Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

amin’ ny tany fandravana ho amin’ ilay tanàna any an-danitra. Nandritra ny roanjato taona na nihoatra no nitenenan’ io feo avy tao amin’ ny tranomaizin’ i Bedford io tamin-kery nampientanentana ny fon’ ny maro. Ny dian’ ny Mpivahinin’ i Bunyan sy ny Fahasoavana be dia be ho an’ ny Lohan’ ny Mpanota dia nitarika ny dian-tongotry ny olona maro ho amin’ ny lalan’ ny fiainana. Ry Baxter, ry Flavel, ry Alleine sy ireo olona hafa manan-talenta, nahita fianarana sy nanao fanandramana kristiana lalina dia nijoro tamin-kerim-po hiaro ny finoana izay efa natolotra indray mandeha monja ho an’ ny olo-masina. Tsy ho levona na oviana na oviana ny asan’ ireo olona izay noroahin’ ny mpifehy eto amin’ izao tontolo izao sy tsy narovan’ ny lalàny. Ny boky nosoratan’ i Flavel mitondra ny lohateny hoe: «Loharanon’ aina » (Foutain of Life) sy «Fomba fiasan’ ny fahasoavana»; (Method of Grace) dia nampianatra olona an’ arivony ny fomba fametraka ny fanahy ao ambany fiarovan’ i Kristy. Ny bokin’ i Baxter «Mpitandnna nohavaozina»; (Reformed Pastor) dia fitahiana ho an’ ny maro izay naniry fifohazana tao amin’ ny asan’ Andriamanitra, ary ilay hoe «Fiadanana mandrakizay ho an’ ny olona masina» (Saint’s Everlasting Rest) dia nahatanteraka ny asany tamin’ ny fitarihan’ ny fanahy ho eo amin’ ny «Sabata fitsaharana» izay misy ho an’ ny olon’ Andriamanitra. Zato taona taty aoriana, tamin’ ny andro nanjakan’ ny haizina ara-panahy, dia niseho Whitefield Wesley mirahalahy mpitondra fahazavana avy amin’ Andriamanitra. Raha teo ambany fifehezan’ ny fiangonana nankatoavin’ ny fanjakana ny vahoaka anglisy dia niverina ilalana ho amin’ ny fihemorana ara-pivavahana izay saiky tsy misy valaka tamin’ ny fanompoan-tsampy izy. Nahaliana ny mpitondra fivavahana ny nandinika ny fivavahana «natioraly» (araka ny fisainan’ olombelona fotsiny fa tsy araka ny fanambaran’ Andriamanitra), ary saika voafaoka tao anatin’ izany ny fampianarany momba ny teolojia. Ireo sarangan’ olona ambony dia nanao ho fihomehezana ny fitiavam-bavaka ka nirehareha izy ireo fa lasa ambony noho izay natao hoe fitompoan-teny fantatra ara-pivavahàna. Ny ambanimbany kokoa kosa dia nitakizina tao amin’ ny tsy fahalalana sy nitolo-batana ho amin’ ny toetra ratsy, kanefa ny fiangonana tsy nanana herim-po na finoana intsony hanohana ny fahamarinana izay efa nirefarefa. Ilay fampianarana lehibe momba ny fanamarinana amin’ ny finoana, izay nampianarin’ i Lotera mazava tokoa, dia efa saiky very tadidy, ary ny foto-kevitr’ i Roma ny amin’ ny fitokisana ny asa tsara hahazoam-pamonjena no nandray ny toerany. Whitefield sy Wesley mirahalahy izay mambra tao amin’ ny fiangonana nankatoavin’ ny fanjakana, dia nitady tamin-kitsim-po ny fankasitrahan’ Andria-manitra, ary nampianarina azy fa ny fahatsarantoetra sy ny fahavarana ireo fombafomba ivelany. ara-pivavahana no ahazoana antoka izany. Raha narary i Charles Wesley indray mandeha ka nahatsapa fa nanatona azy ny fahafatesana, ka nanontaniana ny amin’ ny iankinan’ ny fanantenany ny fiainana mandrakizay, dia hoy ny valin-teniny: «Nanao izay fara-heriko tamin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra aho». Rehefa niseho ho tsy afa-po tanteraka ilay sakaizany nametraka fanontaniana, dia nieritreritra i Wesley hoe : «Fa ahoana ? tsy ampy hanankinana ny 188

