Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Lehibe kokoa ny herin’ i Charles tany Holandy, nifanesy haingana dia haingana ny lalàna nampanenjika. Ny mamaky ny Baiboly, ny mihaino na mitory izany, eny, na dia ny miteny ny momba izany fotsiny aza naha-voaheloka hodorana velona ary azo melohina ho faty koa ny mivavaka mangina amin’ Andriamanitra, ny mandà tsy hiankohoka amin’ ny sarivongana, na ny mihira ny Salamo. Na dia ireo izay manaiky ny fahadisoany aza dia voaheloka. raha lehilahy dia vonoina amin’ ny sabatra, raha vehivavy dia alevim-belona. An’ arivony no maty fony i Charles sy Filipo faharoa nanjaka. Indray mandeha dia nisy fianakaviana iray manontolo nentina teo anatrehan’ ny mpitsaran’ ny Inquisition voampanga ho tsy nanatrika lamesa fa nivavaka tao antokantranony. Rehefa nanontaniana ny amin’ ny fomba mangingina fanaony izy mianakavy ilay faralahin-drizareo dia namaly hoe: «Mandohalika izahay ary mivavaka amin’ Andriamanitra hampahazava ny sainay sy hamela ny fahotanay; mivavaka ho an’ ny mpanjakanay izahay mba hiroborobo ny fanjakany ary ho sambatra izy ; mivavaka ho an’ ny mpanao fanjakana izahay, mba hiarovan’ Andriamanitra azy ireny».Wylie, boky 18, toko 6. Voahetsiketsika mafy ny mpitsara sasany, nefa dia voaheloku hodorana velona ihany ilay raim-pianakaviana sy ny zanani-lahy anankiray. Nifandanja tamin’ ny haromotan’ ny mpanenjika ny finoan’ ireo maritiora. Tsy ny lehilahy ihany fa ny vehivavy manan-kaja sy ny tanora zazavavy koa no nampiseho herimpo tsy azo naketraka. Nijoro teo anilan’ ny antontan-kitay nandoroana ravehivavy ary nibitsibitsika teny fampiononana ho azy raha mbola tao anaty lelafo izy, na nanao hira salamo izay nampahery azy. «Ny tanora zazavavy dia nitsotra tao am-pasana nandevenana azy velona tahaka ny miditra ao amin’ ny efitranony hatory amin’ ny alina, na nandroso eo amin’ ny antontankitay fandoroana velona, nitafy ny fitafiany tsara indrindra, tahaka ny handeha ho any amin’ ny fampakaram-badiny».Ibid, boky 18, toko 6. Toy ny tamin’ ny andro izay nilofosan’ ny fanompoan-tsampy hanapotika ny Filazantsara, dia zary voa nafafy ny ran’ ny Kristiana (Jereo Tertullien, Apology andininy faha-50). Mainka nampitombo ny isan’ ny vavolombelon’ ny fahamarinana ny fanenjehana. Isan-taona isan-taona dia nampirisika ny hitohizan’ ny asany mahatsiravina ny mpanjaka, izay tonga toy ny romotra noho ny fikirizana tsy resy nasehon’ ny vahoakany; nefa herim-po very maina izany. Tamin’ ny nanjakan’ i Guillaume d’Orange, izay lehilahy mendrika, dia nahazo fahafahana hanompo an’ Andriamanitra i Holandy ho vokatry ny Revolisiona. Na tany an-tendrombohitr’ i Piémont, na tany amin’ ireo lohasahan’ i Frantsa, na tany amin’ ny morontsirak’ i Holandy, dia voamariky ny ran’ ny mpanaraka ny filazantsara ny fandrosoan’ izany. Fa tany amin’ ireo tany Avaratra kosa dia niditra tamim-pilaminana izany. Ireo mpianatra tany Wittenberg, rehefa niverina tany aminy dia nitondra ny finoana nohavaozina tany Scandinavie. Nanaparasaka ny fahazavana koa ny namoahana ny bokin’ i Lotera. Ireo vahoaka tsotra be herim-po tany Avaratra dia niamboho ny fahalovana, ny 178

