Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

nadrodroka tao amin’ ny efitra etin’ ny fonja. An’ arivoarivony no nandositra namonjy ny ainy ary nitohy izany nandritra ny dimampolo amby roan-jato taona, taty aorian’ ny niantombohan’ ny Reformasiona. «Saiky tsy nisy mihitsy taranaka frantsay nandritra io fotoana lavabe io izay tsy nahita maso ny mpanaraka ny filazantsara nando-sitra ny haromotana vokatry ny fahaverezantsain’ ny mpanenjika azy, ary nanaraka azy ireo tamin’ izany, ny fahaizany, ny hakingany, ny zotom-po hiasa, ny filaminana, izay nampiavaka azy ireo indrindra, araka ny fahita mazanaka nentiny nampanankarena ny tany nahitany fialofana. Ary arakaraka ny namenoany ny tany hafa tamin’ ireo fanomezana sarobidy ireo, no nanabangany ny taniny tsy hanana izany. Raha toa ka voatana tao Frantsa avokoa izay rehetra nentina niala tao; raha ohatra ka nentina nanolokoloana ny taniny ny fahaizana momba ny taozavatra hita teo amin’ izay natao sesi-tany nandritra ireo telon-jato taona ireo; raha toa ka nampiasaina hanatsarana ny trano fanaovan-taozavatra ny hakingana nananany nandritra ireo telon-jato taona ireo; raha nampiasaina hanatsarana haisoratra sy hanolokoloana ny siansa ary ny saina mahaforon-javatra sy mahakarakara; raha toa ka nitarika ny fiheveran-draharahampanjakana tany Frantsa ny fahendren’ izy ireo, ny herim-pony, ny ady nikatrohany, ny fandalany ny rariny namolavola ny lalàny, ary ny fivavahan’ ny Baiboly nanatanjaka ny saina sy nifehy ny feon’ ny fieritreretan’ ny vahoaka, dia voninahitra manao ahoana ankehitriny no ho nampamirapiratra an’ i Frantsa! Ho firenena lehibe, — mandroso sy sambatra — ary tonga ohatra — ho an’ ny firenena izy! «Nefa noho ny hafanam-po tafahoatra nenti-nanaraka Fivavahana diso lalana izay nahatonga hajambana tsy azo nivalozana, dia noroahina niala tamin’ ny taniny izay rehetra nampianatra ny toetra tsara, izay rehetra niaro ny filaminana, izay rehetra tena nanohana marina ny seza fiandrianana; hoy izy tamin’ ny olona izay nety nahatonga ny tanindrazany ho «rehareha sy tabiha» eto an-tany: Fidio izay tianao, na ho dorana velona ianao na hatao sesi-tany. Farany dia rava tanteraka ny fanjakana; tsy nisy intsony ny olona horarana tsy hanaraka ny feon’ ny fieritreretany; tsy nisy intsony mpivavaka hotaritarihina hodorana velona; tsy nisy intsony tia tanindrazana hohazaina sy horoahina» Wylie, boky 13, toko 20. Koa dia izany no vokatra mahatsiravin’ ny Tolom-piavotana sy ny horohoro naterany. «Rehefa lasa ny Huguenots dia nisy fitotonganana tamin’ ny ankapobeny nanjo an’ i Frantsa. Nikororosy fahana ireo tanàndehibe nisy taozavatra niroborobo; niverina tamin’ ny naha-tany lava volo azy ny faritra nahavokatra; fahadontoana ara-tsaina sy fihemorana arapitondrantena no nandimby ny fotoana nisian’ ny fandrosoana nahatalanjona. Nanjary toeram-piantrana midadasika i Parisy, ary araka ny vinavina, tamin’ ny fotoana nipoahan’ ny Tolom-piavotana, dia mahantra roa hetsy no nangata-piantrana tamin’ ny mpanjaka. Ny Zezoita ihany no niroborobo teo amin’ ny firenena niharava, ary nifehy tamin’ ny fanjakazakana nampihorohoro ny fiangonana, ny sekoly, ny fonja sy ny sambo fivoin’ ny andevo izy ireo». 208

