Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

pifaliam-be no nandraisan’ izay rehetra tia ny fahamarinana io dikan-teny io, fa nandà izany tamim-paniratsirana kosa ireo izay nifidy ny lovan-tsofina sy ny didin’ olombelona. Nanahy mafy ireo pretra raha nihevitra fa ho afaka hifandahatra aminy momba ny fotokevitry ny tenin’ Andriamanitra izao olontsotra izao ka ho hita miharihary amin’ izay ny tsy fahaizany. Tsy nanan-kery hoenti-manohitra ny sabatry ny Fanahy ny fiadian’ ny hevitra ara-nofo nalahany. Novorin’ i Roma ny fahefany rehetra hanakanana ny fielezan’ ny Soratra Masina, nefa samy tsy nisy vokany avokoa na didy na fandrahonana, na fampijaliana. Arakaraka ny nanamelohany sy nandrarany ny Baiboly, dia vao mainka nahaliana fatratra ny vahoaka ta-hahalala izay tena ampianariny. Izay rehetra nahay namaky teny dia nazoto nianatra ny tenin’ Andriamanitra ho an’ ny tenany. Nentiny niaraka taminy hatraiza hatraiza izany, ka novakiny sy naverimberiny novakina ary tsy nety afa-po izy mandrapahaizany tsianjery ampahany betsaka taminy. Rehefa hitan’ i Lotera ny fankasitrahan’ ny olona ny Testamenta Vaovao dia natombony avy hatrany ny fandikana ny Testamenta Taloha, ary navoakany tsikelikely arakaraka ny nahavitany. Noraisin’ ny olona tamim-pifaliana ny bokin’ i Lotera na tany an-tanàn-dehibe na tany amin’ ny vohitra madinika. Izay nosoratan’ i Lotera sy ny sakaizany, dia naelin’ ny hafa kosa. Nisy relijiozy izay niaiky marina ny tsy maha-ara-dalàna ny fitsipika mandidy hitokamonina ka naniry ny hanolo ny fiainana nidonanahany ela tamin’ ny fiainana hampiasany marina ny heriny ; tsy ampy fahalalana anefa izy ireo hoenti-mitory ny tenin’ Andriamanitra, ka nitety ny faritany izy, nitsidika ny vohitra kely sy ny trano bongo rehetra izay nivarotany ny bokin’ i Lotera sy an’ ireo namany. Vetivety dia nifanizina eran’ i Alemaina ireny mpampiely boky be herim-po ireny. Ibid, boky 9, toko 11. Nodinihin’ ny olona tamim-pahalianana fatratra ireny soratra ireny na manan-karena izy na mahantra, na avara-pianarana izy na tsia. Amin’ ny alina, dia mamaky izany amin’ ny feo mafy sy mampianatra ao an-tanàna ho ren’ ny antokon’ olona vitsivitsy mitangorona eo amorom-patana. Ny ezaka rehetra natao dia nahazoana fanahy resy lahatry ny fahamarinana, izay nampianatra ny vaovao mahafaly tamin’ ny hafa rehefa nandray ny teny tamimpiravoravoana. Voaporofo ny teny avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra manao hoe: «Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina» 1. — Nisy asany ny fandinihana ny Soratra Masina ka nahatonga fiovana lehibe teo amin’ ny saina sy ny fon’ ny vahoaka. Zioga vy izay nitana ny mpanompony tao amin’ ny tsy fahalalana sy ny fahambaniana no natambesatry ny fahefana papaly taminy. Nokendrena fatratra ny hitohizan’ ny fanarahana fombafomba nitory finoanoam-poana, fa kely bitika kosa no anjaran’ ny fo sy ny saina teo amin’ ny fanompoam-pivavahany rehetra. Ny toritenin’ i Lotera izay namelabelatra ireo fahamarinana mazava ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, ary io Tenin’ Andriamanitra mihitsy taty aonana, izay napetraka teo am-pelatanan’ ny valala tsy mandady harona, no nampifoha ny hery natoritory teo amin’ ny vahoaka ka tsy nanadio sy nandratra ny toetrany fotsiny, fa nanome koa hery sy tanjaka vaovao ny sainy. 142

