Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Toko 12—Ny Fanavaozana ara- Pivavahana tany Frantsa Ny fanoherana tany Spira sy ny Fanekem-pinoana tany Aogsborga, izay nanamarika ny fandresen’ ny Fanavaozana arapivavahana tany Alemaina, dia narahin’ ny taona feno ady sy haizina. Nahaosa ny fivavahana Protestanta ny fisaraham-bazana teo amin’ ny mpanohana azy sady notafihin’ ny fahavalo matanjaka izy ka toa efa ho rava tanteraka. An’ arivony ny nandatsaka ny rany ho vavolom belona. Nipoaka ny ady an-trano ; nisy anankiray tamin’ ireo filohan’ ny mpiandany tamin’ ny Protestanta namadika an-drizareo; lavo teo ampelatanan’ ny amperora ny ambony indrindra tamin’ ireo andriandahy nanaiky ny Reformasiona ka notaritarihina ho babo nitety tanàna. Nefa tamin’ io fotoana toa nandresen’ ny amperora io indrindra, no nahapotika sy naharesy azy. Hitany fa votsotra teo ampelatanany ny hazany, ka voatery izy tamin’ ny farany handefitra tamin’ ny foto-pinoana izay nataony hambom-pon’ ny fiainany ny handrava azy. Efa nataony antoka ny fanjakany, ny hareny. eny. ny ainy aza mba hanamontsamontsanany ny «herezia». Izao anefa. resy an’ ady ny tafiny, ritra ny hareny, tandindomin’ ny fikomiana ireo fanjakany maro, fa mitatra hatraiza hatraiza kosa ny finoana izay nanaovany ezaka very maina hofoanana. Niady tamin’ ny hery tsitoha i Charles fahadimy. Efa niteny Andriamanitra hoe «Misia mazava», anefa niezahan’ ny amperora izay tsy hahavaky ny haizina. Tsy nahomby ny fikasany, antitra talohan’ ny fotoana izy, sasatry ny tolona lava ka nanongan-tena niala tamin’ ny seza fiandrianany ary nilevim-belona tao amin’ ny tranon-drelijiozy iray. Nisy andro maizina ho an’ ny Reformasiona koa tany Soisa tahaka ny tany Alemaina. Betsaka ireo fanjakana (cantons) nanaiky ny finoana nohavaozina, nefa nisy koa ireo ninia jamba ka nifikitra tamin’ ny fanekem-pinoan’ i Roma. Niteraka ady an-trano nony farany ny fanenjehan’ izy. ireo izay naniry ny handray ny fahama-rinana. Lavo teo an-tany fiadiana vonton-dran’ i Cappel ry Zwingli sy ireo maro hafa niray hina taminy teo amin’ ny fanavaozana arapivavahana. Fotoana fohy taorian’ izany dia maty i CEcolampade, trotrak’ ireo zava-doza mahatsiravina. Nandresy i Roma, ary toa efa hiverina aminy daholo izay rehetra veriny tamin’ ny toerana maro. Nefa tsy nandao ny asany na nahafoy ny vahoakany ilay Mpanolotsaina hatry ny fahagola. Nanafaka azy ny sandriny. Tamin’ ny tany hafa dia nanangana mpiasa hampandroso ny Reformasiona Izy. Tany Frantsa, raha mbola tsy re akory ny anaran’ i Lotera amin’ ny maha-Mpanavao fivavahana azy, dia efa nanomboka niposaka ny andro. Anisan’ ny voalohany nandray ny fahamarinana i Lefèvre izay efa mby tamin’ ny fahalehibeazany; lehilahy nahita fianarana, mpampianatra tao amin’ ny Oniversiten’ i Paris ary mpiandany tamin’ ny papa tamin’ ny fony marina sy tamin-joto tokoa. Raha nanao fikarohana momba ny haisoratra tamin’ ny andro fahagola izy, dia voatarika ho eo amin’ ny Baiboly ny sainy, ka nampidiriny hianaran’ ny mpianany izany. Olona nafana fo i Lefèvre tamin’ ny fivavahana tamin’ ny olomasina, ka niroso tamin’ ny fanomanana ny tantaran’ ny olo-masina sy ny maritiora araka izay hita ao amin’ ny lovan-tsofin’ ny fiango-nana. Nitaky asa betsaka sady mafy izany ; efa lasa lavitra anefa izy 156

