Leviathan dari Bangsa Bangsa_
, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,
mahatenin’ Andriamanitra an’ izany izy, dia ilay fitsipika ampy, tsy mety diso. Hitany fa ny Baiboly ihany no tsy maintsy hanazava ny tenany. Tsy sahy manandrana ny hanazava ny Soratra Masina izy hoentimanohana hevitra mibahana ao an-tsaina rahateo na ny fotopinoana, fa noraisiny ho adidiny ny hianatra izay ampianarin’ ny Baiboly amin’ ny fomba mivantana sy miharihary. Nitady izay rehetra nety hanampy azy mba ahazoany ny fahalalana feno sy marina ny dikany izy. ary nangataka ny fanampian’ ny Fanahy Masina, Izay, araka ny nolazainy, dia hambara izany amin’ izay rehetra mitady amin’ ny fo marina sy amim-pivavahana. «Avy amin’ Andriamanitra fa tsy avy amin’ ny olona ny Soratra Masina, hoy Zwingli, ary Andriamanitra mihitsy izay nampahazava anao no hanome anao ny fahafantarana fa avy Aminy ny teny. Tsy mety diso. . . ny tenin’ Andriamanitra; mamirapiratra izany, izy tenany no mampianatra momba ny tenany, mamelabelatra ny amin’ ny tenany, mampahazava ny fanahy amin’ ny famonjena sy ny fahasoavana rehetra izy, mampionona azy ao amin’ Andriamanitra, mampietry azy ka manjary heverin’ ny fanahy ho toy ny foana sy very zo tanteraka izy ka lasa miantsampy amin’ Andriamanitra.» I Zwingli mihitsy no efa nanaporofo ny fahamarinan’ ireo teny ireo. Izao no nosoratany tatý aoriana raha nilazalaza ny momba ny fanandramana nataony tamin’ io fotoana io izy: «Fony. . . aho nanomboka nanokan-tena tanteraka hiandany amin’ ny Soratra Masina. dia namohafoha hatrany ady hevitra tao amiko ny hevi-tsaina sy ny fampianarana momba ny fivavahana nampiavaka ny Andro Antenantenany. Nony farany dia izao no fara-hevitro: «Tsy maintsy avelanao daholo io lainga io ka hianatra ny dikany nomen’ Andriamanitra ianao, dia izay dikany madio araka ny teniny. Dia nanomboka nangataka tamin’ Andriamanitra ny fahazavany aho ka zary nihamora tamiko hatrany ny Soratra Masina.» Ibid, boky 8, toko 6. Tsy noraisiny tamin’ i Lotera ny fampianarana notorin’ i Zwingli. Fampianaran’ i Kristy izany. «Raha mitory an’ i Kristy i Lotera, hoy ilay mpanavao fivavahana Soisa, dia izay ataoko no ataony. Betsaka kokoa noho izay notarihiko ho eo amin’ i Kristy izay nentiny ho eo Aminy. Tsy mampaninona anefa izany. Tsy hitondra anarankafa noho ny an’ i Kristy aho; miaramilany aho ary Izy irery no Lehibeko. Na oviana na oviana tsy mbola nisy teny 11a dia iray aza nosoratako ho an’ i Lotera na nosoratany ho ahy. Nahoana ary?. . . Mba hanehoana ny maha-iray ny Fanahin’ Andriamanitra, satria 11a dia tsy nikaon-doha aza izahay mirahalahy dia mitovy tsy misy ivoasana izay ampianarinay momba an’ i Kristy.» D’Aubigne, boky 8, toko 9. Tamin’ ny taona 1516 dia nantsoina ho mpitoriteny tao amin’ ny tranon’ ny relijiozy tao Einsiedeln i Zwingli. Nahita akaiky kokoa ny faharatsian’ i Roma izy tao ary niasa mangina tamin’ ny mahampanavao fivavahana azy ka tsapa hatrany amin’ ny toerana lavitry ny Alpa nahaterahany izany. Anisan’ ireo zavatra nanintona indrindra tao Einsiedeln dia ny sary vongan’ ny virijina izay nolazaina fa manan-kery hanao fahagagana. Teo ambonin’ ny vavahadin’ ny tranon’ ny relijiozy dia nisy izao soratra izao: «ato no mety ahazoana famelana feno ny fahotana.» Ibid, boky 8, toko 5. Tamin’ ny vanimpotoana rehetra dia tonga ireo mpanao fivahinianana masina nitady famonjena teo amin’ ny toerana nisy ny virijina; 126
