Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

hiala tamin’ ny fifandraisana tamin’ i Roma ka hiaraka amin’ ireto Mpanavao fivavahana voaenjika ireto. Raha nampirisika azy ny namany hanao ny asan’ ny mpitoriteny, dia nihemotra sady nangovitra teo anatrehan’ izany andraikitra izany izy, ary taorian’ ny andro maromaro nitokanany samirery sy niadiany mafy tamin’ ny tenany vao nanaiky izy. Fa rehefa nanaiky io toerana io kosa izy, dia nandroso hatrany tamim-panapahan-kevitra hentitra sy herim-po tsy azo nohozongozonina nandritra ny nahavelomany. Tsy natahotra ny nifanatrika tamin’ ny olona ity Mpanavao fivavahana nahatoky ity. Ny afo nandorana ny maritiora, izay nirehitra nanodidina azy, dia vao mainka nampirehitra ny hafanam-pony bebe kokoa. Niraviravy teo ambony lohany ny famakin’ ny mpanjakazaka, nefa tsy nihemotra izy, ary namelively tamin’ ny kapoka mafy ny teo ankavia na ny teo ankavanana handrodanany ny fanompoan-tsampy. Rehefa nifanatri-tava tamin’ ny mpanjakavavin’ i Ekaosy izay nampangatsiaka ny hafanam-pon’ ny maro tamin’ ireo mpitarika protestanta, i John Knox, dia tsy nisalasala ny hitsangana ho vavolombelon’ ny fahamarinana. Tsy resin-tambitamby izy, na nitakemotra teo anoloan’ ny fandrahonana. Niampanga azy ho «heretika» ny mpanjakavavy. Nampianatra ny vahoaka handray fivavahana izay voararan’ ny fanjakana ianao, hoy ny nambarany, koa noho izany dia nandika ny didin’ Andriamanitra izay mandidy ny olompeheziny hankatò ny andriana nitondra azy. Hentitra ny valin-tenin’ i Knox nanao hoe: «Koa satria tsy avy tamin’ ny mpanjaka ety an-tany no niavian’ ny herin’ ny fivavahana marina sy ny fahefany tany amboalohany fa avy tamin’ Andriamanitra mandrakizay irery ihany, dia tsy voafehy hampirafitra ny fivavahany araka izay mahafaly ny andriana mitondra azy ny olom-pehezina. Matetika mantsy dia ny mpanjaka no tsy mahalala indrindra mihoatra noho ny hafa rehetra ny momba ny tena fivavahana amin’ Andriamanitra marina. . . Raha ny taranak’ i Abrahama manontolo no nandray ny fivavahan’ i Farao izay nifehy azy ireo ela, dia manontany anao aho, tompokovavy, mba fivavahana manao ahoana moa no teto amin’ izao tontolo izao? Na koa raha nanaraka ny fivavahan’ ny amperora Romana daholo ny olona tamin’ ny andron’ ny Apostoly, dia mba fivavahana toy inona moa no nisy nanerana ny tany? . . . Noho izany, tompokovavy, dia tsinjonao fa tsy voafehy tsy maintsy hanaraka ny fivavahan’ ny andriana mitondra azy tsy akory ny olom-pehezina, na dia voadidy hankatò azy ireo aza izy». Hoy i Maria: «Ianao mandray ny Soratra Masina amin’ ny fomba iray, ary ny mpampianatra katolika Romana mandray azy amin’ ny fomba hafa; koa iza no hinoako, ary iza no hitsara izany?» «Aoka hino an’ Andriamanitra Izay miteny amin’ ny fomba mazava ao amin’ ny teniny ianao», hoy ny navalin’ ny Mpanavao fivavahana; amin’ izay tafahoatra noho ny tenin’ Andriamanitra. dia aoka ianao tsy hino na ny andaniny na ny ankilany. Mazava ho azy ny tenin’ Andriamanitra ; ary raha misy maizimaizina amin’ ny toerana iray, dia ny Fanahy Masina, Izay tsy manohitra ny tenany na oviana na oviana, no manazava izany bebe kokoa 186

