Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

fahafenoany, satria hoy izy ireo, nalefaka ihany no nanombohan’ i Lotera azy. Raha ny marina anefa dia nandrava ny asa izay efa nataony izy. Notsipahiny ny foto-kevitra lehibe izay tena niorenan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana dia ny fanekena fa ny tenin’ Andriamanitra no fitsipika ampy dia ampy; ary io mpitari-dalana tsy mety diso io dia nosoloiny filamatra miovaova sy tsy azo antoka avy amin’ ny fihetseham-po sy ny saim-pantatry ny tenany ihany. Rehefa voailika toy izany ilay tena mpanondro azo antoka ny fahadisoana sy ny lainga, dia nivoha ny varavarana nidiran’ i Satana mba hifehy ny saina araka izay tiany. Ny anankiray tamin’ ireo mpaminany ireo nihambo ho nampianarin’ ny anjely Gabriela. Nisy mpianatra iray izay niaraka taminy niala tamin’ ny fianarany ary nilaza fa Andriamanitra mihitsy no nanome azy fahendrena hoenti-manazava ny teniny. Niray tamin’ ireo koa ny hafa izay efa nirona rahateo ho amin’ ny fitompoan -teny fantatra.Tsy kely tsy akory ny fahataitairana vokatry ny fiasan’ ireo mafana fo ireo. Nahatonga ny vahoaka hatraiza hatraiza hahatsapa ny ilàna fanavaozana ny toritenin’ i Lotera, ka ankehitriny dia nisy olona tena tso-po marina voafitaky ny hambon’ ireo mpaminany vaovao. Nankany Wittenberg ny mpitarika an’ io fihetsiketsehana io ka nitondra ny fihamboany teo amin’ i Melanchton sy ireo mpiaramiasa aminy. Hoy izy ireo: «Nalefan’ Andriamanitra hampianatra ny vahoaka izahay. Niresadresaka mivantana tamin’ ny Tompo izahay; fantatray izay ho avy; raha fintinina, dia apostoly sy mpaminany izahay, ary hanohana anay amin’ izany i Lotera, mpampianatra ngezalahy».Ibid, boky 9, toko 7. Gaga sady very hevitra ireo mpanavao fivavahana. Zavatra tsy mbola hitany hatramin’ izay izao, ary tsy fantany izay tokony atao. Hoy i Melanchton: «Marina fa misy fanahy mahagaga ao amin’ ireo olona ireo, nefa fanahy inona ? . . . Etsy andaniny anefa dia aoka isika hitandrina tsy hamono ny Fanahin’ Andriamanitra, ary etsy ankilany, aoka hitandrina andrao ho voatariky ny fanahin’ i Satana». Ibid, boky 9, toko 7. Vetivety dia niseho ny vokatry ny fampianarana vaovao. Voata-rika hanao an-tsirambina ny Baiboly ny vahoaka na hametraka an’ izany tanteraka aza. Voakorontana ny sekoly. Nanao tsinontsinona izay fifehezana rehetra ny mpianatra, ka nandao ny fianarany sy niala tamin’ ny Oniversite. Ny olona izay nihevitra ny tenany ho afaka hamelona sy hanara-maso ny asan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana dia tsy nahita fahombiazana afa-tsy tamin’ ny nitondrany izany teo amoron-tevana. Nahazo toky indray izao ny Romanista ka diboky ny hafaliana nihorakoraka hoe:. «lndray maka sisa, dia ho antsika ny zavatra rehetra». Ibid, boky 9, toko 7. Rehefa nandre izany zavatra nitranga izany tany Wartburg i Lotera, dia hoy izy feno ahiahy: «Matetika no efa nampoiziko fa halefan’ i Satana amintsika izao antambo izao». Ibid, boky 9, toko 7. Tsinjony ny tena toetra amam-panahin’ ireo olona mihambo ho mpaminany ireo ka hitany ny loza nananontanona ny fahamarinana. Ny fanoherana nataon’ ny papa sy ny amperora dia tsy nahatonga azy hitebiteby be sy ho oriory toy izao ankehitriny izao. Avy 136

