Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

tanany havia, nasandrany hanondro ny lanitra ny tanany havanana ary nivoady izy fa hijoro ho mahatoky amin’ ny filazantsara, sy hanaiky malalaka ny finoany, eny, na dia hasiany tombo-kase amin’ ny rany aza ny teny vavolombelona hataony.» Ibid, boky 7, toko 8. Rehefa niseho indray teo anatrehan’ ny Filan-kevitry ny fanja-kana foibe izy, dia tsy nisy nisoritra teny amin’ ny endriny na ny tahotra na ny fitavozavozana. Sady tony izy no niadam-po nefa koa sahy sady mendrika indrindra, raha nijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra teo anivon’ ny olona ambony teto an-tany. Nanontanian’ ilay manam-pahefana avy amin’ ny amperora izao ny fanapahan-keviny na naniry ny handà ny fampianarany izy na tsia. Tamin’ ny feo malefaka sy feno fanetren-tena no namalian’ i Lotera azy, tsy nisy herisetra na firehetam-po. Nandefindefitra sy feno fanajana ny fihetsiny, nefa nampiseho fahatokiana sy fifaliana izay nahatalanjona ny mpivory izy. «Ry andriamanjaka mendrika indrindra, ry andriandahy be voninahitra, tompokolahy hajaina», miseho eto anatrehanareo aho androany araka ny baiko nomena ahy omaly, ary noho ny famindrampon’ Andriamanitra dia mangataka indrindra anao aho tompokolahy, miangavy anareo aho ry manan-kaja amam-boninahitra lolohavina an-tampon’ ny loha isany, mba hihaino amim-pandeferana ny fiarovana ny foto-kevitra izay azoko antoka fa marina. Raha mandika ny lalàna sy ny fomba ato amin’ ny lapan’ andriana aho, noho ny tsy fahalalako, dia miangavy anareo aho hamela ahy; tsy nobeazina tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka aho mantsy, fa nitoka-monina tany amin’ ny tranon’ ny relijiozy.» Ibid, boky 7, toko 8. Rehefa avy eo dia niroso hamaly ny fanontaniana izy, ka nolazainy fa tsy mitovy karazana avokoa ny boky navoakany. Ny sasany namelabelarany ny momba ny finoana sy ny asa tsara, ary na dia ny fahavalony aza, dia manambara fa tsy hoc tsy manimba ihany izy ireo fa mahasoa mihitsy aza. Ny fandavana an’ ireny dia fanamelohana ny fahamarinana izay eken’ ny rehetra. Ny sokajy faharoa dia ireo boky mampischo ny fahalovana sy ny fanao tafahoatra hita eo amin’ ny fahafana papaly. Ny fandavana ireo asa ireo dia ho fanamafisana ny fanjakazakan’ i Roma izay hampidanadana varavarana hidiran’ ny fomba maro manohitra tanteraka ny fivavahana. Ny sokajy fahatelo amin’ ny bokiny dia namelzana tsangan’ olona izay niaro ny ratsy tena misy tokoa. Mikasika ireo dia nekeny mazava fa mivatravatra loatra miboatra ny mahamendrika izy. Tsy mihambo ho tsy manampahadisoana izy; nefa na dia ireo boky ireo aza tsy azony lavina satria hampirisika ny fahavalon’ ny fahamarinana ny fihetsika toy izany, ka nohararaotiny izany hanamontsamontsanana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny halozana bebc kokoa. «Nefa olombelona tsotra ihany aho, fa tsy Andriamanitra», hoy izy, nanohy ny teniny; «noho izany dia hiaro ny tenako tahaka ny nataon’ i Kristy aho: ‘Raha niteny ratsy aho, ambarao izay ratsy’. . . Noho ny famindrampon’ Andriamanitra, dia miangavy anao aho, ry andriamanjaka mendrika indrindra, sy ianareo andriandahy be voninahitra indrindra, ary ianareo rehetra amin’ny saranga samihafa, miangavy anareo aho mba hanaporofo avy amin’ ny soratry ny mpaminany sy ny apostoly fa diso alio. Raha vantany vao rcsy lahatra amin 114