amin’ ny toeran-kafa, hany ka tsy mety hisy fisalasalana ho tafatoetra afa-tsy amin’ izay mikiribiby hijanona eo amin’ ny tsy fahalalany. David Laing,The Collected Works of John Knox, boky 2. pp. 281, 284. Toy izany ireo fahamarinana nambaran’ ilay Mpanavao fivavahana tsy nanan-tahotra ho ren’ ny sofin’ ny andriamanjaka, na dia nety nampidi-doza ny ainy aza izany. Izany herimpo tsy mety lefy izany no nifikirany tamin’ ny zava-nokinendriny, ka nivavaka sy niady ny adin’ i Jehovah izy, mandra-pahafak’ i Ekaosy tamin’ ny fahefan’ ny papa. Tany Angletera dia nampihena ny fanenjehana fa tsy nampijanona azy tanteraka tsy akory ny fametrahana ny fivavahana Protestanta ho fivavahan’ ny firenena. Betsaka ireo fampianaran’ i Roma no nialana, nefa tsy vitsy koa ireo endriny notazonina. Notsipahina ny fanekena ny papa ho fahefana fara-tampony, nefa ho solony dia ny mpanjaka no nosatroham-boninahitra ho lohan’ ny fiangonana. Tao amin’ ny fanompoam-pivavahan’ ny fiangonana dia nisy fiatahana lavitra tamin’ ny fahadiovana sy ny fahatsoran’ ny filazantsara. Mbola tsy nazava ny foto-kevitra lehibe momba ny fahafahana ara-pivavahana. Na dia indraindray tadiavina ihany aza no nampiasan’ ireo mpitondra Protestanta ireo ny habibiana mahatsiravina nampiasain’ i Roma tamin’ ny «herezia», dia tsy nekena kosa ny zon’ ny tsirairay hanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ ny feon’ ny fieritreretan’ ny tenany. Noterena hanaiky ny fampianarana sy hanaraka ny fombam-pivavahan’ ny fiangonana naorina ny rehetra. Niaritra fanenjehana nandritra ny taonjato maro izay nandà izany indraindray mafimafy kokoa, indraindray moramora kokoa. Tamin’ ny taonjato fahafito ambin’ ny folo dia nisy an’ arivony ny mpitandrina voaroaka tamin’ ny toerany. Norarana ny vahoaka ary norahonana handoa sazy mavesatra, hampidirina am-ponja, sy hatao sesi-tany, tsy hanatrika fotoam-pivavahana afa-tsy izay nankatoavin’ ny fiangonana ihany. Ireo fanahy nahatoky, izay tsy nahazaka tsy hivory mba hanompo an’ Andriamanitra dia voatery nihaona tany amin’ ny toerana takontakona, sy tany ambany tafon-trano maizimaizina, ary tamin’ ny fizaran-taona sasany, dia tany anaty ala amin’ ny misasak’ alina. Tany anaty ala mikirindro no nialokalofany, izay tempoly vitananahary rahateo ; tany no nivorian’ ireo zanak’ Andriamanitra niely patrana sy nenjehina, mba handoatra ny fanahiny tamin’ ny vavaka sy ny fiderana. Nefa na toy inona na toy inona fitandremana nataony dia betsaka no nijaly noho ny finoany. Feno hika ny tranomaizina. Voasaraka ny fianakaviana. Maro no voaroaka ho any an-tany hafa. Momba ny vahoakany anefa Andriamanitra ka tsy afaka nampangina ny teni-vavolombelona nataony ny fanenjehana. Maro no voatarika hiampita ny ranomasimbe ho any Amerika ary tany no nanorenany ny fototry ny fahafahana ara-panjakana sy ara-pivavahana izay fiarovana sy voninahitr’ io tany io. Tahaka ny tamin’ ny andron’ ny apostoly, dia mainka nampandroso ny Filazantsara ny fanenjehana. Tao amin’ ny fonja iray maharikoriko hipoky ny mpanao fitondrantena ratsy sy ny mpama-dika, no niainan’ i John Bunyan tamin’ ny rivo-piainan’ ny lanitra marina, ary tao no nanoratany ilay tantara fanoharana mahagaga momba ny dian’ ny mpivahiny avy 187

hiala tamin’ ny fifandraisana tamin’ i Roma ka hiaraka amin’ ireto Mpanavao fivavahana

voaenjika ireto.

