Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 15—Ny Revolisiona Frantsay Tamin’ ny taonjato fahenina ambinifolo, raha nanolotra Baiboly nisokatra ho an’ ny vahoaka ny Reformasiona dia nitady izay hahatafidirany tao amin’ ny tany Eoropeana rehetra. Nisy firenena nandray izany tamim-pifaliana, toy ny mpitondra hafatry ny lanitra. Tao amin’ ny tany hafa indray, dia nahomby fatratra ny fahefana papaly ka nahavoasakana ny fidirany; ary ny fahazavan’ ny fahalalana ny Baiboly sy ny hery manandratra miasa mangina avy aminy dia saiky foana tanteraka. Tao amin’ ny tany anankiray, na dia tafiditra aza ny fahazavana, dia tsy noraisin’ ny haizina. Nandritra ny taonjato maro, dia niady izay ho tompon-daka ny fahamarinana sy ny hevidiso. Nandresy ny ratsy nony farany ary voaroaka ny fahamarinan’ ny Lanitra. «Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava» 1. Navela hijinja ny vokatry ny safidy nataony ny firenena. Nalana tamin’ ny vahoaka izay nanamavo ny fanomezan’ ny fahasoavana ny Fanahiny Izay fefy misakana ny ratsy. Navela ho tonga amin’ ny fahamasahany ny ratsy. Koa dia izao tontolo izao manontolo no mahita ny vokatry ny fitsipahana iniana ny fahazavana. Ny ady nanoherana ny Baiboly, izay natao nandritra ny taonjato maro tany Frantsa, dia tonga tamin’ ny fara-tampony teo amin’ ireo toe-javatra niseho nandritra ny Tolompiavotana. Tsy inona io «rotaka» nahatsiravina io, fa vokatra ara-dalànan’ ny nanafoanan’ i Roma ny Soratra Masina. (Jereo Fanampiny). Izany no sary manaitra indrindra efa hitan’ izao tontolo izao ny amin’ ny vokatra azo avy amin’ ny foto-kevitra papaly — sary mampibaribary ny vokatra azo avy amin’ izay nokendren’ ny fampianaran’ ny Eglizin’ i Roma nandritra ny arivo taona mahery. Voalazan’ ny mpaminany mialoha ny fanafoanana ny Soratra Masina nandritra ny fotoana nananan’ ny papa fahefana fara-tampony; ary notondroin’ Ilay Mpanambara ny ho avy koa ny vokatra mahatsiravina izay hiseho indrindra tao Frantsa noho ny fanapahan’ ilay «lehilahin’ ota». Hoy ilay anjelin’ i Jehovah: «Flanitsaka ny tanàna roa amby efapolo volana izy. Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana. . . Ary rehefa tanteraka ny filazany dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy. Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin’ ny tanàna lehibe izay atao, araka ny hevipanahy hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ ny hazo fijaliana. . . Ary ny mponina ambonin’ ny tany mifaly azy ka hiravoravo ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ ny tany ireo mpaminany roa ireo. Ary rehefa afaka ny hateloan’ andro sy tapany, dia nisy fanahin’ aina avy tamin’ Andriamanitra niditra tao anatin’ ireo, ary nijoro tamin’ ny tongony izy,ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy». 2 198

Ny fotoana voambara eto — «roa amby efapolo volana» sy ny enimpolo amby roanjato amby arivo andro» — dia fotoana iray ihany mampiseho ny fotoan’ andro izay hiaretan’ ny flangonan’ i Kristy fahoriana noho ny amin’ i Roma. Nanomboka tamin’ ny taona 538 taorian’ i Jesosy Kristy ny 1260 taona nananan’ ny papa fahefana fara-tampony ary noho izany dia tokony ho niafara tamin’ ny 1798 (Jereo Fanampiny). Tamin’ io fotoana io dia nisy tafika frantsay niditra tao Roma, nisambotra ny papa izay maty tany an-tsesi-tany. Na dia nisy papa vaovao aza voafidy, fotoana fohy taorian’ izany, dia tsy afaka nampiasa intsony ny fahefana nananany teo aloha ny ambaratongam-pahefana papaly. Tsy nitohy lalandava nandritra ny 1260 taona tsy akory ny fanenjehana ny fiangonana. Noho Andriamanitra namindra fo tamin’ ny olony dia nohafoheziny ny fotoam-pitsapana mahamay niaretany. Raha nanambara mialoha ny «fahoriana lehibe» hianjady amin’ ny fiangonana ny Mpamonjy, dia nilaza hoe: «Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany». 3 Noho ny asa mangina nataon’ ny Reformasiona dia niafara talohan’ ny 1798 ny fanenjehana. Izao koa no nolazain’ ny mpaminany mikasika ireo vavolombelona roa: «Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany». «Fanilon’ ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao», hoy ny mpanao Salamo.4 Mampiseho ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha sy Vaovao ireo vavolombelona roa. Samy vavolombelona lehibe momba ny fiaviana sy ny mahamandrakizay ny lalàn’ Andriamanitra izy ireo. Ireo tandindona, ireo fanatitra sy ireo faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha dia manondro mialoha Ilay Mpamonjy ho avy. Ireo Filazantsara sy ireo Epistily ao amin’ ny Testamenta Vaovao kosa dia milaza ny amin’ ny Mpamonjy izay tonga araka ny fomba indrindra nambaran’ ny tandindona sy ny faminaniana mialoha. «Haminany enimpolo amby roanjato sy arivo taona izy, sady hitafy lamba fisaonana». Nandritra ny ankabeazan’ io fotoana io dia nitoetra tao amin’ ny maizimaizina ka tsy nisy nahalalana firy ireo vavolombelon’ Andriamanitra. Niezaka nanafina ny tenin’ ny fahamarinana tsy hitan’ ny vahoaka ny fahefana papaly, ka vavolombelona sandoka no narosony teo anoloany hanohitra ny teny fanambarany (Jereo Fanampiny). Rehefa noraran’ ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana ny Baiboly; rehefa nolotoina ny fanambarany, ka natao ny ezaka rehetra izay azon’ ny olona sy ny demonia noforonina mba hampiodina ny vahoaka tsy ho amin’ izany; rehefa natao hazalambo ireo sahy nitory ny fahamarinany masina, navadika, nampijaliana, nalevim-belona tao amin’ ny efitra etin’ ny fonja, natao maritiora noho ny finoany, na voatery handositra tany amin’ ny lava-bato sy ny zohy — dia tamin’ izay fotoana izay no naminany sady nitafy lamba fisaonana ireo vavolombelona mahatoky. Nefa tsy nitsahatra ny fanambarany nandritra ny fe-potoana 1260 taona. Tamin’ ny fotoana maizina indrindra, dia nisy olona nahatoky izay tia an’ Andriamanitra sy saropiaro tamin’ ny voninahiny. Ireo mpanompo mahatoky ireo dia nomena fahendrena, hery sy fahefana hanambara ny fahamarinana nandritra izany fotoana manontolo izany. 199