nefa tamin’ ny fety lehibe fanao isan-taona natokana ho azy dia vahoaka marobe no tonga avy amin’ ny faritr’ i Soisa manontolo, ary nisy avy any Frantsa sy Alemaina aza. Ory dia ory i Zwingli nahita izany ka nohararaotiny io hitoriana ny fahafahana azo amin’ ny alalan’ ny filazantsara tamin’ ireo andevon’ ny finoanoam-poana. «Aza mihevitra ianareo, hoy izy, fa ato amin’ ity tempoly ity mihoatra noho ny any amin’ ny faritra hafa noforoniny Andria-manitra. Na aiza na aiza toerana ipetrahanareo, dia manodidina anareo Andriamanitra ka mandre anareo. . .Moa ve ahazoanareo antoka ny fahasoavan’ Andriamanitra ny asa tsy misy voka-tsoa, ny fivahinianana masina lavitra be, ny fanatitra, ny sary vongana, ny fiantsoana ny virijina na olo-masina?. . . Misy dikany inona ny teny maro entintsika manao vavaka lavareny. Misy asany ve ny saron-doha mamirapiratra, ny loha nokakasana ka sola malama tsara, ny akanjo lava mirebareba, na ny kiraro iva misy peta-kofehy volamena?. Mijery ny fo Andriamanitra ary lavitra azy ny fontsika. Kristy, hoy izy, Ilay natolotra indray mandeha teo amin’ ny hazo fijaliana, no sorona izay novonoina, ka ampy ho fanati-panonerana ny fahotan’ ny mpino mandrakizay doria.» Ibid, boky 8, toko 5. Tsy nahafaly ny mpihaino maro ireo fampianarana ireo. Fahadisoam-panantenana mangidy ho azy ny filazana fa very maina ny dia nandreraka nataony. Tsy nazava taminy izany hoe famelankeloka atolotra azy maimaimpoana amin’ ny alalan’ i Kristy. Afa-po tamin’ ny lalana natokan’ i Roma ho azy teo aloha hankanesana any andanitra izy. Nampihemotra azy ny fitebitebena mety no vokatry ny fitadiavana zavatra tsaratsara kokoa indray. Mora kokoa ny manankina ny famonjena ny tenany amin’ ny pretra sy ny papa toy izay hikatsaka fahadiovam-po. Nisy anefa antokon’ olona hafa nandray tamim-pifaliàna ny vaovao momba ny fanavotana amin’ ny alalan’ i Kristy. Ireo zavatra nasain’ i Roma notandremana dia tsy afaka nitondra fiadanana ho an’ ny fanahy ka nekeny tamim-pinoana ho fanavotana ho azy ny ran’ ny Mpamonjy. Raha nody tany aminy ireo, dia nanambara tamin’ ny hafa ny fahazavana sarobidy efa noraisiny. Toy izany no nielezan’ ny fahamarinana avy amin’ ny vohitra iray ho amin’ ny vohitra iray, avy amin’ ny tanàna iray ho amin’ ny tanàna iray, ka nihena betsaka ny isan’ ireo mpanao fivahinianana masina teo amin’ ilay toerana nisy ny virijina. Nitotongana ny rakitra, ary nisy vokany teo amin’ ny karaman’ i Zwingli izay nalainy tamin’ izany. Nefa tsy niteraka afa-tsy fifaliana ho azy izany satria hitany fa tapaka ny herin’ ny fitompoan-teny fantatra sy ny finoanoam-poana. Tsy nikimpy tamin’ ny asa nataon’ i Zwingli ireo manampahefana tao amin’ ny fiangonana; nefa nandà ny hisalovana izy aloha. Mbola nanantena ny hahazo azy hiandany taminy izy ireo, ka niezaka ny hamabo azy tamin’ ny alalan’ ny fandokadokafana; ary nandritra izany fotoana izany dia niha-nahazo toerana tao ampon’ ny vahoaka ny fahamarinana. Nanomana an’ i Zwingli ho amin’ ny saha midadasika kokoa ny asa nataony tao Einsiedeln, ary tsy ho ela akory dia hiditra ao amin’ izany saha izany izy. Rehefa tapitra ny 127