Raha nampirisika azy ny namany hanao ny asan’ ny mpitoriteny, dia nihemotra sady

nangovitra teo anatrehan’ izany andraikitra izany izy, ary taorian’ ny andro maromaro

nitokanany samirery sy niadiany mafy tamin’ ny tenany vao nanaiky izy. Fa rehefa nanaiky

io toerana io kosa izy, dia nandroso hatrany tamim-panapahan-kevitra hentitra sy herim-po

tsy azo nohozongozonina nandritra ny nahavelomany. Tsy natahotra ny nifanatrika tamin’

ny olona ity Mpanavao fivavahana nahatoky ity. Ny afo nandorana ny maritiora, izay

nirehitra nanodidina azy, dia vao mainka nampirehitra ny hafanam-pony bebe kokoa.

Niraviravy teo ambony lohany ny famakin’ ny mpanjakazaka, nefa tsy nihemotra izy, ary

namelively tamin’ ny kapoka mafy ny teo ankavia na ny teo ankavanana handrodanany ny

fanompoan-tsampy.

Rehefa nifanatri-tava tamin’ ny mpanjakavavin’ i Ekaosy izay nampangatsiaka ny

hafanam-pon’ ny maro tamin’ ireo mpitarika protestanta, i John Knox, dia tsy nisalasala ny

hitsangana ho vavolombelon’ ny fahamarinana. Tsy resin-tambitamby izy, na nitakemotra

teo anoloan’ ny fandrahonana. Niampanga azy ho «heretika» ny mpanjakavavy.

Nampianatra ny vahoaka handray fivavahana izay voararan’ ny fanjakana ianao, hoy ny

nambarany, koa noho izany dia nandika ny didin’ Andriamanitra izay mandidy ny olompeheziny

hankatò ny andriana nitondra azy. Hentitra ny valin-tenin’ i Knox nanao hoe:

«Koa satria tsy avy tamin’ ny mpanjaka ety an-tany no niavian’ ny herin’ ny fivavahana

marina sy ny fahefany tany amboalohany fa avy tamin’ Andriamanitra mandrakizay irery

ihany, dia tsy voafehy hampirafitra ny fivavahany araka izay mahafaly ny andriana mitondra

azy ny olom-pehezina. Matetika mantsy dia ny mpanjaka no tsy mahalala indrindra

mihoatra noho ny hafa rehetra ny momba ny tena fivavahana amin’ Andriamanitra marina. .

. Raha ny taranak’ i Abrahama manontolo no nandray ny fivavahan’ i Farao izay nifehy azy

ireo ela, dia manontany anao aho, tompokovavy, mba fivavahana manao ahoana moa no teto

amin’ izao tontolo izao? Na koa raha nanaraka ny fivavahan’ ny amperora Romana daholo

ny olona tamin’ ny andron’ ny Apostoly, dia mba fivavahana toy inona moa no nisy

nanerana ny tany? . . . Noho izany, tompokovavy, dia tsinjonao fa tsy voafehy tsy maintsy

hanaraka ny fivavahan’ ny andriana mitondra azy tsy akory ny olom-pehezina, na dia

voadidy hankatò azy ireo aza izy».

Hoy i Maria: «Ianao mandray ny Soratra Masina amin’ ny fomba iray, ary ny

mpampianatra katolika Romana mandray azy amin’ ny fomba hafa; koa iza no hinoako, ary

iza no hitsara izany?»

«Aoka hino an’ Andriamanitra Izay miteny amin’ ny fomba mazava ao amin’ ny teniny

ianao», hoy ny navalin’ ny Mpanavao fivavahana; amin’ izay tafahoatra noho ny tenin’

Andriamanitra. dia aoka ianao tsy hino na ny andaniny na ny ankilany. Mazava ho azy ny

tenin’ Andriamanitra ; ary raha misy maizimaizina amin’ ny toerana iray, dia ny Fanahy

Masina, Izay tsy manohitra ny tenany na oviana na oviana, no manazava izany bebe kokoa

186

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!