Olona avy amin’ ny saranga rehetra no hita nitana Baiboly teny an-tanany niaro ireo fampianaran’ ny Fanavaozana ara-pivavahana. Ny papista izay namela ny fandinihana ny Soratra Masina ho anjaran’ ny pretra sy ny relijiozy dia nitady azy ireo ankehitriny mba handroso ka hifandahatra amin’ ny fampianarana vaovao. Nefa, noho ireo sady tsy nahalala ny Soratra Masina no tsy nahafantatra ny herin’ Andriamanitra dia naharesy lahatra azy tanteraka ireo izay nampangainy ho bado sy «heretika». «Mampalahelo, hoy ny mpanoratra katolika iray, fa efa noresen’ i Lotera lahatra ireo mpanaraka azy tsy hatoky tsindrimandry hafa afa-tsy ny Soratra Masina». D’Aubigne, boky 9, toko 11 Nitangorona ny vahoaka nihaino ny fahamarinana narovan’ ny olona tsy nahita fianarana firy, eny izay niady hevitra momba izany tamin’ ny olona mahay nandaha-teny sy nanampahaizana momba ny teolojia aza. Niharihary ny tsy fahalalana mahamenatra teo amin’ ireo olona ambony ireo rehefa nosetrain’ ny fampianarana tsotra avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra ny fonjan-kevitra narosony. Ny mpiasa tany, ny miaramila, ny vehivavy, eny na dia ny ankizy aza, dia havanana kokoa tamin’ ny fampianaran’ ny Baiboly noho ireo pretra sy ireo mpampianatra ngezalahy lalim-pahaizana. Ny fahasamihafana nisy teo amin’ ny mpanaraka ny filazantsara sy ireo mpanohana ny finoanoam-poana papaly dia nibaribary koa teo amin’ ny avara-pianarana toy ny teo amin’ny sarambabembahoaka. Nifampitana tamin’ ireo mpiaro menavazan’ ny ambaratongam-pahefan’ ny papa, izay nanao an-tsirambina ny fianarana ny tenim-pirenena tsy fampiasa intsony sy ny haisoratra, . . .ireo tanora narani-tsaina liam-pahalalana ka nanadihady ny Soratra Masina sy nifankazatra tamin’ ireo sangan’ asan’ ny fahiny. Nanana saina mavitrika, ambony toetra sady nahery fo ireo tanora ireo ka vetivety dia nahatratra fahalalana tsy nisy afaka nifaninana taminy nandritra ny fotoana ela. . . Noho izany, rehefa nifanehatra tamin’ ny mpa-mpianatra ngezalahy niandany tamin’ i Roma na tamin’ ny fivoriana inona na tamin’ny fivoriana inona ireo tanora mpiaro ny Fanavaozana arapivavahana dia mora foana taminy ny namely azy tamimpahatokisana lehibe ka tratry ny fisalasalana ireny olona kely fahalalana sadaikatra mafy ary latsaka tamin’ ny fahafahambaraka mendrika azy teo imason’ ny rehetra. Ibid, boky 9, toko 11. Rehefa hitan’ ireo mpitondra fivavahana mpomba an’ i Roma fa nihena ny isan’ ny mpiangona tao aminy, dia nangataka ny fanampian’ ny mpitsara izy, ka nampiasa ny fomba rehetra teo ampelatanany nanao izay hiverenan’ ireo mpihaino azy. Nefa efa nahita izay mahafa-po ny zavatra notakian’ ny fanahiny tao amin’ ny fampianarana vaovao ny vahoaka, ka nihodina izy niala tamin’ ireo izay namahana azy ela tamin’ ny ampombo tsy mahasoa avy amin’ ny fombam-pivavahana mitory finoanoam-poana sy ny lovan-tsofìn’ olombelona. Rehefa nirehitra tamin’ ireo mpampianatra ny fahamarinana ny fanenjehana, dia narahiny tsara ny tenin’ i Kristy hoe : «Ary raha manenjika anareo amin’ ny tanàna iray ny olona, dia mandosira ho any amin’ ny hafa»2. Tafatsofoka hatraiza hatraiza ny fahazavana. Nahita trano midanadana azony nidirana tany ho any ireo mpandositra, nipetraka tao izy ireo 143

Olona avy amin’ ny saranga rehetra no hita nitana Baiboly teny an-tanany niaro ireo

fampianaran’ ny Fanavaozana ara-pivavahana. Ny papista izay namela ny fandinihana ny

Soratra Masina ho anjaran’ ny pretra sy ny relijiozy dia nitady azy ireo ankehitriny mba

handroso ka hifandahatra amin’ ny fampianarana vaovao. Nefa, noho ireo sady tsy nahalala

ny Soratra Masina no tsy nahafantatra ny herin’ Andriamanitra dia naharesy lahatra azy

tanteraka ireo izay nampangainy ho bado sy «heretika».