amin’ ireo izay mitonona ho sakaizan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana no nipoiran’ny tena fahavalo gaigilahy indrindra. Ireo fahamarinana izay nitondra fifaliana sy fampiononana lehibe indrindra ho azy izao no nampiasaina hiteraka fifandirana sy korontàna tao amin’ ny fiangonana. Teo amin’ ny asa fanavaozana, dia ny Fanahin’ Andriamanitra no nampirisika an’ i Lotera handroso, ary voatarika lavitra kokoa noho izay noheveriny izy. Tsy nikasa ny hiakatra ho amin’ izao toerana misy azy izao izy, na hanao fanovana lasa lavitra toy izao. Fitaovana fotsiny teo am-pelatanan’ ny Hery tsy voafetra izy. Matetika aza izy no torakovitra tamin’ ny vokatry ny asany. Hoy izy indray mandeha: «Raha fantatro fa nanimba olona iray ny fampianarako, olona iray monja, na dia ambany sy tsy fantatr’ olona aza, izay zavatra tsy mety ho vitany, satria Filazantsara tena izy io dia aleoko maty im-polo heny toy izay handà izany». Ibid, boky 9, toko 7. Ankehitriny anefa dia Wittenberg indrindra, ilay manda famaharan’ ny Fanavaozampivavahana no, indro. fa ibosesehan’ ny fitompoan-teny fantatra sy ny fisainana tsy tandalàna. Izao toejavatra mampalahelo izao dia tsy vokatra avy amin’ ny fampianaran’ i Lotera tsy akory, kanefa ireo fahavalony dia nampiely eran’ i Alemaina fa izy no tompon’ andraikitra amin’ izany! Tao amin’ ny fangidiam-panahiny dia velom-panontaniana indraindray izy hoe: «Izao ve ary no fiafaran’ ity asa lehiben’ ny Fanavaozam-pivavahana ity?» Ibid, boky 9, toko 7. Raha nitolona tamin’ Andriamanitra tamim-bavaka indray izy. dia nitobaka tao am-pony ny fiadanana. «Tsy ahy ny asa. fa Azy», hoy izy: «Tsy havelanao ho simban’ ny finoanoampoana na ny fitompoan-teny fantatra izany». Nanjary tsy zakany intsony ny mieritreritra ny tenany mijanona elaela kokoa lavitra ny ady amin’ izao zava-tsarotra izao. Nanapa-kevitra ary izy fa hiverina any Wittenberg. Tsy niandry izy fa niroso ho amin’ izao dia mampidi-doza izao. Lfa voaroaka tsy ho anisan’ ny olom-pirenena intsony izy. Nanana fahafahana malalaka hamono hahafaty azy ireo fahavalony: voarara tsy hanampy na hampiantrano azy ny sakaizany. Nampiasa fitsipika henjana indrindra hoenti-manohitra ireo mpanaraka azy ny fitondran’ ny amperora. Hitany anefa fa notandindomin-doza ny asan’ ny filazantsara, ka dia nivoaka tsy tamintahotra tamin’ ny anaran’ i Jehovah hiady ho an’ ny fahamarinana izy. Izao no nolazain’ i Lotera tao amin’ ny taratasy nalefany ho an’ ny filohan’ i Saxe, rehefa avy nanambara ny fikasany hiala tany Wartburg izy : «Aoka ho fantatry ny andriamanjaka ta ho any Wittenberg eo ambany fiarovan’ Ilay ambony lavitra noho ny andrian-dahy sy ny filoham-panjakana aho. Heveriko fa tsy tokony hangataka ny fiarovan’ ny andriamanjaka aho, ary sanatria ny haniry ny fiarovanao ahy, fa izaho no tokony hiaro anao. Raha fantatro fa afaka na te-hiaro ahy ianao, andriamanjaka, dia tsy ho any Wittenberg mihitsy aho. Tsy misy sabatra afaka hanampy ity asa ity. Andriamanitra irery no tsy maintsy manao ny zavatra rehetra, ary tsy ilana fanampiana na fisalovanan’ olona. Izay manana finoana lehibe indrindra no afaka manampy indrindra». Ibid, boky 9, toko 8. 137