- Page 83 and 84: vahoaka izay nitoriako ny filazants
- Page 85 and 86: ilay Tompo Andriamanitra izay nanok
- Page 87 and 88: Vaky nifofofofo indray ny haromotan
- Page 89 and 90: Taona vitsy taorian’ izany, tamin
- Page 91 and 92: nanohitra ireo fanompoam-tsampy sy
- Page 93 and 94: tao an-tranony ho any an-tsekoly ta
- Page 95 and 96: taloha. Ibid, boky 2, toko 4. Toy i
- Page 97 and 98: nandefa ny tarany hatrany amin’ n
- Page 99 and 100: ihany no afaka mamonjy ny mpanota.
- Page 101 and 102: niditra teo amin’ ny laharan’ n
- Page 103 and 104: masina, ilay hany fahefana fara-tam
- Page 105 and 106: momba anao, sy izay rehetra naneho
- Page 107 and 108: an’ i Ziona fahiny, ary avy ao no
- Page 109 and 110: . . . Fa Kristy mihitsy no melohina
- Page 111 and 112: fanoherana ny fahamarinana, mety ho
- Page 113 and 114: pelatanan’ ny Tompo ny momba izan
- Page 115 and 116: misy fahazavana vaovao namirapiratr
- Page 117 and 118: «Raha tsy tafaverina aho ary raha
- Page 119 and 120: Tsia, hoy ny amperora,«tsy maintsy
- Page 121 and 122: Ny ampitson» iny izy no niseho han
- Page 123 and 124: izany aho, dia hoekeko izay diso re
- Page 125 and 126: izy. Tsy nahitana avonavona, firehe
- Page 127 and 128: amin’ ny fahazavana noraisin’ i
- Page 129 and 130: hafaliana sy ny fiderana ny fony:
- Page 131 and 132: fahombiazana. Ny fijaliana sy ny fa
- Page 133: dia nifaninana ho mamim-bahoaka ny
- Page 137 and 138: Eo amin’ i Kristy, hoy izy, no ti
- Page 139 and 140: Sorona mandrakizay. . . ny fijalian
- Page 141 and 142: izay hahatongavany tany amin’ i Z
- Page 143 and 144: Toko 10—Ny fandrosoan’ ny Fanav
- Page 145 and 146: amin’ ireo izay mitonona ho sakai
- Page 147 and 148: ihany no nanao ny zavatra rehetra.
- Page 149 and 150: nianjadian’ ny halozana sy ny fam
- Page 151 and 152: Olona avy amin’ ny saranga rehetr
- Page 153 and 154: Toko 11—Fanoherana nataon’ ny A
- Page 155 and 156: Raha nampiharina io didy io, dia «
- Page 157 and 158: ehetra izay mety hitandroana ny fil
- Page 159 and 160: Fanoherana io ho fanambaran’ ny f
- Page 161 and 162: havahanao aho». Vonon-kanao ny mar
- Page 163 and 164: izany. Tsy azonao atao ny miaro ny
- Page 165 and 166: tamin’ izany, raha nahatsapa fa m
- Page 167 and 168: Andriamanitra. Vetivety dia hita fa
- Page 169 and 170: tombon-tsoa azon’ ireo pretra noh
- Page 171 and 172: tokana ambaran’ ny Baiboly, ka ma
- Page 173 and 174: mpivarotra sy ny mpanao asa tanana
- Page 175 and 176: hamadika ny rahalahiny izy. Vahoaka
- Page 177 and 178: nisy «relika» malaza be dia be na
- Page 179 and 180: Fitiavana tsy hita fetra teo anatre
- Page 181 and 182: Bale, raha hitany fa nambenan’ ny
- Page 183 and 184: pahaizana mamirapiratra, ireo mpian
mahatenin’ Andriamanitra an’ izany izy, dia ilay fitsipika ampy, tsy mety diso. Hitany fa ny