«Mampalahelo, hoy ny mpanoratra katolika iray, fa efa noresen’ i Lotera lahatra ireo

mpanaraka azy tsy hatoky tsindrimandry hafa afa-tsy ny Soratra Masina». D’Aubigne, boky

9, toko 11

Nitangorona ny vahoaka nihaino ny fahamarinana narovan’ ny olona tsy nahita fianarana

firy, eny izay niady hevitra momba izany tamin’ ny olona mahay nandaha-teny sy nanampahaizana

momba ny teolojia aza. Niharihary ny tsy fahalalana mahamenatra teo amin’ ireo

olona ambony ireo rehefa nosetrain’ ny fampianarana tsotra avy amin’ ny tenin’

Andriamanitra ny fonjan-kevitra narosony. Ny mpiasa tany, ny miaramila, ny vehivavy, eny

na dia ny ankizy aza, dia havanana kokoa tamin’ ny fampianaran’ ny Baiboly noho ireo

pretra sy ireo mpampianatra ngezalahy lalim-pahaizana.

Ny fahasamihafana nisy teo amin’ ny mpanaraka ny filazantsara sy ireo mpanohana ny

finoanoam-poana papaly dia nibaribary koa teo amin’ ny avara-pianarana toy ny teo

amin’ny sarambabembahoaka. Nifampitana tamin’ ireo mpiaro menavazan’ ny

ambaratongam-pahefan’ ny papa, izay nanao an-tsirambina ny fianarana ny tenim-pirenena

tsy fampiasa intsony sy ny haisoratra, . . .ireo tanora narani-tsaina liam-pahalalana ka

nanadihady ny Soratra Masina sy nifankazatra tamin’ ireo sangan’ asan’ ny fahiny. Nanana

saina mavitrika, ambony toetra sady nahery fo ireo tanora ireo ka vetivety dia nahatratra

fahalalana tsy nisy afaka nifaninana taminy nandritra ny fotoana ela. . . Noho izany, rehefa

nifanehatra tamin’ ny mpa-mpianatra ngezalahy niandany tamin’ i Roma na tamin’ ny

fivoriana inona na tamin’ny fivoriana inona ireo tanora mpiaro ny Fanavaozana arapivavahana

dia mora foana taminy ny namely azy tamimpahatokisana lehibe ka tratry ny

fisalasalana ireny olona kely fahalalana sadaikatra mafy ary latsaka tamin’ ny fahafahambaraka

mendrika azy teo imason’ ny rehetra. Ibid, boky 9, toko 11.

Rehefa hitan’ ireo mpitondra fivavahana mpomba an’ i Roma fa nihena ny isan’ ny

mpiangona tao aminy, dia nangataka ny fanampian’ ny mpitsara izy, ka nampiasa ny fomba

rehetra teo ampelatanany nanao izay hiverenan’ ireo mpihaino azy. Nefa efa nahita izay

mahafa-po ny zavatra notakian’ ny fanahiny tao amin’ ny fampianarana vaovao ny vahoaka,

ka nihodina izy niala tamin’ ireo izay namahana azy ela tamin’ ny ampombo tsy mahasoa

avy amin’ ny fombam-pivavahana mitory finoanoam-poana sy ny lovan-tsofìn’ olombelona.

Rehefa nirehitra tamin’ ireo mpampianatra ny fahamarinana ny fanenjehana, dia

narahiny tsara ny tenin’ i Kristy hoe : «Ary raha manenjika anareo amin’ ny tanàna iray ny

olona, dia mandosira ho any amin’ ny hafa»2. Tafatsofoka hatraiza hatraiza ny fahazavana.

Nahita trano midanadana azony nidirana tany ho any ireo mpandositra, nipetraka tao izy ireo

143

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!