tamin’ izany, raha nahatsapa fa mety nisy fanampiana hahasoa azy ao amin’ ny Baiboly ka nanomboka nandinika azy tamin’ izay lafiny izay izy. Nahita olo-masina tao izy, fa tsy tahaka ireo hita ao amin’ ny fanisan’ andron’ ny Romana. Nitosaka nameno ny sainy ny faha-zavana avy amin’ Andriamanitra. Sady talanjona izy no narikoriko ka dia navelany teo ilay asa nanendreny tena fa nanokan-tena kosa handinika ny tenin’ Andriamanitra izy. Ary vetivety dia nanomboka nampianatra ireo fahamarinana sarobidy hitany tao izy. Tamin’ ny taona 1512, talohan’ ny nanombohan’ i Lotera na Zwingli ny asa fanavaozana nataony, dia nanoratra izao i Lefèvre : «Andriamanitra no nanome antsika amin’ ny finoana ny fahamarinana izay hany afaka manamarina ho amin’ ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ ny fahasoavana»Wylie, boky 13, toko 1. Raha nandinika lalina ny momba ireo zavamiafin’ ny fanavotana izy dia niloa-bava hoe : «Endrey izany fifanakalozana ! Tsy hay lazaina ny fahalehibeazany», — voaheloka ilay tsy nanam-pahotana fa afaka ny meloka, Ilay Voatahy no mizaka ny ozona, ary ny voaozona kosa mandray ny fitahiana; maty ilay Fiainana, ary velona ny mety maty; safotry ny haizina ny voninahitra fa ilay tsy nahalala afa-tsy henatra teo aminy dia tafiana voninahitra.D’Aitbigné, navoaka tany Londra, boky 12, toko 2. Ary raha nampianatra izy fa an’ Andriamanitra irery ihany ny voninahitry ny famonjena; dia nanambara koa fa adidin’ ny olombelona ny mankatò. «Raha anisan’ ireo fiangonan’ i Kristy ianao, hoy izy, dia rantsan’ny vatany, raha anisan’ ny tenany ianao, dia feno ny fomban’ Andriamanitra. . .O, raha mba mety ho azon’ ny olona manko ny dikan’ io tombontsoa io dia hadio, ho maotona sy ho marina manao ahoana ny fiainany, ary ho vasoka manao ahoana ny fijeriny ny voninahitra rehetra eto amin’ izao tontolo izao, raha hampitahaina amin’ ilay voninahitra anaty, — dia ilay voninahitra tsy mety ho hitan’ ny mason’ ny nofo».Ibid, boky 12, toko 2. Nisy tamin’ ireo mpianatr’ i Lefèvre nanongilan-tsofina fatratra nihaino ny teniny sy nankasitraka izany, ary nanohy nanambara ny fahamarinana, fotoana ela taorian’ ny nampanginana ny feon’ ilay mpampianatra. Anisan’ ireny i William Farel, tia vavaka ny ray aman-dreniny, ary nobeazina handray ny fampianaran’ ny eglizy amin’ ny finoana tsy manadihady na inona na inona izy, ka afaka nilaza ny momba ny tenany tahaka ny Apostoly Paoly hoe : «fa efa Fariseo araka ny antoko fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ ny fivavaliantsika»1. Tamin’ ny maha-mpiandany mafana tamin’ i Roma azy, dia nirehitra tamin’ ny zotom-po izy hanapotika izay rehetra sahy nanohitra ny eglizy. «Nampiseho vangy tahaka ny amboadia romotra aho», hoy izy tatý aoriana, raha nitantara ny amin’ io vanim-potoana tamin’ ny fiainany io, rehefa nandre olona niteny nanohitra ny papa.Wylie, boky 13, toko 2. Tsy nahalala sasatra nivavaka tamin’ ny olo-masina izy, niaraka tamin’ i Lefèvre nitety ireo fiangonana tao Paris, niankohoka teo anoloan’ ny otely, nandravaka ireo fitehirizana relika tamin’ ny fanomezana nateriny. Tsy nitondra fiadanana ho an’ ny fanahiny anefa izany fahazarana izany, tamin’ ny fahatsapany ny fahotany, izay tsy foanan’ ny asa fampahorian-tena rehetra nataony. 157

tamin’ izany, raha nahatsapa fa mety nisy fanampiana hahasoa azy ao amin’ ny Baiboly ka

nanomboka nandinika azy tamin’ izay lafiny izay izy. Nahita olo-masina tao izy, fa tsy

tahaka ireo hita ao amin’ ny fanisan’ andron’ ny Romana. Nitosaka nameno ny sainy ny

faha-zavana avy amin’ Andriamanitra. Sady talanjona izy no narikoriko ka dia navelany teo

ilay asa nanendreny tena fa nanokan-tena kosa handinika ny tenin’ Andriamanitra izy.

