Leviathan dari Bangsa Bangsa_

, , , , , losifera, , , , , , , , losifera, , ,

bibliomaniapublications
from bibliomaniapublications More from this publisher
09.07.2024 Views

Ny tetika maty paika nataon’ ireo Romanista dia ny hiezaka hahazo ny fon’ i Lotera tamin’ ny fihetsika toa mitory halemempanahy. Nampiseho fisakaizana fatratra ilay iraky ny papa raha hihaona taminy; fa ny nangatahiny dia ny hileferan’ i Lotera eo ambany fahefan’ ny fiangonana, na dia tsy hitonona izany aza, ka hanaiky ny zavatra rehetra tsy misy adihevitra na fanontaniana. Tsy nolanjalanjaina araka izay tokony ho izy ny toetra amampanahin’ ity lehilahy ifampiraharahany ity. Ho valin’ izany dia nambaran’ i Lotera ny fanajany ny fiangonana ny faniriany ny fahamarinana, ny fahavononany hamaly ny fanakianana rehetra atao momba izay nampianariny ka hitondra ny fampianarany hotsarain’ ireo Oniversite lehibe sasany. Niaraka tamin’ izany anefa dia notoheriny ny fomban’ ilay kardinaly izay nangataka azy hanatsoaka ny teniny nefa tsy nasehony mazava taminy ny fahadisoany. Ny hany valin-teny azony dia izao: «Maneke ho diso! Maneke ho diso! » Nasehon’ ilay Mpanavao fivavahana fa tohanan’ ny Soratra Masina ny heviny ary nambarany tamin’ ny fomba hentitra fa tsy afaka hiala amin’ ny fahamarinana izy. Tsy afaka namaly ireo fonjankevitra naroson’ i Lotera ilay iraky ny papa ka hany heriny dia nandrahona azy tamin’ ny fanakianana sy ny fanesoesoana vary raraka ary ny fandokadokafana nosingatsinganina teny nalaina avy amin’ ny lovan-tsofina sy ny fanambaran’ ireo Rain’ ny fiangonana ka tsy nisy nandatsahan’ ilay Mpanitsy fivavahana akory. Hitan’ i Lotera fa raha notohizana toy izany ny resaka dia tsy hisy vokany, ka farany dia nomen’ ireo alalana tsy fidiny i Lotera hamaly azy an-tsoratra. «Amin’ izay», hoy izy, raha nanoratra tamin’ ny sakaizany iray, «dia roa sosona ny tombon-tsoa azon’ izay iharan’ ny fampijaliana; voalohany, izay voasoratra dia azo apetraka hotsarain’ ny hafa; faharoa, mety ho azo atao amin’ io fomba io ny manararaotra ny tahotra, na dia tsy handaitra intsony amin’ ny feon’ ny fieritreretana aza izay hahazo an’ ity lehilahy tsy refesi-mandidy, feno avona sy mibedibedy foana ity, fa raha tsy izany dia handresy amin’ ny fiteny henjana hataony izy».Martyn, The Life and Times of Luther (Ny Fiainan’ i Lotera sy ny androny, p. 271, 272.) Tamin’ ny fihaonana faharoa, dia novelabelarin’ i Lotera tamin’ ny fomba mazava, matotra sy mavesa-danja, sady voatohana tanteraka tamin’ ny toko sy andininy maro avy amin’ ny Soratra Masina ny heviny. Rehefa avy novakiny tamin’ ny feo avo aloha io lahateny io, dia natolony ny kardinaly izay nanilakilaka an’ izany ho azy erý sady nilaza fa teny maro foana tsy misy antony izany sy toko sy andininy tsy mifanitsy amin’ izay ilaina azy. Tonga saina tanteraka i Lotera ka ny hevitr’ ilay pretra ambony miavonavona ihany no nainelezany azy — dia ny lovan-tsofina sy ny fampianaran’ ny Eglizy ary naongany tanteraka ireo foto-kevitra najorony. Rehefa hitan’ ny pretra ambony fa tsy misy havaly ny fandaharana nataon’ i Lotera, dia tsy mahafehy tena intsony izy, ka toa romotra niantsoantso hoe: «Maneke ho diso raha tsy izany dia halefako any Roma ianao, hiseho eo anatrehan’ ny mpitsara notendrena hanadihady ny momba anao. Horoahiko tsy ho anisan’ ny Eglizy ianao sy izay rehetra 96

