amin’ ny ra. Nahatsiravina ny vokatry ny fileferany teo ambany fahefan’ i Roma izay nifehy azy. Teo amin’ ny toerana izay nananganan’ i Frantsa ny antontan-kitay voalohany noho ny asa mangina nataon’ i Roma taminy, tamin’ ny fiandohan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana, teo amin’ io toerana io no nananganan’ ny Revolisiona ny fanapahany loha voalohany. Teo amin’ ny toerana indrindra izay nandorana velona ireo maritioran’ ny finoana Protestanta voalohany tamin’ ny taonjato fahenina ambinifolo, teo koa no nanapahan-doha ireo babon’ ny vahoaka tamin’ ny taonjato fahavalo ambinifolo. Nolavin’ i Frantsa ny Filazantsara izay ho nitondra fanasitranana ho azy, ka nadanadanany ny varavarana hidiran’ ny tsy finoana sy ny faharavana. Rehefa notsipahina ny fameperan’ ny lalàn’ Andriamanitra, dia hita fa tsy afaka hanakana ny fisamontan’ ny filana ambany ao amin’ ny olona ny lalàn’ olombelona; ka nofaohin’ ny fikomiana sy ny korontana ny firenena. Nanokatra vaninandro izay lazaina ho andron’ ny Horohoro ao amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao ny ady natao tamin’ ny Baiboly. Voaroaka tsy ho ao an-tokantrano sy tsy ho ao am-pon’ ny olona ny fiadanana sy ny fahasambarana. Nandry tsy lavo loha ny isam-batan’ olona. Izay nandresy androany dia noahiahina, nomelohina ny ampitson’ iny. Nanjaka tsy nisy ady hevitra ny herisetra sy ny filana ambany. Voatery tsy fidiny niaritra ny habibian’ ny vahoaka romotra sy maimbo ra ny mpanjaka sy ny andriana ary ny mpitondra fivavahana. Vao mainka nandranitra ny hetahetany hamaly faty ny namonoana ny mpanjaka; ary vetivety dia notapahin-doha tahaka azy koa ireo nanameloka azy ho faty. Tapaka ny hevitra fa hatao vono-moka izay rehetra noahiahina fa tsy nankasitraka ny Tolompiavotana. Hipoka ny tranomaizina, ary indray mandeha aza dia nihoatra ny roa hetsy ny isan’ ny mpigadra. Feno toe-javatra nampihoron-koditra ireo tanàndehibe tao amin’ ny fanjakana. Nifandrafy ireo antoko samy mpanohana ny Tolompiavotana, ka i Frantsa dia nanjary saha nidadasika izay nifandonan’ ny vahoaka marobe, nentanin’ ny fihetseham-po nirehitra. «Tao Parisy dia nanao sesilany ny rotaka, ka nizarazara ho antoko nifanjevo be ihany ny olona, izay toa tsy nanana tarigetra afa-tsy ny 211

fahamarinana na ny hevi-diso ; noheveriny ho fahafahana ny filibana, ka nampibitaka ireo

andevon’ ny filan-dratsy ny fahafahana novolavolain’ ny sainy.

Tamin’ ny fiandohan’ ny Tolom-piavotana, dia nilefitra ny mpanjaka ka nekeny ny

hananan’ ny vahoaka solontena maro an’ isa noho ny an’ ny andriana sy ny mpitondra

fivavahana nitambatra. Nitongilana tany aminy izany ny lanjan’ ny fahefana; nefa tsy

voaomana hampiasa izany tamim-pahamendrehana sy araka ny onony izy. Nahamay azy ny

hanarina ny tsy nety izay nampahory azy ka nanapa-kevitra ny hanorina indray ny fiarahamonina

izy. Feno ny fahatsiarovana mangidy ny ratsy natao taminy, izay nokotrehiny hatry

ny ela, ny sain’ io vahoaka notevatevaina io, ka vonona ny hanova tanteraka ny toepahoriana

izay efa tsy zakany intsony izy ary hamaly faty amin’ ireo izay noheveriny ho

tompon’ antoky ny fijaliany. Nampiarin’ ireo nampahoriana ny lesona efa nianarany tamin’

ny nanjakazakana taminy ka nivadika ny rasa ka izy indray no mpanjakazaka tamin’ ireo

nanjakazaka taminy.

Izay nafafìn’ i Frantsa dia nojinjainy tao amin’ ny ra. Nahatsiravina ny vokatry ny

fileferany teo ambany fahefan’ i Roma izay nifehy azy. Teo amin’ ny toerana izay

nananganan’ i Frantsa ny antontan-kitay voalohany noho ny asa mangina nataon’ i Roma

taminy, tamin’ ny fiandohan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana, teo amin’ io toerana io no

nananganan’ ny Revolisiona ny fanapahany loha voalohany. Teo amin’ ny toerana indrindra

izay nandorana velona ireo maritioran’ ny finoana Protestanta voalohany tamin’ ny taonjato

fahenina ambinifolo, teo koa no nanapahan-doha ireo babon’ ny vahoaka tamin’ ny taonjato

fahavalo ambinifolo. Nolavin’ i Frantsa ny Filazantsara izay ho nitondra fanasitranana ho

azy, ka nadanadanany ny varavarana hidiran’ ny tsy finoana sy ny faharavana. Rehefa

notsipahina ny fameperan’ ny lalàn’ Andriamanitra, dia hita fa tsy afaka hanakana ny

fisamontan’ ny filana ambany ao amin’ ny olona ny lalàn’ olombelona; ka nofaohin’ ny

fikomiana sy ny korontana ny firenena. Nanokatra vaninandro izay lazaina ho andron’ ny

Horohoro ao amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao ny ady natao tamin’ ny Baiboly. Voaroaka

tsy ho ao an-tokantrano sy tsy ho ao am-pon’ ny olona ny fiadanana sy ny fahasambarana.

Nandry tsy lavo loha ny isam-batan’ olona. Izay nandresy androany dia noahiahina,

nomelohina ny ampitson’ iny. Nanjaka tsy nisy ady hevitra ny herisetra sy ny filana

ambany.

Voatery tsy fidiny niaritra ny habibian’ ny vahoaka romotra sy maimbo ra ny mpanjaka

sy ny andriana ary ny mpitondra fivavahana. Vao mainka nandranitra ny hetahetany hamaly

faty ny namonoana ny mpanjaka; ary vetivety dia notapahin-doha tahaka azy koa ireo

nanameloka azy ho faty. Tapaka ny hevitra fa hatao vono-moka izay rehetra noahiahina fa

tsy nankasitraka ny Tolompiavotana. Hipoka ny tranomaizina, ary indray mandeha aza dia

nihoatra ny roa hetsy ny isan’ ny mpigadra. Feno toe-javatra nampihoron-koditra ireo tanàndehibe

tao amin’ ny fanjakana. Nifandrafy ireo antoko samy mpanohana ny Tolompiavotana,

ka i Frantsa dia nanjary saha nidadasika izay nifandonan’ ny vahoaka marobe,

nentanin’ ny fihetseham-po nirehitra. «Tao Parisy dia nanao sesilany ny rotaka, ka

nizarazara ho antoko nifanjevo be ihany ny olona, izay toa tsy nanana tarigetra afa-tsy ny

211

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!