Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

ny teny foana rehetra izay ataony». «Na mihinana, na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany». «Raha henjana noho izany ny fampianarany, dia tokony homen-tsiny izy ireo; nefa fantatrareo marimarina fa tsy izany no izy. Ary iza no afaka hanalefaka na dia tendrontsoratra iray aza ka tsy handoto ny tenin’ Andriamanitra? Moa ve misy mpitahiry ny zavamiafin’ Andriamanitra hita ho mahatoky raha manao fanovana amin’ io rakitra masina napetraka taminy io? Tsia. Tsy afaka handrava na inona na inona izy; tsy afaka hanatsatso na inona na inona; voatery izy hilaza amin’ ny olona rehetra hoe: «Tsy azoko hampidinina hifanaraka amin’ izay tianareo ny Soratra Masina. Ianareo no tsy maintsy miakatra hanatratra izany, na ho faty mandrakizay. Izany no tena fototry ny antsoantson’ ny olona sasany miampanga azy ireo ho «tsy manam-pitiavana». Moa va tsy manam-pitiavana tokoa izy? Amin’ ny lafiny toy inona? Moa tsy manome hanina ny noana sy tsy manafy ny mitanjaka ve izy ireo? Tsia, tsy izany no izy; tsy izany no banga eo aminy; fa tena tsy manam-pitiavana izy amin’ ny fitsarana nataony! heveriny fa tsy misy olona azo vonjena afa-tsy izay mandeha amin’ ny lalana narahiny» Ibid, boky 3, p. 152, 153. Ny fitotonganana ara-panahy izay hita tany Angletera nialoha indrindra ny andron’ i Wesley dia vokatry. ny fampianarana milaza fa foana ny lalàna ny ankabeazany. Betsaka no nanantitrantitra fa efa nofoanan’ i Kristy ny lalàna ara-pitondrantena ka noho izany dia tsy voatery hankatò izany intsony ny Kristiana. Nambarany fa afaka «amin’ ny fanandevozan’ ny asa tsara» ny mpino. Ny sasany indray, na dia nanaiky ny maha-mandrakizay ny lalàna aza dia nanambara fa tsy ilaina ny ampirisihan’ ny mpitandrina ny vahoaka hankatò ireo foto-kevitra raketin’ izany, satria ireo izay efa nofidin’ Andriamanitra ho amin’ ny famonjena, dia «ho voatariky ny hery tsy azo tohain’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ho tia vavaka sy hanana toetra tsara eo amin’ ny fiainana andavanandro», fa ireo izay voaozona ho amin’ ny fanamelohana mandrakizay kosa, «dia tsy manan-kery hankatò ny lalàn’ Andriamanitra». Nisy sasany koa izay nitana fa «tsy mety ho afaka tsy ho eo amin’ ny fahasoavana ny olom-boafidy na ho diso ny fankasitrahan’ Andriamanitra», dia namoaka fehin-teny mbola maharikoriko lavitra milaza fa «tsy tena fahotana tsy akory ny asa ratsy ataony, na tokony hoheverina ho fandikana ny lalàn’ Andriamanitra ary noho izany, tsy misy tokony hiaikeny ny helony na hamoizany izany amin’ ny fibebahana». Mc Clintock sy Strong, Cyclopedia, andininy momba ny «Antinomians» (Mpilaza ny lalàn’ Andriamanitra ho foana). Noho izany, hoy izy ireo, na dia ny fahotana mahatsiravina indrindra aza «izay eken’ ny rehetra fa fandikana ankitsirano ny lalàn’ Andria-manitra, dia tsy fahotana akory eo imason’ Andriamanitra», raha ny iray amin’ ny olom-boafidy no manao izany, «satria anankiray amin’ izay tena toetra fototra sy mampiavaka ny olom-boafidy, dia izy tsy afaka hanao na inona na inona tsy mahafaly an’ Andriamanitra na raràn’ ny lalana». Ireo fampianarana mampidi-doza ireo ihany no mbola tazonin’ ireo mpanabe tiambahoaka sy mpanao teolojia taty aoriana izay milaza fa tsy misy izany lalàn’ Andriamanitra 194

