Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

amin’ ny fiainana ho avy»D’Aitbigné, History of the Reformation in Europe in the Time of Calvin, boky 2, toko 16. Nandritra ny fanenjehana tany Meaux dia nesorina tamin’ ireo mpampianatra ny finoana nohavaozina ny fanomezan-dalana azy hitoriteny, ka lasa nankany amin’ ny saha hafa izy. Rehefa afaka fotoana fohy dia nankany Alemaina i Lefèvre. I Farel niverina tany amin’ ny tany nahaterahany tany amin’ ny faritra atsinanan’ i Frantsa, hanaparitaka ny fahazavana tany amin’ ny toerana nahabe azy. Efa re tao sahady ny vaovao momba izay niseho tany Meaux, ka nisy mpihaino ny fahamarinana izay nampianariny tamin-jotom-po tsy nisy tahotra. Tsy ela dia taitra ny manam-pahefana ka nampangina azy ary nandroaka azy hiala tao an-tanàna. Na dia tsy afa-niasa ampahibemaso intsony aza izy, dia nitety ny lohasaha sy ny tanàna madinika izy, nampianatra tany an-tokantrano sy tany anaty bozaka mangingina, ary niery tany anaty ala sy tany anaty zohim-batolampy izay toerana falehany fahazaza. Nanomana fitsapana mafy kokoa ho azy Andriamanitra. «Tsy hoe tsy nisy ny hazo fyaliana, ny fanenjehana sy ny teti-dratsin’ i Satana izay nampitandremana ahy mialoha», hoy izy; «mafy lavitra noho izay mety ho zakan’ ny tenako izany; nefa Raiko Andriamanitra efa nomaniny ny hery izay ilaiko. Ary mbola homaniny ihany koa». D’Anbigné, History of the Reformation of the Sixteenth Century, boky 12, toko 9. Tahaka ny tamin’ ny andron’ ny apostoly dia «tonga fampandrosoana ny filazantsara» 2 ny fanenjehana. Avy any Paris sy Meaux «izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny»- 3 Ary tamin’ izany fomba izany no nahitan’ ny fahazavana lalana hitatra hatrany amin’ ny faritany lavi-toerana maro tany Frantsa. Mbola nanomana mpiasa hanitatra ny asany Andriamanitra. Tao amin’ ny Sekoly iray tao Paris dia nisy tanora mpandini-javatra, tony ary efa hita sahady fa nahiratra sady lalintsaina, indrindra tsy latsa danja tamin’ ny fahadiovam-piainany. Ny nampiavaka azy dia ny fahazotoany teo amin’ ny ara-tsaina sy ny hafanam-pony tamin’ ny fivavahana. Vetivety dia nanjary reharehan’ ny Sekoly izy noho ny halalinan-tsainy sy ny fiezahany, ary nampoizina marina fa hanjary mpiaro havanana sy mendrika indrindra ny eglizy i Jean Calvin. Nisy tara-pahazavana avy amin’ Andriamanitra anefa tafagorobaka ny rindrin’ ny fampianarana hevi-tsain’ ny Andro Antenantenany sy ny finoanoampoana nanodidina an’ i Calvin. Nipararetra izy raha nandre ny amin’ ny fampianarana vaovao, ary tsy nisalasala mihitsy izy nihevitra fa mendrika ny afo nandoroana azy ny «heretika». Tsy fanahy niniany mihitsy anefa dia nifanatrika tamin’ ny «herezia» izy, ka voatery nisedra ny herin’ ny teolojian’ i Roma mba hanoherany ny fampianarana Protestanta. Nisy zanaky ny iraitampo tamin’ i Calvin tao Paris, izay nanaraka ny Reformasiona. Matetika no nihaona izy mirahalahy ary niady hevitra momba ireo anton-javatra nampikorontana ny fivavahana kristiana. «Tsy misy afa-tsy fivavahana roa eto amin’ izao tontolo izao», hoy Olivetan ilay Protestanta. Ny antokom-pivavahana iray dia izay noforonin’ ny olombelona ary ao amin’ izy rehetra ireo dia mamonjy ny tenany amin’ ny alalan’ ny fanompoam-pivavahana sy ny asa tsara ny olona; ny iray kosa dia ilay fivavahana 162

