Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

fahavalo niezaka sy niasa mafy nahita izay fomba mety indrindra hanapotehina izay mendripiderana, feno fahasoavana sy maharitra ao amin’ ny fiainan-tokantrano, ary hahazo antoka hiaraka amin’ izany koa fa haharitra amin’ ny taranaka mifandimby ny fahavoazana nokendreny hoforonina, dia tsy ho afaka namolavola drafitra nahomby kokoa noho ny fanaovana tsinontsinona ny fanambadiana izy. . . I Sophie Arnoult, izay mpilalao andampihazo nalaza tamin’ ny hatsikana fanaony, dia nilaza ny fanambadiana repoblikana ho fanamasinana ny fijangajangana» — Scott, boky 1, toko 17. «Tao koa no nanomboana ny Tompontsika». Tanterak’ i Frantsa koa io filazana voasoritra mazava ataon’ ny faminaniana io. Tsy nisy tany nanehoana tamin’ ny fomba nanaitra kokoa ny teo-tsain’ ny fandrafiana an’ i Kristy. Tsy nisy tany nisetran’ ny fahamarinana fanoherana mangidy sy feno habibiana toy ny tao. Tamin’ ny fanenjehana nampiharin’ i Frantsa tamin’ ireo mpitory ny filazantsara, dia nanombo an’ i Kristy izy teo amin’ ny tenan’ ireo mpianany. Nandritra ireo taonjato maro nifandimby no nandatsahana ny ran’ ny olona masina. Raha nahafoy ny ainy ny Vaudois tany amin’ ny tendrombohitr’ i Piémont «noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy» dia nisy fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana toy izany koa nataon’ ireo rahalahiny Albigeois tany Frantsa. Tamin’ ny andron’ ny Reformasiona dia novonoina tamin’ ny alalan’ ny fampijaliana mahatsiravina ny mpanaraka izany. Ny mpanjaka sy ny andriandahy, ny andriambavy sy ny tovovavy meva, ireo tabiha sy reharehan’ ny firenena dia samy nanao ho toy ny hanim-py ny fijereny ny fialan’ ain’ ny maritioran’ i Jesosy. Ireo Fluguenots be herim-po, izay niady mafy ho an’ izay ataon’ ny fon’ olombelona ho masina indrindra, dia nandraraka ny rany teo amin’ ny saha fiadiana. Nesorina tsy ho ao ambany fiarovan’ ny lalàna nirehetan’ ny ady mangotraka maro, ny Protestanta notambazam-bola be izay nahafaty ny ainy, ary nohazaina tahaka ny bibi-dia izy ireo. Ilay «Fiangonana tany an-efitra», dia ireo olom-bitsy taranaka navelan’ ireo Kristiana tany aloha, izay mbola tafajanona tany Frantsa tamin’ ny taonjato fahavaloambinifolo, ary niery tany amin’ ireo tendrombohitra tany atsimo, dia mbola nankamamy fatratra ny finoan’ ireo razany. Raha nandeha tamim-pahasahisahiana hivory amin’ ny alina tany an-tehezantendrombohitra izy ireo na tany an-tanety mangina, dia nohazain’ ireo miaramila mpanenjika ka notaritarihiny ho amin’ ny fanandevozana nandritra ‘ ny fiainany hivoy sambo. Ny mendrika indrindra, sy ambony toetra ary ireo namirapiratra indrindra teo amin’ ny ara-tsaina tamin’ ny Frantsay, dia nogadrana tao anatin’ ny fampijaliana nampangirifiry loatra niaraka tamin’ ny mpangalatra sy ny mpamono olona. (Jereo Wylie, boky 22, toko 6.) «Ny sasany kosa, izay toa mba namindrana fo kokoa dia notifirina amin’ izao, tsy ampiadiana ary tsy nanampiaro, raha teo am-pandohalehana nivavaka. An-jatony ny zokiolona, ny vehivavy tsy afaka niaro tena sy ny zaza tsy manan-tsiny no nilaozana niampantrampatra teo amin’ ny toerana nivoriany ny fatiny. Raha nisy olona namakivaky ny tehezantendrombohitra na ny ala, izay toeram-pivoriana nahazatra azy, dia mazàna fahita isaky ny in-efatra mandingana, fatin’ olona nitsitra teny amin’ ny bozaka, sy nihantona teny amin’ ny 202