Ny filazantsara no ho afaka namaha ireo olana ara-politika sy ara-piaraha-monina tany Frantsa izay nahavàka ny hakingan’ ny mpitondra fivavahana teo aminy, ny mpanjakany sy ny mpanao lalàna, ka nony farany dia nampiroboka ny firenena tao amin’ ny korontana sy ny faharavana. Noho ny fanapahan’ i Roma anefa dia hadinon’ ny vahoaka ny lesona feno fítahian’ ny fahafoizan-tena sy ny fitiavana tsy nitady ny azy nomen’ ny Mpamonjy. Efa voatarika lavitry ny fampiharana ny fahafoizan-tena hanaovana soa ho an’ ny hafa izy. Ny manankarena dia tsy voateniteny tamin’ ny fampijaliany ny mahantra, ny mahantra tsy nisy nanampy teo amin’ ny fanandevozana azy sy teo amin’ ny fitotonganany. Nihanivandravandra hatrany sy nangeja bebe kokoa ny fitiavantenan’ ny mpanankarena sy ny nanampahefana. Nanjary famoretana nanosihosy ny tantsaha ny fitsiriritana sy ny fitondrantena maloton’ ny andriana nandritra ny taonjato maro. Ny manankarena nanao ny tsy mety tamin’ ny mahantra, ary ny mahantra nankahala ny manankarena. Tany amin’ ny faritany maro dia ny andriana no tompon’ ny tany ary ny mpiasa dia mpanofa fotsiny; nananan’ ny tompon-tany fahefana tanteraka izy ireo ary voatery nilefitra tamin’ ny fitakiana nihoapampana nataony. Ny enta-mavesatry ny fanohanana ny fìangonana sy ny fanjakana dia nianjady tamin’ ny sarangan’ olona antonontonona sy ambany izay nandoa ny hetra mavesatra ho an’ ny fanjakana sy ny mpitondra fivavahana. «Noraisina ho lalàna faratampony izay tian’ ny andriana; na maty noana aza ny mpamboly sy ny mpiompy, dia tsy noraharahain’ ny mpampijaly azy izany na dia kely akory aza. . . Voatery hihevitra ny tombon-tsoa samirerin’ ny tompon-tany ny vahoaka isaky ny mihetsika. Fiainana mifototra amin’ ny asa tsy an-kijanona sy fahoriana tsy misy fiatoana ny fiainan’ ny mpamboly ; nohamavoina sy tsy nohajaina ny fitarainany raha sahy nitaraina izy ireo. Nanome rariny mandrakariva ny andriana izay nanana ady tamin’ ny tantsaha ny fìtsarana; nalaza ratsy tamin’ ny fandraisana kolikoly ny mpitsara; ary ny haitraitran’ ireo taranak’ andriana, na dia izay bitika indrindra aza, dia nanan-kery toy ny lalàna, noho io fahalovana nahenika hatraiza hatraiza io. Ny amin’ ireo hetra izay nalaina an-keriny tamin’ ny sarambabembahoaka, na izay nalain’ ireo tremalahy teo amin’ izao tontolo izao, na izay nalain’ ireo mpitondra fivavahana, dia zara raha mby tao amin’ ny tahirin’ ny mpanjaka’ ny antsasany na tao amin’ ny tahirin’ ny fiangonana; ny sisa dia nolanilaniana foana tamin’ ny fanaranampon’ ny filàna. Ary ny olona izay nampahantra toy izany ny namany dia afaka tamin’ ny hetra, ary nanana zo handray ny karamampanjakana rehetra araka ny lalàna na araka ny fanao raikitra. Sahabo ho dimy alina sy iray hetsy ireo olona nahazo tombon-tsoa ary mba hanomezana fahafaham-po azy ireo, dia voaheloka ho amin’ ny fiainana tsy misy fanantenana sady mahamenatra ny olona antapitrisany». (Jereo Fanampiny). Nanaram-po tamin’ ny fiainana mirentirenty sy feno fahalotoana ny tao an-dapa. Kely ny fifampitokisana nisy tamin’ ny vahoaka sy ireo mpifehy azy. Narahim-piahiahiana ny fepetra rehetra noraisin’ ny fitondram-panjakana fa toa misy tetika ratsy sady mitory fitiavan-tena ihany. Nandritra ny dimam-polo taona mahery talohan’ ny Tolompiavotana dia Louis faha XV no teo amin’ ny seza fiandrianana, izay mpanjaka niavaka indrindra, na dia tamin’ ireo andro efa tsy tsara ireo aza, tamin’ ny toetrany nitsilamodamoka, tia lalao sy 209

nadrodroka tao amin’ ny efitra etin’ ny fonja. An’ arivoarivony no nandositra namonjy ny

ainy ary nitohy izany nandritra ny dimampolo amby roan-jato taona, taty aorian’ ny

niantombohan’ ny Reformasiona.