fahafenoany, satria hoy izy ireo, nalefaka ihany no nanombohan’ i Lotera azy. Raha ny

marina anefa dia nandrava ny asa izay efa nataony izy. Notsipahiny ny foto-kevitra lehibe

izay tena niorenan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana dia ny fanekena fa ny tenin’ Andriamanitra

no fitsipika ampy dia ampy; ary io mpitari-dalana tsy mety diso io dia nosoloiny

filamatra miovaova sy tsy azo antoka avy amin’ ny fihetseham-po sy ny saim-pantatry ny

tenany ihany. Rehefa voailika toy izany ilay tena mpanondro azo antoka ny fahadisoana sy

ny lainga, dia nivoha ny varavarana nidiran’ i Satana mba hifehy ny saina araka izay tiany.

Ny anankiray tamin’ ireo mpaminany ireo nihambo ho nampianarin’ ny anjely Gabriela.

Nisy mpianatra iray izay niaraka taminy niala tamin’ ny fianarany ary nilaza fa

Andriamanitra mihitsy no nanome azy fahendrena hoenti-manazava ny teniny. Niray tamin’

ireo koa ny hafa izay efa nirona rahateo ho amin’ ny fitompoan -teny fantatra.Tsy kely tsy

akory ny fahataitairana vokatry ny fiasan’ ireo mafana fo ireo. Nahatonga ny vahoaka

hatraiza hatraiza hahatsapa ny ilàna fanavaozana ny toritenin’ i Lotera, ka ankehitriny dia

nisy olona tena tso-po marina voafitaky ny hambon’ ireo mpaminany vaovao.

Nankany Wittenberg ny mpitarika an’ io fihetsiketsehana io ka nitondra ny fihamboany

teo amin’ i Melanchton sy ireo mpiaramiasa aminy. Hoy izy ireo: «Nalefan’ Andriamanitra

hampianatra ny vahoaka izahay. Niresadresaka mivantana tamin’ ny Tompo izahay;

fantatray izay ho avy; raha fintinina, dia apostoly sy mpaminany izahay, ary hanohana anay

amin’ izany i Lotera, mpampianatra ngezalahy».Ibid, boky 9, toko 7.

Gaga sady very hevitra ireo mpanavao fivavahana. Zavatra tsy mbola hitany hatramin’

izay izao, ary tsy fantany izay tokony atao. Hoy i Melanchton: «Marina fa misy fanahy

mahagaga ao amin’ ireo olona ireo, nefa fanahy inona ? . . . Etsy andaniny anefa dia aoka

isika hitandrina tsy hamono ny Fanahin’ Andriamanitra, ary etsy ankilany, aoka hitandrina

andrao ho voatariky ny fanahin’ i Satana». Ibid, boky 9, toko 7.

Vetivety dia niseho ny vokatry ny fampianarana vaovao. Voata-rika hanao an-tsirambina

ny Baiboly ny vahoaka na hametraka an’ izany tanteraka aza. Voakorontana ny sekoly.

Nanao tsinontsinona izay fifehezana rehetra ny mpianatra, ka nandao ny fianarany sy niala

tamin’ ny Oniversite. Ny olona izay nihevitra ny tenany ho afaka hamelona sy hanara-maso

ny asan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana dia tsy nahita fahombiazana afa-tsy tamin’ ny

nitondrany izany teo amoron-tevana. Nahazo toky indray izao ny Romanista ka diboky ny

hafaliana nihorakoraka hoe:. «lndray maka sisa, dia ho antsika ny zavatra rehetra». Ibid,

boky 9, toko 7.

Rehefa nandre izany zavatra nitranga izany tany Wartburg i Lotera, dia hoy izy feno

ahiahy: «Matetika no efa nampoiziko fa halefan’ i Satana amintsika izao antambo izao».

Ibid, boky 9, toko 7.

Tsinjony ny tena toetra amam-panahin’ ireo olona mihambo ho mpaminany ireo ka

hitany ny loza nananontanona ny fahamarinana. Ny fanoherana nataon’ ny papa sy ny

amperora dia tsy nahatonga azy hitebiteby be sy ho oriory toy izao ankehitriny izao. Avy

136

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!