hazo». Ny tanin’ izy ireo dia zary efitra midadasika sy mahonena noho ny nafitsoky ny sabatra, ny famaky sy ny antontan-kitay; «Tsy andro nanjakan’ ny fahamaizinana no nanaovana ireny habibiana ireny, fa tamin’ ny andro mamirapiratra nanjakan’ i Louis faha XIV. Nokolokoloina ny siansa tamin’ izany, nanorobona ny haisoratra; olona nahita fianarana sy nahay nandaha-teny no mpitondra fivavahana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka sy tao an-drenivohitra, sady olona niseho nankamamy fatratra ny fahasoavan’ ny fahalemem-panahy sy ny fanaovan-tsoa».Ibid, boky 22; toko 7. Nefa ny maizina indrindra ao amin’ ny boky maizina firaketana ny heloka bevava, ny nampihoron-koditra indrindra amin’ ireo asan’ ny demonia rehetra tamin’ ireo taonjato nampivarahontsana ireo, dia ny fandripahana ain’ olona tamin’ ny Saint-Barthélemy. Mbola mampitsangam-bolo an’ izao tontolo izao mandrak’ androany ny fahatsiarovana ny toejavatra mahatsiravina niseho tamin’ iny famonoan’ olona nitory hakanosana sy habibiana tsy roa aman-tany iny. Noho ny fampirisihin’ ireo pretran’ i Roma sy ireo mpitondra fivavahana ambony dia niseho ho nankasitraka an’ io asa mahavoafady io ny mpanjakan’ i Frantsa. Feon-dakolosy naneno tao anatin’ ny alina mangina no famantarana ny fiandohan’ ny famonoana. An’ arivony ny Protestanta, natory fehizay tany an-tokantranony, natoky ny teny nomen’ ny mpanjakany, no notaritarihina navoaka tsy nisy fampilazana mialoha ary naringana tsy nisy indra-fo. Tahaka an’ i Kristy izay mpitarika tsy hita maso ny vahoakany niala ny fanandevozana tany Egypta, dia toy izany koa i Satana no mpitarika tsy hita maso an’ ireo olom-peheziny teo amin’ ity asa mahatsiravina nampitombo isa ny maritiora ity. Nitohy nandritra ny hafitoana ny famonoana tao Parisy, ka ny hateloana voalohany tamin’ ny haromotana tsy takatry ny saina. Ary tsy tao amin’ io tanàndehibe io ihany, fa araka ny baiko manokana nomen’ ny mpanjaka, dia hanitatra hatrany amin’ ny faritany sy ny tanàna rehetra nahitana Protestanta koa izany. Tsy nananana antra na lahy na vavy. Na ny mena-vava tsy manantsiny na ny zokiolona fotsy volo dia naripaka avokoa. Ny andriana sy ny tantsaha, ny antitra sy ny tanora, ny reny sy ny zanany, dia samy nojinjaina avokoa. Nitohy nandritra ny volana roa ny fandripahana nanerana an’ i Frantsa. Fito alina no maty tamin’ ny tena olo-mangan’ ny firenena. «Rehefa tonga tany Roma ny vaovao momba ny fandripahana ain’ olona, dia tsy nisy fetrany intsony ny fifaliana teo amin’ ireo mpitondra fivavahana. Nomen’ ny Kardinaly de Lorraine valisoa lelavola arivo Couronnes * ilay mpitondra hafatra; nidoboka ny tafondron’ i Saint-Ange ho fiarahabana feno fifaliana; ary nampanenoina ny lakolosy tamin’ ny tilikambo rehetra; toa antoandro ny alina noho ny harendrina; ary Grégoire faha XIII, notronin’ ireo mpitondra fivavahana ambony hafa, dia nandeha nanao filaharana masina lavabe ho any amin’ ny fiangonan’ i Md Louis, ary teo ny Kardinalin’ i Lorraine no nihira ny Te Deum* . . . Nisy medaly narendrika ho fahatsiarovana iny fandripahana ain’ olona iny, ary mbola hita ao Vatican ny sary mitohitohy nataon’ i Vasari, mampiseho ny fanafihana ny amiraly*, ny mpanjaka nitetika nanomana ny vonoan’ olona niaraka tamin’ ny mpanolo-tsainy, ary ilay fandripahana ain’ olona. Nalefan’ i Grégoire ho an’ i Charles ilay 203

hazo». Ny tanin’ izy ireo dia zary efitra midadasika sy mahonena noho ny nafitsoky ny

sabatra, ny famaky sy ny antontan-kitay; «Tsy andro nanjakan’ ny fahamaizinana no

nanaovana ireny habibiana ireny, fa tamin’ ny andro mamirapiratra nanjakan’ i Louis faha