tokana ambaran’ ny Baiboly, ka mampianatra ny olona tsy hanantena famonjena afa-tsy amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra maimaimpoana. «Tsy mila na dia iray aza amin’ ny fampianaranareo vaovao aho», hoy i Calvin, «heverinao ve fa velona tao amin’ ny hevi-diso aho nandritra ny androm-piainako?» — Wylie, boky 13, toko 7. Nefa nifoha tao an-tsainy ny eritreritra izay tsy azony noroahina araka ny sitrapony. Raha nanirery tao an’ efitranony izy dia nandanjalanja ny tenin’ ny rahalahiny. Nitambesatra taminy ny fahatsapana ny maha-mpanota azy. Nahita ny tenany teo anatrehan’ Ilay Mpitsara masina, sy marina izy, nefa tsy nanam-piaro. Na ny fanelanelanan’ ny olomasina, na ny asa tsara. na ny fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fiangonana dia samy tsy nisy nahaisotra ny ota. Tsy misy afa-tsy ny haizin’ ny famoizam-po mandrakizay no hitany teo anatrehany. Sasa-poana ireo mpampianatra ngezalahy tao amin’ ny eglizy niezaka nanamaivana ny fahoriany. Samy tsy nisy antony na ny kaonfesy, na ny fampahorian-tena, fa tsy afaka nampihavana ny fanahiny tamin’ Andriamanitra ireny. Raha mbola tao anatin’ izany (olona tsy nisy vokany izany i Calvin, dia nahita maso ny fandoroana «heretika» iray indray andro raha sendra nitsidika toeram-pialam-boly iray. Gaga izy nahita ny fiadanana nisoritra teo amin’ ny endrik’ ilay maritiora. Tao anatin’ ny fampijaliana niteraka io fahafatesana mahatsiravina io sy teo ambanin’ ny fanamelohana mahatsiravina indrindra nataon’ ny eglizy i/y. nefa dia nampiseho finoana sy herim-po. Nampahory ilay tovolahy mpianatra ny nampitaha izany tamin’ ny hakiviana sy haizina nisy azy raha niaina tao amin’ ny fankatoavana hentitra indrindran’ ny eglizy izy. Fantany fa ny Baiboly no nanorenan’ ireo «heretika» ny finoany. Tapa-kevitra ny handinika izany izy, mba hahitany raha azony hatao ny mahafantatra ny tsiambaratelon’ ny fifalian’ izy ireo. Kristy no hitany tao amin’ ny Baiboly: «Ray ó», hoy izy nitomany. «nampitony ny hatezeranao ny sorona nataony; nanasa ny fahalotoako ny rany; nitondra ny ozona tokony ho ahy ny hazo fijaliany; avotra ho ahy ny fahafatesany. Nihevitra hadalana maro tsy mahasoa ho an’ ny tenanay izahay, nefa napetrakao teo anatrehako tahaka ny fanilo ny teninao ary notohininao ny foko mba hankahalako ny fahamendrehana hafa rehetra afa-tsy ny an’ i Jesosy». -Martyn, boky 3, toko 13. Nobeazina ho pretra i Calvin. Raha vao roa ambin’ ny folo taona izy dia notendrena hitandrina tao amin’ ny fiangonana kely iray, ka nosolain’ ny eveka ny lohany araka ny fitsipiky ny eglizy. Tsy nohosorana ho pretra izy na nanao ny raharahan’ ny pretra, nefa dia nanjary anisan’ ny mpitondra fivavahana. nitondra ny anaramboninahitra teo amin’ ny asany, ary nandray anjara-vola nifanaraka tamin’ izany. Ankehitriny rehefa fantany fa tsy ho tonga pretra na oviana na oviana izy, dia niverina nianatra lalàna aloha fotoana fohy, nefa nony farany dia navelany izany ka tapa-kevitra hanokana ny fiainany hitory ny filazantsara izy. Nisalasala ny ho tonga mpampianatra ampahibemaso anefa izy. Sarotsaro-kenatra rahateo izy, ary nitambesatra taminy ny 163

tokana ambaran’ ny Baiboly, ka mampianatra ny olona tsy hanantena famonjena afa-tsy

amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra maimaimpoana.

