Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Nisy namadika an’ i Tyndale teo an-tanan’ ireo fahavalony, ary dia notanana am-ponja volana maro izy. Farany dia nijoro ho vavolombelon’ ny finoany tamin’ ny fahafatesan’ ny maritiora izy; nefa kosa ireo fiadiana nomaniny dia nahazoan’ ny miaramila hafa nanohy ny ady naridritra ireo taonjato nifandimby hatramin’ izao androntsika izao. Noantitranterin’ i Latimer avy eny amin’ ny polipitra fa tokony hovakina amin’ ny fitenin’ ny vahoaka ny Baiboly. Ny mpanoratra ny Soratra Masina, hoy izy, dia «Andriamanitra mihitsy»; ary mandray anjara amin’ ny hery sy ny maha-mandrakizay ny Mpanoratra azy io Soratra Masina io. «Tsy misy mpanjaka, amperora, mpitondra fanjakana sy mpanapaka. . . izay tsy voafehy tsy hankatò. . . ny teniny masina». «Aoka isika tsy handeha amin’ ny lala-miolaka, fa aoka ny tenin’ Andriamanitra no hitarika antsika: aoka isika tsy hanaraka. . . ireo nialoha lalana antsika, ary tsy hikatsaka izay nataony, fa hitady kosa izay tokony ho nataony». Hugh Latimer, «Toriteny voalohany natao teo anatrehan’ ny Mpanjaka Edouard fahenina». Nitsangana hiaro ny fahamarinana i Barnes sy i Erith izay sakaiza mahatokin’ i Tyndale. Nanaraka koa ry Ridleys sy Cranmer. Olona nanam-pahaizana ireo nitarika ny Reformasiona anglisy, ary ny ankabeazany dia nohajaina fatratra noho ny hafanam-pony na ny fitiavam-bavaka teo amin’ ireo mpanaraka an’ i Roma. Vokatry ny fahalalany ny fahadisoan-kevitry ny «seza fiandrianan’ ny Ray masina» no nanoherany ny fahefana papaly. Ny fahafantarany ireo zava-miafin’ i Babylona dia nanome hery bebe kokoa ny fijoroany ho vavolombelona hanohitra azy. «Izao dia hametraka fanontaniana hafahafa aho», hoy i Latimer, «Iza no eveka sy mpitondra fiangonana ambony izay mazoto indrindra eran’ i Angletera manontolo ? . . . Hitako fa mihaino sy manongilan-tsofina fatratra ianareo hilazako ny anarany. . . Hambarako aminareo ary : ny devoly izany. . . Tsy miala na oviana na oviana any ivelan’ ny fitandremany mihitsy izy, antsoy izy rehefa tianao fa ao foana izy. . . eo am-perin’ asa lalandava izy. Milaza marina aminareo aho fa tsy mba hahita azy mitomoe-poana na oviana na oviana ianareo. . . Ao amin’ izay itoeran’ ny devoly. . . dia miala ny boky, ary asandratra ny labozy ; ailika ny Baiboly, fa asandratra ny sapile ; miala ny fahazavan’ ny Filazantsara, fa asandratra ny fahazavan’ ny labozy, eny, na dia amin’ ny mitataovovonana aza, . . . Atao atao fampidiram-bola. . . Miala ny fanafiana ny mitanjaka, ny mahantra, ny kilemaina, fa misandratra ny fanaingoana ny sary vongana sy ny fandravahana amim-pifaliana ny vatankazo sy ny vato, asandratra ny lovan-tsofin’ ny olombelona sy ny lalàny, ary atao ambany kosa ny fampianarana araka an’ Andriamanitra sy ny teniny masina indrindra. . . Raha mba mazoto hamafy ny voambarin’ ny fampianarana tsara mantsy ireo pretra ambony eo amintsika tahaka an’ i Satana mamafy ahi-dratsy sy tsimparifary». — Ibid, «Toriteny momba ny angadin’ omby». Ny foto-kevitra lehibe notanan’ ireo Mpanavao fivavahana ireo dia izay notanan’ ny Vaudois, ry Wiclef, ry Jean Hus, ry Lotera, ry Zwingli, ary ireo rehetra niray tamin’ izy ireo dia ny fahefan’ ny Soratra Masina tsy mety diso amin’ ny maha-fitsipiky ny finoana sy ny 184