entirenty sy ny finoanoampoanan’ i Roma ka nitodika tamimpifaliana ho amin’ ny fahadiovana, ny fahatsorana sy ny fahamarinana manome aina ao amin’ ny Baiboly. Zanaky ny tantsaha i Tansen, ilay Mpanavao fivavahana tany Danemarka. Mbola kely izy dia hita fa nanan-tsaina maranitra: nangetaheta fianarana izy; nefa nolavina ho azy izany noho ny fahasahiranan’ ny ray aman-dreniny ara-pivelomana ka niditra tao amin’ ny tranon’ ny relijiozy izy. Tao dia nahatonga ny fankasitrahan’ ny lehibe ny fahadiovam-piainany, niaraka tamin’ ny fahazotoany sy ny fahamarinany. Ny fanadinana dia nahitana fa nanantalenta izy izay nampanantena fa ho afaka hanompo tsara ny fiangonana amin’ ny ho avy. Tapaka ny hevitra fa hampianarina any amin’ ny Oniversite any Alemaina na any Holandy izy. Navela hifidy izay sekoly tiany ilay tovolahy mpianatra, afa-tsy ny mankany Wittenberg no nandrarana azy. Tsy navela hidiran-doza amin’ ny poizin’ ny «herezia» ny manampahaizan’ ny Lglizy. Izany no filazan’ ny relijiozy. Nankany Cologne i Tansen, izay fantatra tamin’ izany, ary hatramin’ izao, fa anankiray amin’ ny manda mafin’ ny fivavahana romana. Vetivety izy tao dia leon’ ny fivavahana fibanjinana fotsiny ny any an-koatra narahin’ ireo mpampianatra. Mby teo an-tanany tamin’ izany fotoana izany koa ireo bokin’ i Lotera Gaga sady finaritra izy namaky izany, ka naniry indrindra ny handray tombontsoa amin’ ny fampianarana nivantana avy amin’ ilay Mpanavao fivavahana. Nefa raha nanao izany izy dia tsy maintsy hanafintohina ny lehibeny tao amin’ ny tranon-drelijiozy nisy azy, tsy hanana mpiantoka intsony. Tsy ela anefa dia tapaka ny heviny, ary vetivety foana taorian’ izany dia nisoratra anarana ho mpianatra tany Wittenberg izy. Rehefa niverina tany Danemarka izy dia niverina tao amin’ ny tranon-drelijiozy nisy azy indray. Tsy mbola nisy niahiahy azy ho nanaraka ny fivavahan’ i Lotera aloha; tsy nasehony ny tsiambaratelony, neta niezaka izy, tsy hahamaodimaody ny namany, fa hitarika azy kosa amin’ ny finoana madio kokoa sy ho amin’ ny fiainana masina kokoa. Nosokafany ny Baiboliny, nambarany ny tena heviny, ary nony farany dia nitory an’ i Kristy ho fahamarinan’ ny mpanota sy hany fanantenan’ ny famonjena ho azy izy. Loza ny fahatezeran’ ny tale izay nanorina fanantenana betsaka taminy ho tonga mpiaro mahafatrapo an’ i Roma. Voaroaka avy hatrany tao amin’ ny tranon-drelijiozy nisy azy izy ho amin’ ny anankiray hafa ary nahiboka tao amin’ ny efitrano kely sady narahi-maso fatratra. Raiki-tahotra ireo mpiandry azy vaovao raha nahita fa vetivety dia maro tamin’ ny relijiozy no nanambara fa tonga Protestanta. Avy tao amin’ ny tsangam-by nanidy ny efitra kely nisy azy no namindrany ny fahalalana ny fahamarinana tamin’ ireo namany. Raha havanana tamin’ ny drafitra fampiasan’ ny eglizy tamin’ ny «heretika» ireo pretra danoa ireo, dia tsy ho re mihitsy intsony ny feon’ i Tausen, fa tsy nataony tsara levenana tao amin’ ny fonja iray ambanin’ ny tany izy, fa noroahiny kosa tsy ho ao amin’ ilay tranon-drelijiozy. Noho izany dia tsy nanan-kery izy ireo izao. Nisy didy vaovao navoakan’ ny mpanjaka, izay miaro ireo mpampianatra ny fotopinoana vaovao. 179