Ny fotoana voambara eto — «roa amby efapolo volana» sy ny enimpolo amby roanjato

amby arivo andro» — dia fotoana iray ihany mampiseho ny fotoan’ andro izay hiaretan’ ny

flangonan’ i Kristy fahoriana noho ny amin’ i Roma. Nanomboka tamin’ ny taona 538

taorian’ i Jesosy Kristy ny 1260 taona nananan’ ny papa fahefana fara-tampony ary noho

izany dia tokony ho niafara tamin’ ny 1798 (Jereo Fanampiny). Tamin’ io fotoana io dia

nisy tafika frantsay niditra tao Roma, nisambotra ny papa izay maty tany an-tsesi-tany. Na

dia nisy papa vaovao aza voafidy, fotoana fohy taorian’ izany, dia tsy afaka nampiasa

intsony ny fahefana nananany teo aloha ny ambaratongam-pahefana papaly.

Tsy nitohy lalandava nandritra ny 1260 taona tsy akory ny fanenjehana ny fiangonana.

Noho Andriamanitra namindra fo tamin’ ny olony dia nohafoheziny ny fotoam-pitsapana

mahamay niaretany. Raha nanambara mialoha ny «fahoriana lehibe» hianjady amin’ ny

fiangonana ny Mpamonjy, dia nilaza hoe: «Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany,

dia tsy nisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany».

3 Noho ny asa mangina nataon’ ny Reformasiona dia niafara talohan’ ny 1798 ny

fanenjehana.

Izao koa no nolazain’ ny mpaminany mikasika ireo vavolombelona roa: «Ireo ilay hazo

oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany».

«Fanilon’ ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao», hoy ny mpanao Salamo.4

Mampiseho ny Soratra Masina ao amin’ ny Testamenta Taloha sy Vaovao ireo

vavolombelona roa. Samy vavolombelona lehibe momba ny fiaviana sy ny mahamandrakizay

ny lalàn’ Andriamanitra izy ireo. Ireo tandindona, ireo fanatitra sy ireo

faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha dia manondro mialoha Ilay Mpamonjy ho avy.

Ireo Filazantsara sy ireo Epistily ao amin’ ny Testamenta Vaovao kosa dia milaza ny amin’

ny Mpamonjy izay tonga araka ny fomba indrindra nambaran’ ny tandindona sy ny

faminaniana mialoha.

«Haminany enimpolo amby roanjato sy arivo taona izy, sady hitafy lamba fisaonana».

Nandritra ny ankabeazan’ io fotoana io dia nitoetra tao amin’ ny maizimaizina ka tsy nisy

nahalalana firy ireo vavolombelon’ Andriamanitra. Niezaka nanafina ny tenin’ ny

fahamarinana tsy hitan’ ny vahoaka ny fahefana papaly, ka vavolombelona sandoka no

narosony teo anoloany hanohitra ny teny fanambarany (Jereo Fanampiny). Rehefa noraran’

ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana ny Baiboly; rehefa nolotoina ny fanambarany,

ka natao ny ezaka rehetra izay azon’ ny olona sy ny demonia noforonina mba hampiodina

ny vahoaka tsy ho amin’ izany; rehefa natao hazalambo ireo sahy nitory ny fahamarinany

masina, navadika, nampijaliana, nalevim-belona tao amin’ ny efitra etin’ ny fonja, natao

maritiora noho ny finoany, na voatery handositra tany amin’ ny lava-bato sy ny zohy — dia

tamin’ izay fotoana izay no naminany sady nitafy lamba fisaonana ireo vavolombelona

mahatoky. Nefa tsy nitsahatra ny fanambarany nandritra ny fe-potoana 1260 taona. Tamin’

ny fotoana maizina indrindra, dia nisy olona nahatoky izay tia an’ Andriamanitra sy saropiaro

tamin’ ny voninahiny. Ireo mpanompo mahatoky ireo dia nomena fahendrena, hery sy

fahefana hanambara ny fahamarinana nandritra izany fotoana manontolo izany.

199

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!