momba anao, sy izay rehetra naneho fankasitrahana anao na tamin’ ny fotoana inona na tamin’ ny fotoana inona, ka horoahiko hiala amin’ ny Eglizy». Farany dia hoy izy tamin’ ny feo feno avona sy hatezerana : «Maneke ho diso, raha tsy izany dia aza miverina intsony». D’Aubigni, boky nivoaka tao London,boky 4, toko 8. Nivoaka ny efitrano haingana niaraka tamin’ ireo sakaizany ilay Mpanavao fivavahana, ka nasehony mazava tamin’ izany fa tsy misy fanekena ho diso azo antenaina avy aminy. Tsy izay no nokendren’ ny kardinaly. Nihevitra izy fa hampahatahotra an’ i Lotera ny herisetra ka hampilefitra azy. Izao anefa, tavela irery niaraka tamin’ ireo mpomba azy izy, ka nifampijery tamin’ alahelo mafy noho ny tsy fahombiazana tsy nampoizina nihatra tamin’ ny tetika nataony. Tsy nilaozan’ ny tsy hisy vokany tsara ny fiezahana nataon’ i Lotera tamin’ io fotoana io. Azon’ ny vahoaka be nivory nanatrika tao ny nampitaha ireo lehilahy roa, ka hitsara izay toe-tsaina nasehony, sy ny lanjan’ ny hevitra naroson’ ny andaniny sy ny ankilany ary ny maha-marim-pototra sy tsy maha-marim-pototra izany. Fahasamihafana manao ahoana! Ilay Mpanavao fivavahana tsotra, manetry tena, matotra, mijoro noho ny herin’ Andriamanitra, manana ny fahamarinana ho azy; ilay solontenan’ ny papa, mihevitena ho zavatra, manjakazaka, miavonavona, tsy mandanjalanja akory vao manao zavatra, ary tsy nanana na dia fonjan-kevitra iray aza avy amin’ ny Soratra Masina, nefa manezakezaka miantsoantso hoe: «Maneke ho diso, raha tsy izany dia aoka halefa any Roma ho faizina». Na dia efa nanana tsisakanana niaro azy aza i Lotera, dia nioko ireo mpomba an’ i Roma hisambotra sy hanao azy an-tranomaizina. Nanantitrantitra taminy ireo sakaizany fa tsy misy antony mbolà hijanonany, fa tokony hiverina avy hatrany any Wittenberg izy, ary atao izay fitandremana mafy indrindra mba hanafenana ny fikasany. Araka izany dia niala tao Augsbourg izy raha mbola tsy niposaka ny masoandro, nitaingina soavaly, ary mpitaridalana nomen’ ny mpitsara ihany no niaraka taminy. Betsaka ny fanahiany raha niafinafina nivoaka ny tanàna namakivaky ny arabe maizina sady mangina izy. Ho afaka amin’ ny fandrika novelarina ho azy va re izy? Fotoana nampangitakitaka sy nanaovana vavaka mafana izany. Tonga teo amin’ ny vavahady kely teo amin’ ny mandan’ ny tanàna izy. Novohana ho azy izany, ka tafavoaka tsy nisy nanakantsakana izy sy ilay mpitari-dalana azy. Rehefa tonga tany ivelany soa aman-tsara ireto mpandositra dia nanafaingana ny diany ary talohan’ ny nandrenesan’ ny iraky ny papa ny nandehanan’ i Lotera, dia efa tsy tratran’ ny mpanenjika azy intsony izy. Resy Satana sy ny iraka nalefany. Lasa ilay olona noheveriny fa voafenjan’ ny fahefany, nandositra sahala amin’ ny voronkely niala ny fandriky ny mpihaza. Rehefa ren’ ny iraky ny papa ny nandosiran’ i Lotera, dia safotry ny hatairana sy ny hatezerana izy. Nanantena ny handray voninahitra be izy noho ny fahendreny sy ny fahamatorany tamin’ ny fifandraisany tamin’ ity mpanakorontana ny fiangonana ity; diso fanantenana anefa izy. Nasehony tamin’ ny taratasy ho an’ i Frederika filohan’ i Saxe ny hatezerany, ka niampangany mafy an’ i Lotera sy nangatahany ny handefasan’ i Frederika 97