Lehibe kokoa ny herin’ i Charles tany Holandy, nifanesy haingana dia haingana ny lalàna

nampanenjika. Ny mamaky ny Baiboly, ny mihaino na mitory izany, eny, na dia ny miteny

ny momba izany fotsiny aza naha-voaheloka hodorana velona ary azo melohina ho faty koa

ny mivavaka mangina amin’ Andriamanitra, ny mandà tsy hiankohoka amin’ ny

sarivongana, na ny mihira ny Salamo. Na dia ireo izay manaiky ny fahadisoany aza dia

voaheloka. raha lehilahy dia vonoina amin’ ny sabatra, raha vehivavy dia alevim-belona.

An’ arivony no maty fony i Charles sy Filipo faharoa nanjaka.

Indray mandeha dia nisy fianakaviana iray manontolo nentina teo anatrehan’ ny

mpitsaran’ ny Inquisition voampanga ho tsy nanatrika lamesa fa nivavaka tao antokantranony.

Rehefa nanontaniana ny amin’ ny fomba mangingina fanaony izy mianakavy

ilay faralahin-drizareo dia namaly hoe: «Mandohalika izahay ary mivavaka amin’

Andriamanitra hampahazava ny sainay sy hamela ny fahotanay; mivavaka ho an’ ny

mpanjakanay izahay mba hiroborobo ny fanjakany ary ho sambatra izy ; mivavaka ho an’ ny

mpanao fanjakana izahay, mba hiarovan’ Andriamanitra azy ireny».Wylie, boky 18, toko 6.

Voahetsiketsika mafy ny mpitsara sasany, nefa dia voaheloku hodorana velona ihany ilay

raim-pianakaviana sy ny zanani-lahy anankiray.

Nifandanja tamin’ ny haromotan’ ny mpanenjika ny finoan’ ireo maritiora. Tsy ny

lehilahy ihany fa ny vehivavy manan-kaja sy ny tanora zazavavy koa no nampiseho herimpo

tsy azo naketraka. Nijoro teo anilan’ ny antontan-kitay nandoroana ravehivavy ary

nibitsibitsika teny fampiononana ho azy raha mbola tao anaty lelafo izy, na nanao hira

salamo izay nampahery azy.

«Ny tanora zazavavy dia nitsotra tao am-pasana nandevenana azy velona tahaka ny

miditra ao amin’ ny efitranony hatory amin’ ny alina, na nandroso eo amin’ ny antontankitay

fandoroana velona, nitafy ny fitafiany tsara indrindra, tahaka ny handeha ho any amin’

ny fampakaram-badiny».Ibid, boky 18, toko 6.

Toy ny tamin’ ny andro izay nilofosan’ ny fanompoan-tsampy hanapotika ny

Filazantsara, dia zary voa nafafy ny ran’ ny Kristiana (Jereo Tertullien, Apology andininy

faha-50). Mainka nampitombo ny isan’ ny vavolombelon’ ny fahamarinana ny fanenjehana.

Isan-taona isan-taona dia nampirisika ny hitohizan’ ny asany mahatsiravina ny mpanjaka,

izay tonga toy ny romotra noho ny fikirizana tsy resy nasehon’ ny vahoakany; nefa herim-po

very maina izany. Tamin’ ny nanjakan’ i Guillaume d’Orange, izay lehilahy mendrika, dia

nahazo fahafahana hanompo an’ Andriamanitra i Holandy ho vokatry ny Revolisiona.

Na tany an-tendrombohitr’ i Piémont, na tany amin’ ireo lohasahan’ i Frantsa, na tany

amin’ ny morontsirak’ i Holandy, dia voamariky ny ran’ ny mpanaraka ny filazantsara ny

fandrosoan’ izany. Fa tany amin’ ireo tany Avaratra kosa dia niditra tamim-pilaminana

izany. Ireo mpianatra tany Wittenberg, rehefa niverina tany aminy dia nitondra ny finoana

nohavaozina tany Scandinavie. Nanaparasaka ny fahazavana koa ny namoahana ny bokin’ i

Lotera. Ireo vahoaka tsotra be herim-po tany Avaratra dia niamboho ny fahalovana, ny

178

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!