fiainana an’ izany. Nolaviny ny zon’ ny papa, ny an’ ny Konsily, ny an’ ireo Rain’ ny fiangonana, ny an’ ny mpanjaka, hifehy ny feon’ ny fieritreretana raha ny momba ny fivavahana. Ny Baiboly no fahefana ho azy, ary nosedrainy tamin’ ny fampianarany ny fotopinoana rehetra sy ny fihamboana rehetra. Ny finoana an’ Andriamanitra sy ny Teniny no nanohana ireo olo-masina ireo raha namoy ny ainy teo amin’ ny antontan-kitay fandoroana izy. «Mahereza, hoy Latimer tamin’ ilay maritiora namany raha nadiva hampangina ny feony ny lelafo. Handrehitra fanilo eto Angletera isika anio, noho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay itokisako fa tsy ho faty na oviana na oviana»Works of Hugh Latimer, boky 1, p. 13. Tany Ekaosy dia tsy ary levona avokoa ireo voan’ ny fahama-rinana nafafin’ i Columba sy ny mpiara-miasa taminy. An-jato taona maro taty aorian’ ny nileferan’ ny fiangonana tany Angletera tamin’ i Roma, dia mbola nitana ny fahafahany ny fiangonana tany Ekaosy. Tamin’ ny taonjato faharoa ambinifolo anefa dia tafaorina tao ny fahefan’ ny papa, ary tsy nisy tany nanamparany ny fahefany tsy refesi-mandidy toy ny tao. Tao ny haizina no farany nikitroka. Nefa dia nisy ihany tara-pahazavana izay nanagorobaka ny haizimpito ka nitondra ny fanantenan’ ny andro efa hiposaka. Ireo Lollards avy any Angletera nitondra ny Baiboly sy ny fampianaran’ i Wiclef, dia nahavita be tamin’ ny fiarovana ny fahalalana ny Filazantsara, koa samy nanana ny vavolombelony sy ny maritiorany avy ny taonjato rehetra. Niaraka tamin’ ny fiandohan’ ny Reformasiona lehibe no nisehoan’ ireo bokin’ i Lotera, ary nanaraka izany ny Testamenta Vaovao tamin’ ny teny anglisy nadikan’ i Tyndale. Tsy tandrin’ ny fahefana isan-tsokajiny tao amin’ ny eglizy ireo mpitondra hafatra nitety mangingina ny tendrombohitra sy ny lohasaha, izay efa nanome rehitra vaovao ny fanilon’ ny fahamarinana izay efa saiky maty tany Ekaosy, ary nandrava ny asa izay nataon’ i Roma nandritra ny efa-jato taona nampahoriany azy. Dia nanome ainga vaovao sy fihetsiketsehana ny ran’ ny maritiora. Taitra tampoka ireo mpitarika papista nahatsapa ny loza izay nananontanona ny asany, ka natolony hodorana velona ny zanak’ i Ekaosy sasany anisan’ ny mendrika sy nanan-kaja indrindra. Tsy inona anefa no nataony fa nanangana polipitra ihany, izay nandrenesana eran’ i Ekaosy ny tenin’ ireo vavolombelona teo am-pialan’ aina, teny nampientanentana ny vahoaka izay nanana fahatapahankevitra tsy mety maty fa hanakifika ny gadran’ i Roma. Namoy ny ainy hodorana velona i Hamilton sy Wishart izay sady andrian-toetra no andriana fiaviana rahateo ary nanaraka azy ireo tamin’ izany andiana mpianatra avy amin’ ny sarambabembahoaka. Nisy anefa anankiray niseho avy tamin’ ny antontan-kitay nandoroana an’ i Wishart izay tsy hain’ ny lelafo nampanginina, anankiray izay notarihin’ Andriamanitra hampaneno ny lakolosim-patin’ ny fahefana papaly tany Ekaosy. John Knox dia niala tamin’ ny lovan-tsofina sy ny fivavahana niorina tamin’ ny fihetseham-panahy fotsiny teo amin’ ny fiangonana ka nivelona tamin’ ireo fahamarinan’ ny tenin’ Andriamanitra; ary ny fampianaran’ i Wishart koa dia nanamafy ny fanapahan-keviny 185