Ny tetika maty paika nataon’ ireo Romanista dia ny hiezaka hahazo ny fon’ i Lotera

tamin’ ny fihetsika toa mitory halemempanahy. Nampiseho fisakaizana fatratra ilay iraky ny

papa raha hihaona taminy; fa ny nangatahiny dia ny hileferan’ i Lotera eo ambany fahefan’

ny fiangonana, na dia tsy hitonona izany aza, ka hanaiky ny zavatra rehetra tsy misy adihevitra

na fanontaniana. Tsy nolanjalanjaina araka izay tokony ho izy ny toetra amampanahin’

ity lehilahy ifampiraharahany ity. Ho valin’ izany dia nambaran’ i Lotera ny

fanajany ny fiangonana ny faniriany ny fahamarinana, ny fahavononany hamaly ny

fanakianana rehetra atao momba izay nampianariny ka hitondra ny fampianarany hotsarain’

ireo Oniversite lehibe sasany. Niaraka tamin’ izany anefa dia notoheriny ny fomban’ ilay

kardinaly izay nangataka azy hanatsoaka ny teniny nefa tsy nasehony mazava taminy ny

fahadisoany.

Ny hany valin-teny azony dia izao: «Maneke ho diso! Maneke ho diso! » Nasehon’ ilay

Mpanavao fivavahana fa tohanan’ ny Soratra Masina ny heviny ary nambarany tamin’ ny

fomba hentitra fa tsy afaka hiala amin’ ny fahamarinana izy. Tsy afaka namaly ireo fonjankevitra

naroson’ i Lotera ilay iraky ny papa ka hany heriny dia nandrahona azy tamin’ ny

fanakianana sy ny fanesoesoana vary raraka ary ny fandokadokafana nosingatsinganina teny

nalaina avy amin’ ny lovan-tsofina sy ny fanambaran’ ireo Rain’ ny fiangonana ka tsy nisy

nandatsahan’ ilay Mpanitsy fivavahana akory. Hitan’ i Lotera fa raha notohizana toy izany

ny resaka dia tsy hisy vokany, ka farany dia nomen’ ireo alalana tsy fidiny i Lotera hamaly

azy an-tsoratra.

«Amin’ izay», hoy izy, raha nanoratra tamin’ ny sakaizany iray, «dia roa sosona ny

tombon-tsoa azon’ izay iharan’ ny fampijaliana; voalohany, izay voasoratra dia azo apetraka

hotsarain’ ny hafa; faharoa, mety ho azo atao amin’ io fomba io ny manararaotra ny tahotra,

na dia tsy handaitra intsony amin’ ny feon’ ny fieritreretana aza izay hahazo an’ ity lehilahy

tsy refesi-mandidy, feno avona sy mibedibedy foana ity, fa raha tsy izany dia handresy

amin’ ny fiteny henjana hataony izy».Martyn, The Life and Times of Luther (Ny Fiainan’ i

Lotera sy ny androny, p. 271, 272.)

Tamin’ ny fihaonana faharoa, dia novelabelarin’ i Lotera tamin’ ny fomba mazava,

matotra sy mavesa-danja, sady voatohana tanteraka tamin’ ny toko sy andininy maro avy

amin’ ny Soratra Masina ny heviny. Rehefa avy novakiny tamin’ ny feo avo aloha io

lahateny io, dia natolony ny kardinaly izay nanilakilaka an’ izany ho azy erý sady nilaza fa

teny maro foana tsy misy antony izany sy toko sy andininy tsy mifanitsy amin’ izay ilaina

azy. Tonga saina tanteraka i Lotera ka ny hevitr’ ilay pretra ambony miavonavona ihany no

nainelezany azy — dia ny lovan-tsofina sy ny fampianaran’ ny Eglizy ary naongany

tanteraka ireo foto-kevitra najorony.

Rehefa hitan’ ny pretra ambony fa tsy misy havaly ny fandaharana nataon’ i Lotera, dia

tsy mahafehy tena intsony izy, ka toa romotra niantsoantso hoe: «Maneke ho diso raha tsy

izany dia halefako any Roma ianao, hiseho eo anatrehan’ ny mpitsara notendrena

hanadihady ny momba anao. Horoahiko tsy ho anisan’ ny Eglizy ianao sy izay rehetra

96

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!