fanantenana va ny fiezahako rehetra ? Dia ho zava-poana eo imasony ve ny fiezahako rehetra ? Tsy manan-javatra hafa hitokisako aho». — John Whitehead,Life of the Rev. Charles Wesley, p. 102. Toy izany ny fikitroky ny haizina nandrakotra ny fiangonana, izay nanarona ny fanavotana, nandroba tamin’ ny voninahiny ka nanodina ny sain’ ny olona hiala tamin’ ny hany fanantenan’ ny famonjena azy — dia ny ran’ Ilay Mpanavotra voahombo teo amin’ ny hazo fijaliana. Voatarika hahita i Wesley sy ireo namany fa ao am-po ny tena fivavahana marina, ary mahatratra hatramin’ ny fisainana ny lalàn’ Andriamanitra tahaka ny amin’ ny teny sy ny asa atao ihany. Niaiky izy fa tena ilaina ny fahamasinan’ ny fo tahaka ny ilàna ny fihetsika ivelany ho mendrika, ka tamin-kafanam-po fatratra no nitadiavana fiainana vaovao. Taminjotom-po fatratra narahim-bavaka no niezahany handresy ny ratsy manjaka ao amin’ny fo tsy voaova. Nivelona tamin’ ny fiainana feno fahafoizan-tena sy fitiavana ary fanetren-tena izy; nanaraka tamin’ ny fomba hentitra hatramin’ ny antsipirian’ ireo fepetra izay noheveriny fa hanampy azy amin’ ny fahazahoany izay niriny indrindra, dia ilay fahamasinana izay ahazoany antoka ny fankasitrahan’ Andriamanitra. Tsy azony anefa ny zavatra notadiaviny. Zava-poana ny fiezahany ho afaka tamin’ ny fanamelohan’ ny fahotana na ny hamolaka ny heriny. Tsy nisy valaka tamin’ ny nahazo an’ i Lotera raha tao amin’ ilay efitrano kely nitoerany tany Erfart izany. Io fanontaniana io ihany koa no nampahory ny fanahiny. «Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?»1 Ny afon’ ny fahamarinan’ Andriamanitra izay efa akaiky ho faty teo amin’ ny alitaran’ ny fivavahana Protestanta, dia nahazo rehitra vaovao indray avy tamin’ ilay fanilo niampitampita ny taonjato nifandimby tamin’ ny alalan’ ireo kristiana tany Bohemia. Taorian’ ny Reformasiona dia nohosihosen’ ireo andian-jiolahy nalefan’ i Roma ny fivavahana Protestanta tany Bohemia. Voatery nandositra izay rehetra nandà tsy hiala tamin’ ny fahamarinana. Nisy tamin’ izy ireo nahita fialofana tany Saksonia, ka nitana ny finoana taloha tao izy. Ary avy tamin’ ny taranak’ ireo kristiana ireo no niavian’ ny fahazavana tonga tany amin’ i Wesley sy ny namany. Rehefa yoahosotra ho mpitandrina i John sy Charles Wesley, dia nalefa ho iraka tany Amerika izy. Nisy Moraviana maromaro tafara-dia taminy teny an-tsambo. Sehatry ny tafiodrivotra mahery ry zareo teny an-dalana ary rehefa nifanatrika tamin’ ny fahafatesana i John Wesley dia nahatsapa fa tsy azony antoka fa vita fihavanana tamin’ Andriamanitra izy. Ry zareo Alemana kosa dia nampiseho fahatoniana sy fahatokisana izay tsy mba fantany. «Efa hatry ny ela», hoy izy, «no nandinihako ny toetra mendrika niseho tamin’ ny fihetsik’ izy ireo». Nanome porofo hatrany ny amin’ ny fanetren-tenany izy ireo tamin’ ny fanaovany asa ambany ho an’ ny mpandeha hafa, izay tsy hisy anglisy hanao izany mihitsy; ary tsy nitady na handray karama avy tamin’ izany akory izy; fa mahasoa ny fony feno avonavona izany, ary nanao be lavitra taminy ny Mpamonjiny be fitiavana. Ary isan’ andro isan’ andro dia nahazoan’ izy ireo nampiseho fahalemem-panahy izay tsy nety tafintohina na tamin’ inona na tamin’ inona. Raha natositosika izy, na nodonina, na naronjina hianjera 189

amin’ ny tany fandravana ho amin’ ilay tanàna any an-danitra. Nandritra ny roanjato taona

na nihoatra no nitenenan’ io feo avy tao amin’ ny tranomaizin’ i Bedford io tamin-kery

nampientanentana ny fon’ ny maro. Ny dian’ ny Mpivahinin’ i Bunyan sy ny Fahasoavana

be dia be ho an’ ny Lohan’ ny Mpanota dia nitarika ny dian-tongotry ny olona maro ho

amin’ ny lalan’ ny fiainana.