tsy azo ovana ho fitsipiky ny marina izany, fa ny fiaraha-monina ihany no mamaritra io fitsipi-pitondrantena io, koa noho izany dia mety niovaova hatrany izany. Sain-dalina iray ihany no niavian’ ireo hevitra rehetra ireo dia avy amin’ ilay anankiray izay, na dia teo anivon’ ireo mponina any an-danitra tsy nanota aza, — dia nanomboka ny asany fikatsahana handrodana ireo fameperana ara-drariny ao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra. Ny fampianarana milaza fa Andriamanitra dia namoaka didy izay nametra ho tsy azo ovana intsony ny toetra amam-panahin’ ny olombelona, dia nitarika olona maro hitsipaka avy hatrany ny lalàn’ Andriamanitra. Nijoro hanohitra mafy ny hevi-dison’ ireo mpampianatra nampianatra fa efa foana ny lalàn’ Andriamanitra i Wesley ka nasehony fa io fampianarana io izay manafoana ny lalàn’ Andriamanitra dia manohitra ny Soratra Masina. «Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay famonjena ny olona rehetra» 2. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ ny fahalalana ny marina». «Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra» 2 Omena maimaimpoana ny Fanahin’ Andriamanitra mba ahazoan’ ny olona rehetra mandray ny hevitry ny Famonjena. Amin’ izay Kristy Ilay «tena mazava», «dia mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao». 3 Ny tsy ahazoan’ ny olona famonjena dia noho ny fìniavany handà ny fanomezan’ ny fiainana, atolotra azy. Ho valin’ ny filazana fa rava tamin’ ny nahafatesan’ i Kristy ireo didy amin’ ny Lalàna niaraka tamin’ ireo lalàna momba ny fitsipipivavahana dia izao no tenin’ i Wesley: «Tsy nofoanany tsy akory ny lalàna ara-pitondrantena, voarakitra ao amin’ ny Didy Folo ary nohamafisin’ ireo mpaminany. Tsy anton’ ny nahatongavany ny hanafoana ny iray na ny hafa amin’ izany. Lalàna tsy azo ravana na oviana na oviana io, fa —» mafy orina tahaka ny vavolombelona mahatoky any an-danitra» — . . . Hatrany amin’ ny fiandohan’ izao tontolo izao dia tsy, «voasoratra tamin’ ny vato fisaka», izy fa tao am-pon’ ny zanak’ olombelona rehetra, raha vao nivoaka avy teo am-pelatanan’ ny Mpahary izy. Ary na dia saika simban’ ny fahotana aza ny soratra nosoratan’ ny rantsan-tanan’ Andriamanitra, dia tsy mety ho voakosoka tanteraka izany, raha mbola mahatsapa ny tsara sy ny ratsy isika. Tsy maintsy manan-kery amin’ ny taranak’ olombelona manontolo ary amin’ ny fotoana rehetra ny didy tsirairay amin’ io lalàna io, satria tsy miankina na amin’ ny fotoana na amin’ ny toerana, na amin’ ny toe-javatra hafa mety miova mantsy izany, fa miankina amin’ ny toetran’ Andriamanitra, sy amin’ ny toetry ny olombelona, ary amin’ ny fifandraisana tsy azo ovana misy amin’ izy roroa. «Tsy tonga handrava aho, fa hanatanteraka». . . Tsy azo iadian-kevitra fa ny tiany holazaina eto (raha ampifanarahana amin’ izay voalaza eo aloha sy ny manaraka), dia ny hoe: tonga aho hampitoetra ny lalàna eo amin’ ny fahafenoany, na dia eo aza ny fivoasankevitra ataon’ ny olona; tonga aho hampiseho amin’ ny fomba feno sy mazava izay rehetra maizimaizina na manjavozavo tao; tonga aho hanambara ny tena maha-zava-dehibe marina ny andininy tsirairay amin’ izany, hampiseho ny lavany sy ny sakany, ny fivelarana 195

ny teny foana rehetra izay ataony». «Na mihinana, na misotro ianareo, na inona na inona

ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany».