XIV. Nokolokoloina ny siansa tamin’ izany, nanorobona ny haisoratra; olona nahita

fianarana sy nahay nandaha-teny no mpitondra fivavahana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka

sy tao an-drenivohitra, sady olona niseho nankamamy fatratra ny fahasoavan’ ny

fahalemem-panahy sy ny fanaovan-tsoa».Ibid, boky 22; toko 7.

Nefa ny maizina indrindra ao amin’ ny boky maizina firaketana ny heloka bevava, ny

nampihoron-koditra indrindra amin’ ireo asan’ ny demonia rehetra tamin’ ireo taonjato

nampivarahontsana ireo, dia ny fandripahana ain’ olona tamin’ ny Saint-Barthélemy. Mbola

mampitsangam-bolo an’ izao tontolo izao mandrak’ androany ny fahatsiarovana ny toejavatra

mahatsiravina niseho tamin’ iny famonoan’ olona nitory hakanosana sy habibiana

tsy roa aman-tany iny. Noho ny fampirisihin’ ireo pretran’ i Roma sy ireo mpitondra

fivavahana ambony dia niseho ho nankasitraka an’ io asa mahavoafady io ny mpanjakan’ i

Frantsa. Feon-dakolosy naneno tao anatin’ ny alina mangina no famantarana ny fiandohan’

ny famonoana. An’ arivony ny Protestanta, natory fehizay tany an-tokantranony, natoky ny

teny nomen’ ny mpanjakany, no notaritarihina navoaka tsy nisy fampilazana mialoha ary

naringana tsy nisy indra-fo.

Tahaka an’ i Kristy izay mpitarika tsy hita maso ny vahoakany niala ny fanandevozana

tany Egypta, dia toy izany koa i Satana no mpitarika tsy hita maso an’ ireo olom-peheziny

teo amin’ ity asa mahatsiravina nampitombo isa ny maritiora ity. Nitohy nandritra ny

hafitoana ny famonoana tao Parisy, ka ny hateloana voalohany tamin’ ny haromotana tsy

takatry ny saina. Ary tsy tao amin’ io tanàndehibe io ihany, fa araka ny baiko manokana

nomen’ ny mpanjaka, dia hanitatra hatrany amin’ ny faritany sy ny tanàna rehetra nahitana

Protestanta koa izany. Tsy nananana antra na lahy na vavy. Na ny mena-vava tsy manantsiny

na ny zokiolona fotsy volo dia naripaka avokoa. Ny andriana sy ny tantsaha, ny antitra

sy ny tanora, ny reny sy ny zanany, dia samy nojinjaina avokoa. Nitohy nandritra ny volana

roa ny fandripahana nanerana an’ i Frantsa. Fito alina no maty tamin’ ny tena olo-mangan’

ny firenena.

«Rehefa tonga tany Roma ny vaovao momba ny fandripahana ain’ olona, dia tsy nisy

fetrany intsony ny fifaliana teo amin’ ireo mpitondra fivavahana. Nomen’ ny Kardinaly de

Lorraine valisoa lelavola arivo Couronnes * ilay mpitondra hafatra; nidoboka ny tafondron’

i Saint-Ange ho fiarahabana feno fifaliana; ary nampanenoina ny lakolosy tamin’ ny

tilikambo rehetra; toa antoandro ny alina noho ny harendrina; ary Grégoire faha XIII,

notronin’ ireo mpitondra fivavahana ambony hafa, dia nandeha nanao filaharana masina

lavabe ho any amin’ ny fiangonan’ i Md Louis, ary teo ny Kardinalin’ i Lorraine no nihira

ny Te Deum* . . . Nisy medaly narendrika ho fahatsiarovana iny fandripahana ain’ olona

iny, ary mbola hita ao Vatican ny sary mitohitohy nataon’ i Vasari, mampiseho ny

fanafihana ny amiraly*, ny mpanjaka nitetika nanomana ny vonoan’ olona niaraka tamin’ ny

mpanolo-tsainy, ary ilay fandripahana ain’ olona. Nalefan’ i Grégoire ho an’ i Charles ilay

203

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!