izany aho, dia hoekeko izay diso rehetra ary izaho no ho voalohany handray ny bokiko ka hanipy azy ao anaty afo. «Manantena aho fa izay vao nolazaiko teo dia mampiseho mazava la eta nolanjalanjaiko fatratra sy noheveriko tsara ny loza izay mety hatrehiko noho izany; nefa sanatria ahy ny ho ketraka amin’ izany, fa faly kosa aho mahita fa ankehitriny, tahaka ny tamin’ ny andro teo aloha, dia mahatonga korontana sy fisaraham-bazana ny filazantsara. Izany no toetran’ ny tenin’ Andriamanitra, izany no anjarany. Tsy tonga hitondra fiadanana eto an-tany aho hoy Jesosy, fa sabatra. Mahagaga sy mahatahotra ny hevitr» Andriamanitra: mitandrema fandrao mihevitra ny hanakana ny fisaiaham-bazana ianareo ka hanenjika ny teny masin’ Andriamanitra ary hihantsy loza aman’ antambo mahatsiaravina, tsy azo ialana. amin’ izao andro izao sy fahoriana mandrakizay, hianjera aminareo. Azoko atao ny maka ohatra maro avy amin’ ny fanambarana nataon» Andriamanitra. Azoko atao ny hilaza ny moniba an’ i Farao, ireo mpanjakan’ i Babylona, sy ny Isiraely, izay mainka koa nanampy hanapotika ny tenany rehefa niezaka hanamafy ny fanjakany izy turnin’ ny fitadiavana hevitra izay toa hendry indrindra teo imason’ ny rehetra. Mamindra tendrombohitra Andriamanitra nefa ireny tsy mahalala akory’.»Ibid. boky 7, toko 8. Teny alemà no nitenenan’ i Lotera fa izao dia nangatahana izy hamerina ny teniny amin’ ny teny latina. Na dia reraky ny fiezahana nataony teo aloha aza izy dia nanaiky ary naveriny indray ny lahateniny mazava sy mahery vaika tahaka ny tamin’ ny voalohany. Andriamanitra no nitarika ny hisian’ izany. Efa nohamaizinin’ ny hevi-diso sy ny finoanoam-poana ny sain’ ny maro tamin’ ireo andriandahy ka tsy voatsapany ny herin’ ny fanazavana nataon’ i Lotera tamin’ ny nandaharany azy tamin’ ny voalohany: fa rehefa niverina kosa izany dia hitany nibaribary tsara ireo hevitra naseho. Naharomotra izay nanamafy ny fony ka nanakimpy ny masony tsy hijery ny mazava ary nanapa-kevitra fa tsy hiaiky ny fahama-rinana ny herin’ ny tenin’ i Lotera. Rehefa nijanona izy dia tczitra ny mpitondra tenin’ ny filan-kevitra nanao hoe: «Tsy novalianao ny fanontaniana napetraka taminao?. . . Angatahina ianao hanome valin-teny tsotra sy mazava. . . Hanaiky ho diso ve ianao sa tsia? Hoy ilay Mpanavao fivavahana: «Koa satria mitaky valin-teny mazava sy tsotra ary hentitra amiko ianao, ry andriamanjaka mendrika indrindra, sy ianareo manam-pahefana ambony indrindra, dia homeko izany, dia ity: Tsy azoko atao ny mampilefitra ny finoako amin’ ny papa na amin’ ny olona ao amin’ ny fivoriam-ben’ ny eglizy, satria mazava sahala amin’ ny mitataovovonana fa imbetsaka izy ireny no diso sady nifanipa-kevitra. Noho izany raha tsy resy lahatry ny teny vavolombelona ao amin’ ny Soratra Masina aho na resy lahatry ny fahamarinana mazava indrindra, raha tsy voatarika amin’ ny alalan’ ireo toko sy andininy noraisiko aho, ka amin’ izay dia voafatotry ny tenin’ Andriamanitra ny feon’ ny fieritreretako, dia tsy afaka hiaiky fa diso aho ary tsy hiaiky fa diso, satria tsy mety amin’ ny kristiana ny miteny manohitra ny feon’ ny fieritreretany. Mijoro amin’ izany aho, ary tsy afaka hanao zavatra hafa; Andriamanitra anie hanampy ahy. Amena.» Ibid, boky 7, toko 8. 115

tanany havia, nasandrany hanondro ny lanitra ny tanany havanana ary nivoady izy fa hijoro

ho mahatoky amin’ ny filazantsara, sy hanaiky malalaka ny finoany, eny, na dia hasiany

tombo-kase amin’ ny rany aza ny teny vavolombelona hataony.» Ibid, boky 7, toko 8.