«Raha henjana noho izany ny fampianarany, dia tokony homen-tsiny izy ireo; nefa

fantatrareo marimarina fa tsy izany no izy. Ary iza no afaka hanalefaka na dia tendrontsoratra

iray aza ka tsy handoto ny tenin’ Andriamanitra? Moa ve misy mpitahiry ny zavamiafin’

Andriamanitra hita ho mahatoky raha manao fanovana amin’ io rakitra masina

napetraka taminy io? Tsia. Tsy afaka handrava na inona na inona izy; tsy afaka hanatsatso

na inona na inona; voatery izy hilaza amin’ ny olona rehetra hoe: «Tsy azoko hampidinina

hifanaraka amin’ izay tianareo ny Soratra Masina. Ianareo no tsy maintsy miakatra

hanatratra izany, na ho faty mandrakizay. Izany no tena fototry ny antsoantson’ ny olona

sasany miampanga azy ireo ho «tsy manam-pitiavana». Moa va tsy manam-pitiavana tokoa

izy? Amin’ ny lafiny toy inona? Moa tsy manome hanina ny noana sy tsy manafy ny

mitanjaka ve izy ireo? Tsia, tsy izany no izy; tsy izany no banga eo aminy; fa tena tsy

manam-pitiavana izy amin’ ny fitsarana nataony! heveriny fa tsy misy olona azo vonjena

afa-tsy izay mandeha amin’ ny lalana narahiny» Ibid, boky 3, p. 152, 153.

Ny fitotonganana ara-panahy izay hita tany Angletera nialoha indrindra ny andron’ i

Wesley dia vokatry. ny fampianarana milaza fa foana ny lalàna ny ankabeazany. Betsaka no

nanantitrantitra fa efa nofoanan’ i Kristy ny lalàna ara-pitondrantena ka noho izany dia tsy

voatery hankatò izany intsony ny Kristiana. Nambarany fa afaka «amin’ ny fanandevozan’

ny asa tsara» ny mpino. Ny sasany indray, na dia nanaiky ny maha-mandrakizay ny lalàna

aza dia nanambara fa tsy ilaina ny ampirisihan’ ny mpitandrina ny vahoaka hankatò ireo

foto-kevitra raketin’ izany, satria ireo izay efa nofidin’ Andriamanitra ho amin’ ny

famonjena, dia «ho voatariky ny hery tsy azo tohain’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ho tia

vavaka sy hanana toetra tsara eo amin’ ny fiainana andavanandro», fa ireo izay voaozona ho

amin’ ny fanamelohana mandrakizay kosa, «dia tsy manan-kery hankatò ny lalàn’

Andriamanitra».

Nisy sasany koa izay nitana fa «tsy mety ho afaka tsy ho eo amin’ ny fahasoavana ny

olom-boafidy na ho diso ny fankasitrahan’ Andriamanitra», dia namoaka fehin-teny mbola

maharikoriko lavitra milaza fa «tsy tena fahotana tsy akory ny asa ratsy ataony, na tokony

hoheverina ho fandikana ny lalàn’ Andriamanitra ary noho izany, tsy misy tokony hiaikeny

ny helony na hamoizany izany amin’ ny fibebahana». Mc Clintock sy Strong, Cyclopedia,

andininy momba ny «Antinomians» (Mpilaza ny lalàn’ Andriamanitra ho foana). Noho

izany, hoy izy ireo, na dia ny fahotana mahatsiravina indrindra aza «izay eken’ ny rehetra fa

fandikana ankitsirano ny lalàn’ Andria-manitra, dia tsy fahotana akory eo imason’

Andriamanitra», raha ny iray amin’ ny olom-boafidy no manao izany, «satria anankiray

amin’ izay tena toetra fototra sy mampiavaka ny olom-boafidy, dia izy tsy afaka hanao na

inona na inona tsy mahafaly an’ Andriamanitra na raràn’ ny lalana».

Ireo fampianarana mampidi-doza ireo ihany no mbola tazonin’ ireo mpanabe tiambahoaka

sy mpanao teolojia taty aoriana izay milaza fa tsy misy izany lalàn’ Andriamanitra

194

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!