Ary vetivety dia nanomboka nampianatra ireo fahamarinana sarobidy hitany tao izy.

Tamin’ ny taona 1512, talohan’ ny nanombohan’ i Lotera na Zwingli ny asa fanavaozana

nataony, dia nanoratra izao i Lefèvre : «Andriamanitra no nanome antsika amin’ ny finoana

ny fahamarinana izay hany afaka manamarina ho amin’ ny fiainana mandrakizay amin’ ny

alalan’ ny fahasoavana»Wylie, boky 13, toko 1. Raha nandinika lalina ny momba ireo zavamiafin’

ny fanavotana izy dia niloa-bava hoe : «Endrey izany fifanakalozana ! Tsy hay

lazaina ny fahalehibeazany», — voaheloka ilay tsy nanam-pahotana fa afaka ny meloka,

Ilay Voatahy no mizaka ny ozona, ary ny voaozona kosa mandray ny fitahiana; maty ilay

Fiainana, ary velona ny mety maty; safotry ny haizina ny voninahitra fa ilay tsy nahalala

afa-tsy henatra teo aminy dia tafiana voninahitra.D’Aitbigné, navoaka tany Londra, boky

12, toko 2.

Ary raha nampianatra izy fa an’ Andriamanitra irery ihany ny voninahitry ny famonjena;

dia nanambara koa fa adidin’ ny olombelona ny mankatò. «Raha anisan’ ireo fiangonan’ i

Kristy ianao, hoy izy, dia rantsan’ny vatany, raha anisan’ ny tenany ianao, dia feno ny

fomban’ Andriamanitra. . .O, raha mba mety ho azon’ ny olona manko ny dikan’ io tombontsoa

io dia hadio, ho maotona sy ho marina manao ahoana ny fiainany, ary ho vasoka manao

ahoana ny fijeriny ny voninahitra rehetra eto amin’ izao tontolo izao, raha hampitahaina

amin’ ilay voninahitra anaty, — dia ilay voninahitra tsy mety ho hitan’ ny mason’ ny

nofo».Ibid, boky 12, toko 2.

Nisy tamin’ ireo mpianatr’ i Lefèvre nanongilan-tsofina fatratra nihaino ny teniny sy

nankasitraka izany, ary nanohy nanambara ny fahamarinana, fotoana ela taorian’ ny

nampanginana ny feon’ ilay mpampianatra. Anisan’ ireny i William Farel, tia vavaka ny ray

aman-dreniny, ary nobeazina handray ny fampianaran’ ny eglizy amin’ ny finoana tsy

manadihady na inona na inona izy, ka afaka nilaza ny momba ny tenany tahaka ny Apostoly

Paoly hoe : «fa efa Fariseo araka ny antoko fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ ny

fivavaliantsika»1. Tamin’ ny maha-mpiandany mafana tamin’ i Roma azy, dia nirehitra

tamin’ ny zotom-po izy hanapotika izay rehetra sahy nanohitra ny eglizy. «Nampiseho

vangy tahaka ny amboadia romotra aho», hoy izy tatý aoriana, raha nitantara ny amin’ io

vanim-potoana tamin’ ny fiainany io, rehefa nandre olona niteny nanohitra ny papa.Wylie,

boky 13, toko 2. Tsy nahalala sasatra nivavaka tamin’ ny olo-masina izy, niaraka tamin’ i

Lefèvre nitety ireo fiangonana tao Paris, niankohoka teo anoloan’ ny otely, nandravaka ireo

fitehirizana relika tamin’ ny fanomezana nateriny. Tsy nitondra fiadanana ho an’ ny

fanahiny anefa izany fahazarana izany, tamin’ ny fahatsapany ny fahotany, izay tsy foanan’

ny asa fampahorian-tena rehetra nataony.

157

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!