fiainana an’ izany. Nolaviny ny zon’ ny papa, ny an’ ny Konsily, ny an’ ireo Rain’ ny

fiangonana, ny an’ ny mpanjaka, hifehy ny feon’ ny fieritreretana raha ny momba ny

fivavahana. Ny Baiboly no fahefana ho azy, ary nosedrainy tamin’ ny fampianarany ny fotopinoana

rehetra sy ny fihamboana rehetra. Ny finoana an’ Andriamanitra sy ny Teniny no

nanohana ireo olo-masina ireo raha namoy ny ainy teo amin’ ny antontan-kitay fandoroana

izy. «Mahereza, hoy Latimer tamin’ ilay maritiora namany raha nadiva hampangina ny

feony ny lelafo. Handrehitra fanilo eto Angletera isika anio, noho ny fahasoavan’

Andriamanitra, izay itokisako fa tsy ho faty na oviana na oviana»Works of Hugh Latimer,

boky 1, p. 13.

Tany Ekaosy dia tsy ary levona avokoa ireo voan’ ny fahama-rinana nafafin’ i Columba

sy ny mpiara-miasa taminy. An-jato taona maro taty aorian’ ny nileferan’ ny fiangonana

tany Angletera tamin’ i Roma, dia mbola nitana ny fahafahany ny fiangonana tany Ekaosy.

Tamin’ ny taonjato faharoa ambinifolo anefa dia tafaorina tao ny fahefan’ ny papa, ary tsy

nisy tany nanamparany ny fahefany tsy refesi-mandidy toy ny tao. Tao ny haizina no farany

nikitroka. Nefa dia nisy ihany tara-pahazavana izay nanagorobaka ny haizimpito ka nitondra

ny fanantenan’ ny andro efa hiposaka. Ireo Lollards avy any Angletera nitondra ny Baiboly

sy ny fampianaran’ i Wiclef, dia nahavita be tamin’ ny fiarovana ny fahalalana ny

Filazantsara, koa samy nanana ny vavolombelony sy ny maritiorany avy ny taonjato rehetra.

Niaraka tamin’ ny fiandohan’ ny Reformasiona lehibe no nisehoan’ ireo bokin’ i Lotera,

ary nanaraka izany ny Testamenta Vaovao tamin’ ny teny anglisy nadikan’ i Tyndale. Tsy

tandrin’ ny fahefana isan-tsokajiny tao amin’ ny eglizy ireo mpitondra hafatra nitety

mangingina ny tendrombohitra sy ny lohasaha, izay efa nanome rehitra vaovao ny fanilon’

ny fahamarinana izay efa saiky maty tany Ekaosy, ary nandrava ny asa izay nataon’ i Roma

nandritra ny efa-jato taona nampahoriany azy.

Dia nanome ainga vaovao sy fihetsiketsehana ny ran’ ny maritiora. Taitra tampoka ireo

mpitarika papista nahatsapa ny loza izay nananontanona ny asany, ka natolony hodorana

velona ny zanak’ i Ekaosy sasany anisan’ ny mendrika sy nanan-kaja indrindra. Tsy inona

anefa no nataony fa nanangana polipitra ihany, izay nandrenesana eran’ i Ekaosy ny tenin’

ireo vavolombelona teo am-pialan’ aina, teny nampientanentana ny vahoaka izay nanana

fahatapahankevitra tsy mety maty fa hanakifika ny gadran’ i Roma.

Namoy ny ainy hodorana velona i Hamilton sy Wishart izay sady andrian-toetra no

andriana fiaviana rahateo ary nanaraka azy ireo tamin’ izany andiana mpianatra avy amin’

ny sarambabembahoaka. Nisy anefa anankiray niseho avy tamin’ ny antontan-kitay

nandoroana an’ i Wishart izay tsy hain’ ny lelafo nampanginina, anankiray izay notarihin’

Andriamanitra hampaneno ny lakolosim-patin’ ny fahefana papaly tany Ekaosy.

John Knox dia niala tamin’ ny lovan-tsofina sy ny fivavahana niorina tamin’ ny

fihetseham-panahy fotsiny teo amin’ ny fiangonana ka nivelona tamin’ ireo fahamarinan’ ny

tenin’ Andriamanitra; ary ny fampianaran’ i Wishart koa dia nanamafy ny fanapahan-keviny

185

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!