«Saiky tsy nisy mihitsy taranaka frantsay nandritra io fotoana lavabe io izay tsy nahita

maso ny mpanaraka ny filazantsara nando-sitra ny haromotana vokatry ny fahaverezantsain’

ny mpanenjika azy, ary nanaraka azy ireo tamin’ izany, ny fahaizany, ny hakingany,

ny zotom-po hiasa, ny filaminana, izay nampiavaka azy ireo indrindra, araka ny fahita

mazanaka nentiny nampanankarena ny tany nahitany fialofana. Ary arakaraka ny

namenoany ny tany hafa tamin’ ireo fanomezana sarobidy ireo, no nanabangany ny taniny

tsy hanana izany. Raha toa ka voatana tao Frantsa avokoa izay rehetra nentina niala tao; raha

ohatra ka nentina nanolokoloana ny taniny ny fahaizana momba ny taozavatra hita teo amin’

izay natao sesi-tany nandritra ireo telon-jato taona ireo; raha toa ka nampiasaina hanatsarana

ny trano fanaovan-taozavatra ny hakingana nananany nandritra ireo telon-jato taona ireo;

raha nampiasaina hanatsarana haisoratra sy hanolokoloana ny siansa ary ny saina

mahaforon-javatra sy mahakarakara; raha toa ka nitarika ny fiheveran-draharahampanjakana

tany Frantsa ny fahendren’ izy ireo, ny herim-pony, ny ady nikatrohany, ny fandalany ny

rariny namolavola ny lalàny, ary ny fivavahan’ ny Baiboly nanatanjaka ny saina sy nifehy

ny feon’ ny fieritreretan’ ny vahoaka, dia voninahitra manao ahoana ankehitriny no ho

nampamirapiratra an’ i Frantsa! Ho firenena lehibe, — mandroso sy sambatra — ary tonga

ohatra — ho an’ ny firenena izy!

«Nefa noho ny hafanam-po tafahoatra nenti-nanaraka Fivavahana diso lalana izay

nahatonga hajambana tsy azo nivalozana, dia noroahina niala tamin’ ny taniny izay rehetra

nampianatra ny toetra tsara, izay rehetra niaro ny filaminana, izay rehetra tena nanohana

marina ny seza fiandrianana; hoy izy tamin’ ny olona izay nety nahatonga ny tanindrazany

ho «rehareha sy tabiha» eto an-tany: Fidio izay tianao, na ho dorana velona ianao na hatao

sesi-tany. Farany dia rava tanteraka ny fanjakana; tsy nisy intsony ny olona horarana tsy

hanaraka ny feon’ ny fieritreretany; tsy nisy intsony mpivavaka hotaritarihina hodorana

velona; tsy nisy intsony tia tanindrazana hohazaina sy horoahina» Wylie, boky 13, toko 20.

Koa dia izany no vokatra mahatsiravin’ ny Tolom-piavotana sy ny horohoro naterany.

«Rehefa lasa ny Huguenots dia nisy fitotonganana tamin’ ny ankapobeny nanjo an’ i

Frantsa. Nikororosy fahana ireo tanàndehibe nisy taozavatra niroborobo; niverina tamin’ ny

naha-tany lava volo azy ny faritra nahavokatra; fahadontoana ara-tsaina sy fihemorana arapitondrantena

no nandimby ny fotoana nisian’ ny fandrosoana nahatalanjona. Nanjary

toeram-piantrana midadasika i Parisy, ary araka ny vinavina, tamin’ ny fotoana nipoahan’

ny Tolom-piavotana, dia mahantra roa hetsy no nangata-piantrana tamin’ ny mpanjaka. Ny

Zezoita ihany no niroborobo teo amin’ ny firenena niharava, ary nifehy tamin’ ny

fanjakazakana nampihorohoro ny fiangonana, ny sekoly, ny fonja sy ny sambo fivoin’ ny

andevo izy ireo».

208

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!