«Tsy mila na dia iray aza amin’ ny fampianaranareo vaovao aho», hoy i Calvin,

«heverinao ve fa velona tao amin’ ny hevi-diso aho nandritra ny androm-piainako?» —

Wylie, boky 13, toko 7.

Nefa nifoha tao an-tsainy ny eritreritra izay tsy azony noroahina araka ny sitrapony.

Raha nanirery tao an’ efitranony izy dia nandanjalanja ny tenin’ ny rahalahiny.

Nitambesatra taminy ny fahatsapana ny maha-mpanota azy. Nahita ny tenany teo anatrehan’

Ilay Mpitsara masina, sy marina izy, nefa tsy nanam-piaro. Na ny fanelanelanan’ ny olomasina,

na ny asa tsara. na ny fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fiangonana dia samy tsy

nisy nahaisotra ny ota. Tsy misy afa-tsy ny haizin’ ny famoizam-po mandrakizay no hitany

teo anatrehany. Sasa-poana ireo mpampianatra ngezalahy tao amin’ ny eglizy niezaka

nanamaivana ny fahoriany. Samy tsy nisy antony na ny kaonfesy, na ny fampahorian-tena,

fa tsy afaka nampihavana ny fanahiny tamin’ Andriamanitra ireny.

Raha mbola tao anatin’ izany (olona tsy nisy vokany izany i Calvin, dia nahita maso ny

fandoroana «heretika» iray indray andro raha sendra nitsidika toeram-pialam-boly iray.

Gaga izy nahita ny fiadanana nisoritra teo amin’ ny endrik’ ilay maritiora. Tao anatin’ ny

fampijaliana niteraka io fahafatesana mahatsiravina io sy teo ambanin’ ny fanamelohana

mahatsiravina indrindra nataon’ ny eglizy i/y. nefa dia nampiseho finoana sy herim-po.

Nampahory ilay tovolahy mpianatra ny nampitaha izany tamin’ ny hakiviana sy haizina nisy

azy raha niaina tao amin’ ny fankatoavana hentitra indrindran’ ny eglizy izy. Fantany fa ny

Baiboly no nanorenan’ ireo «heretika» ny finoany. Tapa-kevitra ny handinika izany izy,

mba hahitany raha azony hatao ny mahafantatra ny tsiambaratelon’ ny fifalian’ izy ireo.

Kristy no hitany tao amin’ ny Baiboly: «Ray ó», hoy izy nitomany. «nampitony ny

hatezeranao ny sorona nataony; nanasa ny fahalotoako ny rany; nitondra ny ozona tokony

ho ahy ny hazo fijaliany; avotra ho ahy ny fahafatesany. Nihevitra hadalana maro tsy

mahasoa ho an’ ny tenanay izahay, nefa napetrakao teo anatrehako tahaka ny fanilo ny

teninao ary notohininao ny foko mba hankahalako ny fahamendrehana hafa rehetra afa-tsy

ny an’ i Jesosy». -Martyn, boky 3, toko 13.

Nobeazina ho pretra i Calvin. Raha vao roa ambin’ ny folo taona izy dia notendrena

hitandrina tao amin’ ny fiangonana kely iray, ka nosolain’ ny eveka ny lohany araka ny

fitsipiky ny eglizy. Tsy nohosorana ho pretra izy na nanao ny raharahan’ ny pretra, nefa dia

nanjary anisan’ ny mpitondra fivavahana. nitondra ny anaramboninahitra teo amin’ ny

asany, ary nandray anjara-vola nifanaraka tamin’ izany.

Ankehitriny rehefa fantany fa tsy ho tonga pretra na oviana na oviana izy, dia niverina

nianatra lalàna aloha fotoana fohy, nefa nony farany dia navelany izany ka tapa-kevitra

hanokana ny fiainany hitory ny filazantsara izy. Nisalasala ny ho tonga mpampianatra

ampahibemaso anefa izy. Sarotsaro-kenatra rahateo izy, ary nitambesatra taminy ny

163

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!