Baiboly ihany no tsy maintsy hanazava ny tenany. Tsy sahy manandrana ny hanazava ny

Soratra Masina izy hoentimanohana hevitra mibahana ao an-tsaina rahateo na ny fotopinoana,

fa noraisiny ho adidiny ny hianatra izay ampianarin’ ny Baiboly amin’ ny fomba

mivantana sy miharihary. Nitady izay rehetra nety hanampy azy mba ahazoany ny

fahalalana feno sy marina ny dikany izy. ary nangataka ny fanampian’ ny Fanahy Masina,

Izay, araka ny nolazainy, dia hambara izany amin’ izay rehetra mitady amin’ ny fo marina

sy amim-pivavahana.

«Avy amin’ Andriamanitra fa tsy avy amin’ ny olona ny Soratra Masina, hoy Zwingli,

ary Andriamanitra mihitsy izay nampahazava anao no hanome anao ny fahafantarana fa avy

Aminy ny teny. Tsy mety diso. . . ny tenin’ Andriamanitra; mamirapiratra izany, izy tenany

no mampianatra momba ny tenany, mamelabelatra ny amin’ ny tenany, mampahazava ny

fanahy amin’ ny famonjena sy ny fahasoavana rehetra izy, mampionona azy ao amin’

Andriamanitra, mampietry azy ka manjary heverin’ ny fanahy ho toy ny foana sy very zo

tanteraka izy ka lasa miantsampy amin’ Andriamanitra.» I Zwingli mihitsy no efa

nanaporofo ny fahamarinan’ ireo teny ireo. Izao no nosoratany tatý aoriana raha nilazalaza

ny momba ny fanandramana nataony tamin’ io fotoana io izy: «Fony. . . aho nanomboka

nanokan-tena tanteraka hiandany amin’ ny Soratra Masina. dia namohafoha hatrany ady

hevitra tao amiko ny hevi-tsaina sy ny fampianarana momba ny fivavahana nampiavaka ny

Andro Antenantenany. Nony farany dia izao no fara-hevitro: «Tsy maintsy avelanao daholo

io lainga io ka hianatra ny dikany nomen’ Andriamanitra ianao, dia izay dikany madio araka

ny teniny. Dia nanomboka nangataka tamin’ Andriamanitra ny fahazavany aho ka zary

nihamora tamiko hatrany ny Soratra Masina.» Ibid, boky 8, toko 6.

Tsy noraisiny tamin’ i Lotera ny fampianarana notorin’ i Zwingli. Fampianaran’ i Kristy

izany. «Raha mitory an’ i Kristy i Lotera, hoy ilay mpanavao fivavahana Soisa, dia izay

ataoko no ataony. Betsaka kokoa noho izay notarihiko ho eo amin’ i Kristy izay nentiny ho

eo Aminy. Tsy mampaninona anefa izany. Tsy hitondra anarankafa noho ny an’ i Kristy

aho; miaramilany aho ary Izy irery no Lehibeko. Na oviana na oviana tsy mbola nisy teny

11a dia iray aza nosoratako ho an’ i Lotera na nosoratany ho ahy. Nahoana ary?. . . Mba

hanehoana ny maha-iray ny Fanahin’ Andriamanitra, satria 11a dia tsy nikaon-doha aza

izahay mirahalahy dia mitovy tsy misy ivoasana izay ampianarinay momba an’ i Kristy.»

D’Aubigne, boky 8, toko 9.

Tamin’ ny taona 1516 dia nantsoina ho mpitoriteny tao amin’ ny tranon’ ny relijiozy tao

Einsiedeln i Zwingli. Nahita akaiky kokoa ny faharatsian’ i Roma izy tao ary niasa mangina

tamin’ ny mahampanavao fivavahana azy ka tsapa hatrany amin’ ny toerana lavitry ny Alpa

nahaterahany izany. Anisan’ ireo zavatra nanintona indrindra tao Einsiedeln dia ny sary

vongan’ ny virijina izay nolazaina fa manan-kery hanao fahagagana. Teo ambonin’ ny

vavahadin’ ny tranon’ ny relijiozy dia nisy izao soratra izao: «ato no mety ahazoana

famelana feno ny fahotana.» Ibid, boky 8, toko 5. Tamin’ ny vanimpotoana rehetra dia tonga

ireo mpanao fivahinianana masina nitady famonjena teo amin’ ny toerana nisy ny virijina;

126