Rehefa niseho indray teo anatrehan’ ny Filan-kevitry ny fanja-kana foibe izy, dia tsy nisy

nisoritra teny amin’ ny endriny na ny tahotra na ny fitavozavozana. Sady tony izy no

niadam-po nefa koa sahy sady mendrika indrindra, raha nijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra

teo anivon’ ny olona ambony teto an-tany. Nanontanian’ ilay manam-pahefana avy

amin’ ny amperora izao ny fanapahan-keviny na naniry ny handà ny fampianarany izy na

tsia. Tamin’ ny feo malefaka sy feno fanetren-tena no namalian’ i Lotera azy, tsy nisy

herisetra na firehetam-po. Nandefindefitra sy feno fanajana ny fihetsiny, nefa nampiseho

fahatokiana sy fifaliana izay nahatalanjona ny mpivory izy.

«Ry andriamanjaka mendrika indrindra, ry andriandahy be voninahitra, tompokolahy

hajaina», miseho eto anatrehanareo aho androany araka ny baiko nomena ahy omaly, ary

noho ny famindrampon’ Andriamanitra dia mangataka indrindra anao aho tompokolahy,

miangavy anareo aho ry manan-kaja amam-boninahitra lolohavina an-tampon’ ny loha

isany, mba hihaino amim-pandeferana ny fiarovana ny foto-kevitra izay azoko antoka fa

marina. Raha mandika ny lalàna sy ny fomba ato amin’ ny lapan’ andriana aho, noho ny tsy

fahalalako, dia miangavy anareo aho hamela ahy; tsy nobeazina tao amin’ ny lapan’ ny

mpanjaka aho mantsy, fa nitoka-monina tany amin’ ny tranon’ ny relijiozy.» Ibid, boky 7,

toko 8.

Rehefa avy eo dia niroso hamaly ny fanontaniana izy, ka nolazainy fa tsy mitovy

karazana avokoa ny boky navoakany. Ny sasany namelabelarany ny momba ny finoana sy

ny asa tsara, ary na dia ny fahavalony aza, dia manambara fa tsy hoc tsy manimba ihany izy

ireo fa mahasoa mihitsy aza. Ny fandavana an’ ireny dia fanamelohana ny fahamarinana

izay eken’ ny rehetra. Ny sokajy faharoa dia ireo boky mampischo ny fahalovana sy ny

fanao tafahoatra hita eo amin’ ny fahafana papaly. Ny fandavana ireo asa ireo dia ho

fanamafisana ny fanjakazakan’ i Roma izay hampidanadana varavarana hidiran’ ny fomba

maro manohitra tanteraka ny fivavahana. Ny sokajy fahatelo amin’ ny bokiny dia namelzana

tsangan’ olona izay niaro ny ratsy tena misy tokoa. Mikasika ireo dia nekeny mazava fa

mivatravatra loatra miboatra ny mahamendrika izy. Tsy mihambo ho tsy manampahadisoana

izy; nefa na dia ireo boky ireo aza tsy azony lavina satria hampirisika ny

fahavalon’ ny fahamarinana ny fihetsika toy izany, ka nohararaotiny izany

hanamontsamontsanana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny halozana bebc kokoa.

«Nefa olombelona tsotra ihany aho, fa tsy Andriamanitra», hoy izy, nanohy ny teniny;

«noho izany dia hiaro ny tenako tahaka ny nataon’ i Kristy aho: ‘Raha niteny ratsy aho,

ambarao izay ratsy’. . . Noho ny famindrampon’ Andriamanitra, dia miangavy anao aho, ry

andriamanjaka mendrika indrindra, sy ianareo andriandahy be voninahitra indrindra, ary

ianareo rehetra amin’ny saranga samihafa, miangavy anareo aho mba hanaporofo avy amin’

ny soratry ny mpaminany sy ny apostoly fa diso alio. Raha vantany vao rcsy lahatra amin

114

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!