Ry Baxter, ry Flavel, ry Alleine sy ireo olona hafa manan-talenta, nahita fianarana sy

nanao fanandramana kristiana lalina dia nijoro tamin-kerim-po hiaro ny finoana izay efa

natolotra indray mandeha monja ho an’ ny olo-masina. Tsy ho levona na oviana na oviana

ny asan’ ireo olona izay noroahin’ ny mpifehy eto amin’ izao tontolo izao sy tsy narovan’ ny

lalàny. Ny boky nosoratan’ i Flavel mitondra ny lohateny hoe: «Loharanon’ aina » (Foutain

of Life) sy «Fomba fiasan’ ny fahasoavana»; (Method of Grace) dia nampianatra olona an’

arivony ny fomba fametraka ny fanahy ao ambany fiarovan’ i Kristy. Ny bokin’ i Baxter

«Mpitandnna nohavaozina»; (Reformed Pastor) dia fitahiana ho an’ ny maro izay naniry

fifohazana tao amin’ ny asan’ Andriamanitra, ary ilay hoe «Fiadanana mandrakizay ho an’

ny olona masina» (Saint’s Everlasting Rest) dia nahatanteraka ny asany tamin’ ny fitarihan’

ny fanahy ho eo amin’ ny «Sabata fitsaharana» izay misy ho an’ ny olon’ Andriamanitra.

Zato taona taty aoriana, tamin’ ny andro nanjakan’ ny haizina ara-panahy, dia niseho

Whitefield Wesley mirahalahy mpitondra fahazavana avy amin’ Andriamanitra. Raha teo

ambany fifehezan’ ny fiangonana nankatoavin’ ny fanjakana ny vahoaka anglisy dia

niverina ilalana ho amin’ ny fihemorana ara-pivavahana izay saiky tsy misy valaka tamin’

ny fanompoan-tsampy izy. Nahaliana ny mpitondra fivavahana ny nandinika ny fivavahana

«natioraly» (araka ny fisainan’ olombelona fotsiny fa tsy araka ny fanambaran’

Andriamanitra), ary saika voafaoka tao anatin’ izany ny fampianarany momba ny teolojia.

Ireo sarangan’ olona ambony dia nanao ho fihomehezana ny fitiavam-bavaka ka nirehareha

izy ireo fa lasa ambony noho izay natao hoe fitompoan-teny fantatra ara-pivavahàna. Ny

ambanimbany kokoa kosa dia nitakizina tao amin’ ny tsy fahalalana sy nitolo-batana ho

amin’ ny toetra ratsy, kanefa ny fiangonana tsy nanana herim-po na finoana intsony

hanohana ny fahamarinana izay efa nirefarefa.

Ilay fampianarana lehibe momba ny fanamarinana amin’ ny finoana, izay nampianarin’ i

Lotera mazava tokoa, dia efa saiky very tadidy, ary ny foto-kevitr’ i Roma ny amin’ ny

fitokisana ny asa tsara hahazoam-pamonjena no nandray ny toerany. Whitefield sy Wesley

mirahalahy izay mambra tao amin’ ny fiangonana nankatoavin’ ny fanjakana, dia nitady

tamin-kitsim-po ny fankasitrahan’ Andria-manitra, ary nampianarina azy fa ny fahatsarantoetra

sy ny fahavarana ireo fombafomba ivelany. ara-pivavahana no ahazoana antoka izany.

Raha narary i Charles Wesley indray mandeha ka nahatsapa fa nanatona azy ny

fahafatesana, ka nanontaniana ny amin’ ny iankinan’ ny fanantenany ny fiainana

mandrakizay, dia hoy ny valin-teniny: «Nanao izay fara-heriko tamin’ ny fanompoana an’

Andriamanitra aho». Rehefa niseho ho tsy afa-po tanteraka ilay sakaizany nametraka

fanontaniana, dia nieritreritra i Wesley hoe : «Fa ahoana ? tsy ampy hanankinana ny

188

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!